i Kaleta mpilelaka ny fransafrika

21. anselmino ( 29/08/2011 19:51)

diloo:

Dia tadiavanao hihira ny "les enfants de la patrie" izany fa mendrika i lafrantsa hibaiko sy hitondra an'i Gasikara miaraka amin'ilay kaleta kalitalahy iny. Maninona moa i rafito vazaha tsy mitsotra fa tokony averina ho departementa vazaha i Gasikara. Anaiky an'izany ve ny patriotes 20 millions malagasy?
Izany no antony nolaizaiko hoe: voaozina ireo maty ho an'ny Tanindrazana t@'ny 29 mars 1947, ho fanafahana ny ziogan'ny lafrantsa. Raha te hilelaka an'i lafrantsa ianao, tehirizo ho anao izany. Fa ny malagasy 20 millions, dia miaro ny taniny sy ny souveraineté-ny. Satria Masina Ny Tanindrazana.Ntsss.
atao ahoana fa misy dia misy ny tia misolelaka io frantsay io na dia efa hita zao aza fa mandetika ny tanindrazany e
22. sitlo ( 29/08/2011 21:19)
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Divers/M_ROLL%7E1.GIF[/IMG]
23. afito ( 30/08/2011 08:09)

anselmino:

ia! tsara ary tena tiako le valiteny ,ny fandraisanareo ny hevitro no tsy haiko hoe za ve no tsy mahay milaza sa................aleo tsy ho teneniko mba tsy ambaniako ny hevitri'ny hafa ,manaiky an'ilay olona miteny hoe "ataovy amin'ny teny gasy ny adi-hevitra" satria ato antin'ny efitrano serasera isika izao fa tsy any anaty "salle de conférence" tsy te-hiteny an'io teny vahiny io aho fa voatery azafady mba ahafahako mampita azy tsara .Raha resaka politika indray de efa misy zavatra maromaro no noteneniko fa tiako ny mihaino ny hevitrin'ny olona amin'ny politika fa i rafito tsy miditra amin'izany satria na iza na iza nandalo teo dia tsy maintsy namoaka ny hatsembohany i rafito vao nahita iray kapoaka narotsaka am-bilany.Ampitoviako amin'ny Sekta (sekta sasany koa io fa tsy izy rehetra an, fa tsy tiako koa ny manonona an'azy eto mba tsy hanambaniana ny safidin'ny sasany) io politika io! zany hoe manompo an'i pasitera fa tsy Jehovah Andriamanitra ,midika izany amiko fa raha hiady hevitra amin'i Rakoto mpanao politika na i Rabe mpanao politika dia mametraka ny firenena ho ambanin-javatra noho ireo tsangan'olona ireo, izaho koa anie mba afaka mampandroso ny fireneko tsy mila mpanao politika e.Raha manapatra ny fahefany amin'ny alalan'ny soratra ohatra ny mpanao politika dia mba miezaka aho mampandroso ny fireneko amin'ny alalan'ny tarehimarika.Fa ny antony tsy ahavitana an'izany hevitra izany aloha hatreto dia mbola vitsy dia vitsy no hanaiky an'izany (tonga amin'ilay fitenenana hoe izay be no basy).Farany tsy mankahala vahiny aho fa raha gasy samy gasy no miresaka dia aleo miteny gasy raha azo atao.Izany akory tsy manambany ny vahiny fa samy olombelona ireo,ny solosaina ifanoratantsika aza tsy vita eto fa any aminy koa nahoana aho no hankahala azy
diloo:

Dia tadiavanao hihira ny "les enfants de la patrie" izany fa mendrika i lafrantsa hibaiko sy hitondra an'i Gasikara miaraka amin'ilay kaleta kalitalahy iny. Maninona moa i rafito vazaha tsy mitsotra fa tokony averina ho departementa vazaha i Gasikara. Anaiky an'izany ve ny patriotes 20 millions malagasy?
Izany no antony nolaizaiko hoe: voaozina ireo maty ho an'ny Tanindrazana t@'ny 29 mars 1947, ho fanafahana ny ziogan'ny lafrantsa. Raha te hilelaka an'i lafrantsa ianao, tehirizo ho anao izany. Fa ny malagasy 20 millions, dia miaro ny taniny sy ny souveraineté-ny. Satria Masina Ny Tanindrazana.Ntsss.
atao ahoana fa misy dia misy ny tia misolelaka io frantsay io na dia efa hita zao aza fa mandetika ny tanindrazany e
24. milamm ( 31/08/2011 11:28)
miala tsiny re olona fa zao kosa e, isika rehetra tsy natao itovy hevitra ary samy hafa fijery sy manana toetra mampiavaka antsika. Tsy miseho ho hendry akory fa vao tsy ela aho zao no nahita raha nifanotsana t@ namana 1 zay tsapako fa tsy manana fonjankevitra tohanana mintsiny fa filana ady ranofotsiny no manavanana azy, novaliako sy nasaiko hihaona manokana teto izy nefa tsy hitondra vokany ho ahy na ho azy velively zany satria tendrompo kely nandalo tamiko zany. Ny azoko sintomina t@ io de tsotra avela ipetraka foana izay fahasamihafana izay fa harena tsy mahavery loso na mahafantiantoka. Fanehoankevitra malalaka itony sehatra itony fa tsy fibodoana hevitra samirery na teny mifangaro na teny vahiny dia tsy midika akory fa manao tsinotsinona fa samy manana ny nahazatra azy ... zay manantsofina ony aoka hihaino
25. anselmino ( 02/09/2011 19:46)

manampi67:

Je n'ai pas dit que vous devrez travailler votre cerveau !!!! mais on parle de la situation que parfois gouvernement ou pas gouvernement = un pays est stable.
forum.serasera.org dia takelaka malagasy rano iray natao ho an'ny namana mahazo ny teny malagasy mba hahafahany miady hevitra. Tsara raha vakianao tsara aloha ireto fitsipika fohy ireto alohan'ny hidiranao ho namana.

io aloha d fitsipika hitako tato,

http://forum.serasera.org/fitsipika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0975