TARANJA MORALE

1. NDINDY ( 23/08/2011 14:53)
TENA TSY MISY HEVITRA INTSONY VE NY FAMERENANA INDRAY NY TARANJA " MORAL " AO ANATIN' NY PROGRAMME NY FAMPIANARANA MBA HANABEAZANA NY ZAZA MALAGASY ? SA EFA LANY ANDRO IZANY ?
novalian'i jesuisla ny 22/01/2012 04:35
2. soanja ( 23/08/2011 19:16)

NDINDY:

TENA TSY MISY HEVITRA INTSONY VE NY FAMERENANA INDRAY NY TARANJA " MORAL " AO ANATIN' NY PROGRAMME NY FAMPIANARANA MBA HANABEAZANA NY ZAZA MALAGASY ? SA EFA LANY ANDRO IZANY ?


Raha nisy dia tokony tohizana foana ka. Raha za dia tsy " moral" no atao fa ny -" civisme et citoyennete-" angamba. Dia amin'izay ilay zaza tsy mihevitra fa zavatra tsy maintsy le izy fa firoboroboana ho azy sy ny tanindrazany.

Raha tsy mampianatra any ampianarana dia ianao ray aman-dreny kosa tsy tokony hitsahatra hanoro azy ny tokony ataony sy ho fanabeazana azy fa tsy ho ampy velively ny any ampianarana. Mila miaina ny zavatra ianarany ny zaza.

Io civisme sy citoyennete io dia miatomboka foana amin'ny fahaiza-miaina ara-panahy! izay grace and curtesy no farany fototra indrindra!
3. hery ( 23/08/2011 21:55)
Toa tsy nisy taranja morale tany am-pianarana fa instructions civiques no nisy.
Ny olana fotsiny dia lasa fanasana atidoha politika ilay izy fa tsy fampianarana ny maha olona intsony.

Mino aho fa amin'izao fotoana izao, any amin'ny sekolim-pinoana (katolika na protesta) dia mbola misy ireo fampianarana ireo na dia amin'ny endriny hafa aza no isehoany.
4. sitlo ( 24/08/2011 22:59)
Nisy taranja fiarahamonina taloha ka. Tadidiko tsara tam T2 ilay hoe tsy azo ny mandaka rindrina. Tsy azo atao ny mandrora sns.

Fa ahy ity karazana hors sujet kely. Hitako hoe tokony hamafisina kely ny Algebre ao am serie C. Dia ilay identite de Bezou sy tariny ireny tokony 1ere annee ao amin'ny M vao manao azy. Tsy izany mantsy fa ireny ny math ihany no mila azy, fa ny algebre na ny gestion sy eco aza mampiasa azy.
5. sitlo ( 24/08/2011 22:59)
Nisy taranja fiarahamonina taloha ka. Tadidiko tsara tam T2 ilay hoe tsy azo ny mandaka rindrina. Tsy azo atao ny mandrora sns.

Fa ahy ity karazana hors sujet kely. Hitako hoe tokony hamafisina kely ny Algebre ao am serie C. Dia ilay identite de Bezou sy tariny ireny tokony 1ere annee ao amin'ny M vao manao azy. Tsy izany mantsy fa ireny ny math ihany no mila azy, fa ny algebre na ny gestion sy eco aza mampiasa azy.
6. vonynive ( 26/08/2011 06:00)

Toa tsy nisy taranja morale tany am-pianarana fa instructions civiques no nisy.
Ny olana fotsiny dia lasa fanasana atidoha politika ilay izy fa tsy fampianarana ny maha olona intsony.

io angamba ry Hery dia miankina @ toe-tsain'ilay mpanabe, adala-na politika angamba izy dia ampidiriny eo ny resaka poliitika, raha artista izy dia ampidiriny eo ny hira, raha mpahay toe-karena na mpandraharaha izy dia asesiny eo izany, raha mpitarika ara-panahy izy dia ny fivavahana no resahiny lava sns e...

Education civique no fiantso azy ankehitriny, "fitaizana ho olom-pirenena vanona" ary tsy tokony hivaona @ izany.
fa ny olana dia mampianatra am-bava éducation civique ny olona fa tsy @ fitondrantena !
7. sipagasy ( 28/08/2011 18:36)
angamba arakaraky ny sekoly koa io e!
8. mirananirina ( 02/09/2011 06:58)
ohatra ny tsy nahita na naheno izany aho tany ampianarana taloha!!fa raha misy tokoa io taranja morale io ve tsy hiteny ny ankizy hoe"aza be morale eo"!any @ sekoly miankina @ fiangonana ireny no manome fitaizana maro2 indrai2,fa ny sekoy hafa toa ty mivakloha @ izany.
9. hery ( 09/09/2011 15:32)
Ary i NDINDY tsy namaly intsony an
10. kooool4 ( 27/11/2011 07:24)
Arakaraky ny sekoly io... ary tsy voatery atao taranja any am-pianarana io satria tena fanabeazana feno nefa ny mpampianatra rehetra tsy voatery ho mpanabe... Lycée miankina amin'ny fanjakana any ambanivohitra izay izao hitako anisan'ny mametraka tsara io resaka fanabeazana io fa tsy mijanona fotsiny amin'ny fampianarana ary ny ankamaroan'ny mpampianatra dia mipetraka ho mpanabe sy mitaiza ny ankizy ho olom-banona mameno izay tsy fenon'ny ray aman-dreny sy tsy voatery ho fantany, fa raha ny lycée ao Antananarivo ohatry ny tsy dia mipetraka loatra izay fa fitsipi-pifehezana sy sazy fotsiny dia izay, fa mety hoe mapiova zavatra koa angamba ny isan'ny mpianatra amin'ny fitaizana azy ireo (~350 ny amin'io lycée teneniko io Vs ~2000 na 3000 amin'ny lycée ao Antananarivo). Raha ajanona ho taranja fotsiny io mantsy dia maro ihany foana ny ankizy tsy hivaky loha ohatra ny amin'ny taranja rehetra ihany dia tsy ho tafita ny tiana hampitaina fa angamba amin'ny endrika fitaizana no metimety kokoa sy mety hahomby kokoa, amin'izay lasa fomba fiaina mahazatra ny ankizy...
11. jesuisla ( 22/01/2012 04:35)
any ampiasana, eny andalambe, sy eny rehetra eny no tokony hisy fahaiza-manaja ny hafa.
manopa, miteny mamoafady ao ampiasana, mamo mande bus k raha madoa @ ankanjon' lay sipa kely iny d ahoana.inona no ataon' receveur? fandomana sy tsy fanajana ny hafa eny andalambe, sns

ny lehibe natao hampihatra ho fitaratra. nisy fanazavana teto @ serasera nataoko f tsy hitako. reo olona ambony k malaz d tokony handeha bus tsindraindray hiteny na haneho hevitra, sy hanoro mba ho fakatahaka sy ho fianaran' maro. manamora sy manamaivana ny asan police zany.

raha mianatra, nefa tsy misy fampiharana eny @ arab d aleo hijanona. iza moa no tsy mahalala f ts tokony atao ny mitabataba sy mivazavaza, fa tokony hisy ny fampiharana

nisy trano hazo maromaro may t@ 7 hariva.mba tong teo ny maire fa nijery fotsiny. Nanome baiko haka rano sy seau fa tsy nisy nandeha. raha nitondra seau ny maire, ka naka rano d tsy ilaina ny miteny fa tonga d manao daholo ny rehetra. AMEN
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3606