MPANGALATRA EEEEEE

1. locl ( 27/09/2011 19:52)
Communiqué de l'Unicef qui réitère que l'octroi d'un fonds d'appui au secteur éducatif sera bloqué tant que les voitures 4x4 détournées par certains dignitaires de la hat ne sont pas restituées.

Aiza ry Ronaldo amin'izao zava-mahamenatra izao
novalian'i bazylou ny 28/09/2011 14:12
2. reeves ( 28/09/2011 08:05)
Mahamenatra mihitsy ny toy izao ! Izao ve izany lay mba fanovàna nandrandrain'ny vahoaka madinika ? Dia ahoana ny ataon'ny fitsaràna am'zany sa dia tsy misy ambara ? Tena fitondram-poza orana marina ka tsy mahagaga ! Tena potika mihitsy ilay firenena !
3. ronaldo09 ( 28/09/2011 10:01)
tena mahamenatra ka!!!Ny olond-Ravalo no naka ireo 4.4 dia ny HAT no manao ezaka hamerina azy ireny ;efa mandeha ny fakana azy ireny t@ ireo senateur sy minisitra ndravalo teo aloha fa aza matahotra ianareo!!!Miasa anie ny HAT ary miady amin'ny ratsy e!!!
4. mirananirina ( 28/09/2011 11:39)
Manao hezaka hamerina ireny 4x4 ireny ny HAT hoy enao;Ary tena mbola vaovao be kosa ireto lanainy tany amin-dravalo an!!!mbola tsy nokasiandalitra,ny km dry zalahy mbola kely be!!Hatrany @ directeur etsy sy eroa napetraky i HAT,vaovao be daholo ny 4x4 ????Tena mahamenatra mihitsy raha nalainao Ravalo ireto tomobila nefa tsy nampesainao!!!Satria raha nampesainao izy ireny tsy vaovao be ohatra an'ireny tarika HAT ireny ???
5. siga_soa ( 28/09/2011 11:56)

mirananirina:

Manao hezaka hamerina ireny 4x4 ireny ny HAT hoy enao;Ary tena mbola vaovao be kosa ireto lanainy tany amin-dravalo an!!!mbola tsy nokasiandalitra,ny km dry zalahy mbola kely be!!Hatrany @ directeur etsy sy eroa napetraky i HAT,vaovao be daholo ny 4x4 ????Tena mahamenatra mihitsy raha nalainao Ravalo ireto tomobila nefa tsy nampesainao!!!Satria raha nampesainao izy ireny tsy vaovao be ohatra an'ireny tarika HAT ireny ???
ronaldo09 a! tena aminao ny HAT dia tsy misy kilema mihitsy, kanefa aza dia hatsaraina foana e! fa na misy tsy mety aza ataon'ireo dia hoy ianao hoe mety foana. Izay ihany anie no nahavoa ny teo aloha e. Rehefa misy tsy mety aton'ny olona tohananao dia tokony tsy hisalasala ianao hilaza izany ary hanitsy mba ahafahany miala amin'izany ary hahatonga azy tsy ho voa toy ny teo aloha. Be dia be ny halatra sy ny tsy rariny ataon'ireo ao @ HAT ireo fa izy aloha no eo, kanefa averiko ihany misy farany avaokoa ny zavatra rehetra. Ary ny zavatra nalainao t@ tsy rariny sy loadoaka tsy hahasoa anao fa anatin'ny indray mipy maso monja dia ho fongana avokoa. Meteza ronaldo09 ianao hanitsy ny olona tohananao.
6. kidoropamba ( 28/09/2011 12:39)
Ny UNICEF koa rangahy mitady problema à. Aleo aloha mba hitaingenanay io fiara io fa tena mila an'io izahay. Sahala amiko manokana izay CT, dia tsy afaka mandeha tongotra mihitsy raha ho any Tsimbazaza. Mba kozy é. Ny sipa ange mandositra raha vao hitany fa CT izany mandeha an-tongotra é.

Marina, ary miombonkevitra aminy aho, io lazain'ny jeneraly Dolin io: Andraso kely ry UNICEF fa izahay mbola hilalao kalesy à.

------
sonia:
Kidoropamba de Montchretien
CT (Tsimbazaza)
7. bazylou ( 28/09/2011 14:12)
ny gasy dia gasy ihany ary mitovy amin'ny maizina ihany amin'io aloha e.

Omeo ny tompony nyfananany e dia averiny aminao koa ny vatosoa sns
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5434