ETO KOSA NY INVITE DU ZOMA DU 16 09 11 MAURICE BERANTO(ankolafy ZAFY) SY VAOVAO 16/09/11

1. rijadolly ( 17/09/2011 06:23)
3. rijadolly ( 17/09/2011 19:02)
Vita izay ny dingana voalohana na dia mbola tsy nandray anjara ny fanaovana sonia aza ny ankolafy Ratsiraka.

Lalana makany amin' FIRAISANKINA tokoa izany raha ny hevitro satria samy niaiky ny rehetra fa izay no lalana ahatafavoaka antsika, ary indrindraindrindra ny isian' filaminan' ho avy ny Madagasikara eo amin'ny lafiny ara-politika. Izany fanaovantsonia izany ddia midika sahady fa nisy ny fifandraisan-tanan'ny mpanao politika.

Eo amin'fiverenan-dRavalomanana an-Tanindrazana raha ny hevitro manoka, dia anisany tena porofo iray lehibe amin' fifamelana tanteraka samy Malagasy izay mihevitra ny ho avin'Madagasikara satria mitarika filaminana tanteraka ny fanafoanana ny valifaty ho an'fitondrana mifandimby sy ny alako bika tsy tiako tarehy. Tsy ekeko araka izany ny hevitry ny sasany fa mahatonga korotana ny fiverenany, satria anisany efa fifandraisan-tanana sahady hoy aho ireny niseho omaly teny Ivato ireny. Hendry ny Malagasy.

Eo amin'ny firosoana ny rafitra apetraka amin'tetezamita tena izy indray, dia, inoako fa samy mba hanantateraka ilay tondro zotra an-tsakany sy an-davany amin'izay ny rehetra, eny fa na dia eo amin'olona tokony apetraky ny ankolafy tsirairay aza.

Dia mirary soa hoan'ireo rehetra izay voakasiky ny tetezamita vaovao izany mba hanamafy orina tsara ny Repoblika VI, raha izay, sy ny tsy isian'ireny teo aloha ireny intsony ka ahatonga ny krisy ho mafimafy kokoa hatrany.

4. rijadolly ( 17/09/2011 19:17)
6. rijadolly ( 18/09/2011 06:18)
7. mirananirina ( 19/09/2011 07:15)
Merci Rijadolly!!ho hita eo ny tohiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2812