ireo akama mpanao spektakla gratos eny rehetra eny

1. ravatorano ( 03/08/2011 15:41)
Mahavariana tokoa ny mahita olona mro mitangorona hatreny analakely,andravoahangy anosy ary ampefiloha eny.Inona ary izao hoy ianao?Jerena ka hay tovolahy mampiseho talenta arak'izay mba tratry ny heriny sy ny sainy no tazanao.Ao ny "jongleur" miaraka amin'ny famoahana afo amin'ny vava sns,ao ny mapiasa kitapop kely hamohahana bibilava moa va tsy cirque kely ireny.FRa ny tiako sintomana ny sainareo dia ity ny hevitry ny olona mijery ao : ao ny avy dia miteny fa mitazona ody ireo olona ireo !?!?! ao ny milaza fa mampiesona fotsziny mila vola amin'ny hafetsena ?!?! ao indray ny avy dia mahita hoe tsara sy mahafinaritra sady tsy mahita fialamboly gratos ohatran izao.
E indrindra isika izao niseho mantsy teo anoloan'ny Hopitaly HJRA Ampefiloha ny toy izao rehefa nanao ny fampisehoany ilay tovolahy dia nadeha nitaty vola izay foin ireo mpijery amin izato satroka menamena.....niodina ka niodina fa tsy nisy na dia iray aza nandrotsaka na dia izaho aza tsy nanao koa.....d nanohy ihany ny fampisehoany ranamana ary dia niova indray ny fandehany tsy naveriny tsony ny teo aloha fa nanao fampisehoana hafa indray izy ary dia vita iny dia nitaty vola fa toy ny teo aloha ihany....kivy lery sady niteny hoe mbola tsis ohatran ity fa aleo dia ho ravaina mihitsy ho izy.Ny olona mijery nefa dia tomefy fa raha vao miainga ilay tati rakitra dia samy mihodina avokoa.Tsy nisy nahafohy na dia iray aza e ! nefa mendrika ho tohanana mihitsy zalahy ireny ! sady tsy manao ody izany fa mba mampiasa fahakingan tsaina sy tanana ary koa vatana ary tena miketrika lmihitsy saingy lasa ....gratos leizy nony farany tsy araky ny niheverany azy !
novalian'i pulm ny 02/09/2011 08:49
2. pulm ( 02/09/2011 08:49)
raha any ivelany anefa ireny dia mino aho fa alain'ny fanjakana ireny hofanina mba hapisongadina ny fireneny, fa ny eto amintsika tsy dia misy miraharaha, angamba tsy mapidi-bola ho an'zareo e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2242