fanontaniana kely

1. lals ( 30/09/2011 13:08)
Manahoana daholo!

Tena marina ve ny zavatra resahan'ireny lehilahy ireny raha milaza izy hoe: "MARINA FAHOTANA MAHAFATY" sady mananga-tanana?
novalian'i jesuisla ny 25/02/2012 14:23
2. soanja ( 30/09/2011 18:06)
Afaka mandainga ny lehilahy, toy ny vehivavy ihany koa. Ka n'inona n'inona izay lazaina sy mivoaka ny vavany dia tsy voatery ho marina akory. Izy tsinona tsy ho faty eo no ho eo. Ny fahafantaranao ilay olona no ahalalanao na miteny ny marina izy na tsia. Matoa ianao misalasala dia olona tsy azo atokisana izy. Amin'ny alalan'izay tsapanao izay no tokony ianteheranao sy ny ho ataonao rehefa avy eo!!! izay no sikajy avy aty amiko anefa.
3. zokieva ( 01/10/2011 05:28)
Ny teny hoe "marina fahotana mahafaty" dia tsy fiteny velively indrindra fa olona kristiana ianao,ka io teny io izany dia tsy tokony hivoaka ny vavan'ny olona na lahy na vavy na kely na lehibe;fa ny marina dia marina ihany na hanangan-tanana aza ianao ka hiozona.
Raha mbola miteny izany ilay olona dia karazan'olona tia mandainga izy sady rain'ny lainga!
4. rabokona ( 03/10/2011 17:47)
Salama marina ny teniny razoky teo aloha teo iny fa matoa koa angeh ianao tsy matoky olona dia ilay olona mihintsy no tompony lainga fa zah manonkana alou tsy zatran'izany miteny fahotana mahafaty zany, sady na ny sofina maheno azy aza ratsy makadilo be.

Misaotra tompoko!
5. 7777777 ( 22/02/2012 05:31)
azavaiko kely le marina fahotana mahafaty dia teny tsy tokony hiaraka mihintsy, satria ny marina dia marina fa tsy ampiarahina amin'ny fahotana mahafaty izany lalana 2 samy hafa mihintsy ireo!

Ary rehefa miteny ny marina dia tsy tokony hisy fihetsika miaraka aminy fa enao no mtsara sy madinika
rahefa miteny ny marina ny olona iray na ianao dia ampy zay fa asakasakao na hiaino ianao na tsia!
Farany ny marina tompoko tsy azo arahina ozona
6. jesuisla ( 25/02/2012 14:23)
ny olona mandaiga, zatra mpandainga no miezaka sy manamari-tena mandrakariva. ary d mihaniana mafy mihitsy izy.

fiteny v sa tsia? samy manana ny fombany io. b no miteny izany. ny kristianna d tsy tokony hiteny izany. ny fomba fiteny anefa no isan'ny lalana 1 ahafahana mijery, sy mamaritra ary mitsara zavatra 1, na toetran'olona 1.

hoy lay jamba tao anay solomaso. mba alefaso ange io télé io ho jerena azafady.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.227