Gina avokoa ireo mpanaratsy ! Mitenena e!!!!

1. ronaldo09 ( 27/09/2011 07:23)
Toy ny vara - datsaka ny fandrenesan’ ireo mpanao politika tsy maty voalavo an - kibo mpiray petsapetsa amin’ ireo fahavalon’ ny tolom - bahoaka sy ireo mpanao ampihimamba nifandimby tamin’ ny fananam - pirenena nandritra ny 52 taona lasa, raha nahita sy nandre fa nahazo Fankatoavana iraisampirenena teo imason’ izao tontolo izao ny Filoha Rajoelina. Fankatoavana amin’ ny maha - Filoham - panjakana sady amin’ ny maha - Mpitondra ny tetezamita azy. Gina avokoa ireo mpanaratsy sy ireo mpamingavinga hatramin’ izay. Na inona fomba fiteny na inona filaza dia tsy nahomby ireo fahavalom - pirenena, satria mibaribary eo anatrehan’ izao tontolo izao ankehitriny, fa ara - drariny ny tolona nisy teto Madagasikara. Tsy ilaina intsony izany fihaonana an - tampony eo amin’ izy telo lahy efa nitondra ( Zafy Albert, Ratsiraka Didier, Ravalomanana Marc ) sy ny Filoha Rajoelina izany mba hamahana ny krizy. Iny tany New York iny no tena Fankatoavana faratampony indrindra taorian’ ny fahavitan - tsonia ny tondrozotra. Nisy mihitsy fombafomba natao tamin’ izany, napetraka tamin’ ny seza mendrika izany Filoham - panjakana izany. Na ireo Filohampirenena manao fitondrana tsy refesi - mandidy aty Afrika naman - dRavalomanana Marc aza menatra tsy sahy nivoaka ny trano fivoriana tahaka ny efa niseho tany aloha. Dingana iray mankany amin’ ny fandresen’ ny tolona iny nahazoan - dRajoelina Fankatoavana amin’ ny maha - Filoham - panjakana azy iny. Izy mantsy no tena tandindona velona amin’ ny fanovana izay nitolomana sy niainana ny krizy politika nandritra ny telo taona. Antso no atao ho an’ ireo Filoha teo aloha, « tsy aleo ve ny andro kely sisa iainanareo mba hatokana amin’ ny fitiavan - tanindrazana amin’ izay ? ».
novalian'i xhavier ny 03/10/2011 14:20
2. siga_soa ( 27/09/2011 08:00)

ronaldo09:

Koa dia asehoy @ asa sy ny fahamarinana ary ny zavatra atao. Ary ialao ny fomba ratsin'ireo nitondra teo aloha. Mahaiza maka lesona raha tena tia tandindrazana sy tena tia hampandroso toka ity firenena ity. Aleveno mandifotr'olona ny fankahalana. Atomboy aminao ronaldo09 aloha izany ary mahaiza mamela heloka. Aza manao otri-po, ary aza mijery ny hafa. Dia mahereza hatrany e! Mbola ho lava ny lalana aleha
3. ronaldo09 ( 27/09/2011 12:30)
Resy lahatra ampin'ny teny feno fahendrenao e!!!Marina aloha fa tsy mety ny nataon-dravalo e!!!Ka aleo tsy mamaly faty mihitsy nefa na izany aza dia tokony hizaka ny nataony ny mpamono olona!!! hisy ny amnistie fa selective fa tsy faobe!!!
4. locl ( 27/09/2011 14:58)
ronaldo : sao dia lazain'ingahy ho tena tsy naharaka ny zava-nisy tany aza izahay e! Marina fa niteny izy fa ny statut'ny tany tsy nisy sahy nilaza ny marina. hihihih

Ravalo a Ravalo. jereo ireto mpangalatra iray governemanta aloha e
5. reeves ( 28/09/2011 08:14)
Ary adinonao koa angaha fa tsy noraisin'Ingahy Barosso avy ao @ UE anie io olona lazainao io e ! Mandalo dingana maro ny fankatoavana ka isan'izany ny fanarahana ny Tondrozotra @ antsakany sy andavany fa tsy tonga dia hitonatonana toy ny vinantokely tsy mahare fosa any @ Union Eropeanina akory .
6. ronaldo09 ( 28/09/2011 09:58)
Fotoana nifandiso iny ry papa a!!! Fa i barosso ve no ambony sa i ban ki moon e!!!
7. siga_soa ( 28/09/2011 11:50)

ronaldo09:

Fotoana nifandiso iny ry papa a!!! Fa i barosso ve no ambony sa i ban ki moon e!!!

Raha mbola malagasy mahatsiaro fa mafy ny zavatra mihatra @ izao fotoana izao dia samy miandradra ny hivahan'ny krizy. Kanefa ireo olona eo @ fitondrana dia toa tsy dia miraika firy @ izany. Ary ny tena olona dia ny tsy hanatanterahany antsakany sy andavany ny voalaza ao anaty tondrozotra. Ary ny tena mahavariana anie dia izao e! T@ voalohany vao tonga teo ry zareo ireo nilaza fa tsy mila ny fanakatoavan'ny any ivelany fa vitany hono, tsy mila ny fanampiana any ivelany. Kanefa amin'izao fotoana izao toa maika dia maika ery indray hitady fanampiana sy mitady ny fanakatoavan'ny anay ivelany. Anatra e! aza be vava @ tsy misy dikany ary avadio im-pito aloha ny lela vao miteny fa aza entin'ny fo sendaotra @ tsy fitiavana ny mpitondra teo aloha. Tokony ho tadidionareo reo fa mbola ho tratra toy ny teo aloha inareo raha tsy mitandrina sy manova toetra. Ary aza maika ny hanilikilika fa sao iny alikilika iny no mety hanavotra anao. Lalao mbola ela e! ary isika mianakavy ihany no eto ka tsy aleo ve mifandefitra sy manary ny ambom-po dia milamina sy mandroso isika e?
8. mirananirina ( 28/09/2011 11:51)
Tsy maintsy manaiky azy ny firenena mikambana satria any aminy ny lakilé i Mada,izy no mitondra ny baolina,fa aza malaky mifaly aloha fa ny baolina mbola miodikodina!!ary ahatonga azy ireo hanara-maso akaiky an i Mada izay voalaza fa farak'izay mahantra!!
Fahavalom-pirenena ireo nitondra taloha hoy ianao!!!de mihomana fa fahavalom-pirenena koa ny HAT refa tsy eo aminy intsony ny fitondrana!!!hita fa ratsy ny nataondravalo,hita anefa fa ny nataony ihany no miverina
9. siga_soa ( 28/09/2011 12:21)

mirananirina:

Ka izay anie ry mirananirina no nilazako hoe tsy mahay maka lesona mihitsy izay mandimby e! Raha mbola tsy tonga eo dia mahay milaza sy mahay manakina fa rehefa tonga eo dia ny nataon'ny teo aloha ihany no haverina, ka aiza mo no handroso isika e!
10. xhavier ( 03/10/2011 14:20)
tena tsy maharaka mintsy ianao zany ry ronaldo, toy zao no fandehany tany: ny filiha Andry no nasaina niteny farny tao satria mbola betsaka ireo tsy mankasitraka azy ao ka de natahotra i ban ki moon sao miverina indray lay zavatra nitranga teo aloha ka zay mikabary farny manko tsy dia misy mihaino loatra fa efa lasa mody daholo ny olona ary ny fandraisana fitenenana tsy midika fa mankatoa anao ny CI mba jereo ny mahazo ny Palestinianina sy ny Saharawi tamin'ny fotoan'androny mahazo miteny ianao fa tsy misy mihaino, efa dingana iray kosa anefa izay fa tsy mankaiza miandry ny tohiny ry zareo ary i Andry tsy maintsy mandainga amintsika satria isika tsy tany mba ataovy ny enquète nareo hoe iza no firenena niteny teo alohan'ny filoha n-tsika de ho gina ianao, ary aoka ho fantatrao ry ronaldo fa 50% ny vola ampiasana na ny fanampiana tonga eto de avy any amin'ny UE daholo e!ary tsy voatery hanaraka zay lazain'ny NU anie ny UE fa ny NU aza no miandry zay tenin'ireny UA na UE ireny ary UA sy ny UE de miandry zay lazain'ny SADEC efa ela izy no nakato raha tsy miandry an'izay izy maba mahaiza manaraka vaovao re.Ampiaro à la letttre ny feuille de route ary aza hadika vilana fa mamita-bahoaka toy ny nataon'ny teo aloha ihany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2324