Inona no ataoko hanadinoina azy?

1. Doremimi ( 25/09/2011 18:49)
Miarahaba antsika,
Inona no ataoko hanadinoina azy?
Fony mbola 9 taona aho dia efa nitempo tamin'i N... ny foko ary mandrak'ankehitriny zany. Efa 19taona ah zao ary izy kosa 22taona. Nandritra zay fotoana rhtr zay, zany hoe 10taona lasa, dia niaraka2 teny foana zay. Azo lazaina ho mbl fitiavan-jaza zany t@ voalohany. Miaraka kely dia misaraka dia toy izay hatrany2. Ilay antony hisarahana tsy dia hoe inona fa samy repotra @ fianarany avy dia tsy dia mifankahita firy. Ngamba 3volana isan-taona eo eo no amintinako ny tena fiarahanay nandritra ny 10taona. Noho izay elanelana be lotr zay dia niteraka olana bdb. niaraka taman oln aho (sipasipa tsy mbl nisy firaisana aranofo) ary izy koa.
Ny tena tsikaritro zany ankehitriny dia "nampirafesiko taminy dhl ireo izay niaraka2 tamiko" ary "zay rhtr niaraka taminy dia nampirafesiny tamiko"... Midika inona zay?? :(Samy nahatsapa zay taty aorina fa tsy mety ilay fiarahana dia nanapakvtr ny tsy hifandray tsony ary niafara tam ady mits (naharitra roa taona latsaka teo).
Roa taona... lava izany! Tao anatin'izay no nahafantarako an'i M... izay nahay naka ny foko tokoa. Tsy aiko ho lazaina fa tena mavesadanja ny fitiavako azy. Fantatry ny fianakaviana rhtr ny fiarahanay na ny aty na ny avy aminy. 14taona aho no niaraka zay. Tsy anenenako ny nahafantarako azy satria tiako izy ary izy koa tia ahy. Ny tena neniko anefa dia ny namitahako azy indray koa t@ i N... tsy intsony hoe nenina ve sa sitrapo sa inona.. TENA VERY AHO!!
Ankehitriny 5taona no nifamenon'ny fonay sy M... ary 10taona koa nefa no nitempon'ny foko ho an'i N... Tiako ho adinoina ity farany anefa toa tsy vitako mits. Inona no hatao? samy tiako ary samy tsy foiko saingy anjara tokana ihany ka matoa tsy nilamina hatramin'izay ny anay sy N... dia mety tsy anjaranay ny hiaraka. Diso heritreritra ve aho? Raha tsia, inona no ataoko hanadinoina azy?
novalian'i soanja ny 30/09/2011 18:12
2. pakopako ( 27/09/2011 19:34)
Miarahaba ny mpanoratra, raha ny fazahoako ny tantaranao dia na namboarina mba hirindra fotsiny ilay tantara na enao mintsy no mbola kely d tia raha be mihintsy, ilay nitempo t@ mbola 9taona ny tena nahagaga ahy, anefa na izany aza d fomban-javatrea iany zany ka mahereza hatrany raha mbola tsy vadininao izy roa ireo dia ampirafeso izy 2 d zay mahatanty no tena tia anao d iny no tazomy mazoto
3. soanja ( 30/09/2011 18:12)
Ka izay ilay mahagaga ny lehilahy anie tsy voatery atao hoe sipa foana fa minamana dia mety hahafeno izany rehera lazainao izany. Indrindra raha tsy misy ny RS sy ny kiorokoroaka sns sns... ny fahitako azy dia ninamana tamin'ireo ianao fa tsy nisipa. Saingy mety tsy azon'ankizy amin'izao fotoana ny hoe minamana. Raha misy ankizy mahafinaritra anao dia azonao alaina namana izy. Tsy voatery hoe sipaina dia hoe ampirafesiana sns sns... esory ao an-tsaina io hevitra fampirafisana sns io fa tsy mahatsara.

Tsy mamaly ny hafatrao aho teo. Ny tiako ambara dia iza no tianao dia izay iarahana ary vadiana raha tanteraka izany. Ny ambiny dia antsoy hoe namana fa tsy sipa. Mila mifankafantatra ireo lehilahy ireo ary mila mifandray toy ny mpinamana, raha tsy mety dia tsy manahy koa. Saingy aza avezivezy ny vatanao (sex)raha tsy mbola hainao ny mandamina ny ao anatinao, tsy mahasoa mantsy izany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1688