FINOANA

1. ELTORIN ( 23/09/2011 07:38)
Nahitam-bokany sy azo tsapain-tanana ny fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana nisy teo amin’ireo zandary mpanao famotorana sy ny fokonolona ary ny ben’ny tanàna ao Belalanda distrika Toliara II tamin’ny fanomezam-baovao mikasika ny famonoana teratany frantsay ny 25 avrily 2011 lasa teo. Voasambotry ny zandary omaly ny jiolahy miisa telo tompon’antoka tamin’ny famonoana ilay teratany frantsay
Raha tsiahivina ny tantara dia jiolahy miisa 03 nitondra basim-borona no nanafika ireo teratany frantsay tao Antsarako, fokontany, kaominina Belalanda, raha hiazo ho any Ifaty tamin’ny moto quad izay nentiny izy ireo. Naratra vokatry ny tifitra natao azy izy ka naiditra hopitaly tao amin’ny Clinique Toliara taorian’ny fahavoazany. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo zandary tao an-toerana tamin’ny fikaroham-baovao rehetra ahitana ny marina sy ny momba ireo jiolahy nanafika izay nifarimbonana niaraka tamin’ingahy ben’ny tanàna Belalanda-Toliary II. Fantatra àry fa ireo jiolahy ireo dia efa raindahiny tokoa ary manana laza ratsy amin’ny sakan-dalana ao Sakabera. Nisy ny vela-pandrika nataon’ireo zandary ka tratra sy voasambotra ny roa tamin’ireo jiolahy omaly ka ireto farany indray no nanonona ny namany fahatelo. Tratra tao an-tokantranon’ny iray tamin’izy ireo ny entana maro izay norobaina toa ny lamba sy fitafiana isan-karazany, trousse, carte de visite frantsay maro izay voamarina fa an’ilay vazaha voatafika, basim-borona iray miaraka amin’ny bala calibre 12 roa, bala AKM iray, mohara.
Ny zandarimariam-pirenena dia nisaotra sy manentana hatrany ireo tsara sitrapo amin’ny fanomezam-baovao entina hamongorana ny mpanao ratsy. Ny nanao ny famotorana moa dia ireo zandary izay tarihin’ny lietnà-kolonely RABE Jules, kaomandin’ ny vondron-tobim-pileovana (groupement) Atsimo Andrefana hatolotra any amin’ny fampanoavana moa ny raharaha eltorin
novalian'i made21 ny 17/11/2011 15:19
2. soanja ( 30/09/2011 18:16)
Misaotra anao nitondra vaovao teto. Tsara ny ezaka misy any amin'ny faritra fa tohizo izany!
3. made21 ( 17/11/2011 15:19)
tsara zany mba misy fiovana koa any amininy faritra misy anay iny eee!misaotra any rehetreee izay nandray andraikitra! fa tena mpampatahotra mihintsy rehefa tonga a TOLIARA tena...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1733