Politika no resahina eto @n'ity sehatra ity, feo re isan'andro ny hoe mijaly ny malagasy, marina ary tena marina. Iza no nahatonga izao fijaliana sy fahorina izao.

1. gasyihany ( 18/07/2011 11:13)
Tsy hoe rehefa miteny ny tsy mety ataon'i andry rajoelina dia diso ny tena, tsia, aleo habaribary tsara, ary aoka hahatsiaro tena ny malagasy fa nisy olona tsy vanon-toetra eto amin'ity firenena malalan-tsika ity izay sahy nanompa sy nanosihosy ny malagasy ka nanitsakitsaka an-tampon-doha mihitsy, tsy iza izany fa i andry rajoelina sy ireo atao hoe tafika mpikarama an'ady frantsay ireo, ka namerina indray ny fanandevozana eto madagasikara. Dradradraina foana ny hoe krizy, fa angaha misy ny krizy, tsy izany foana moa no efa nolaizain'ireo mpandroba fahefam-bahoaka ireo izay tarihin'i andry rajoelina, ka iza no nahatonga ny krizy ? Izany fanontaniana izany no diniho tsara dia mazava be ny valiny, sy ny famahana azy, fa hatramin'izao dia mbola fandrebirebena sy famafazana lainga eran-tany no afahana ny malagasy, ary dia ampitahorina amin'ny vava-basy isan'andro lava izao. Koa dia samia mandinika fa efa mipetraka eo amin'ny hatoka izao ny ziogan'ny frantsay izay i andry rajoelina no governoram-bazaha misolotena an'i gallieni.
novalian'i papala ny 20/07/2011 13:07
2. ziva6 ( 19/07/2011 15:44)
za vao hoe hanongam-panjakana rajoelina sy ny tariny d efa kivy tanteraka ny tena satria tsy no heritreretin'izy reo akory ny tena ho vokany fa d alaelo toerana sy fankahalana olona no tena nibahana tao an-tsainy ka natao ny fomba ratsy rehetra nanesorana ny filoha teo, za tsy hoe 100% ra8 nisy ny nety nataony nisy koa ny tsy nety, nefa raha ny tsy nety nataony tsy tokony nanalana azy teo @ toerany fa mba niandry fifidianana, izy @ filoham-pirenena eto @ zao tontolo zao moa no tena nanao ny mety rehetra ataoko fa tsy d misy angamba, na ireo firenana mandroso aza mbola misy foana ny fanankihanana ataony olona ao aminy, ny firenana mahantra d hita fa tsy ny fampandrosoana firenena no tena katrahany mpanao politika fa voninahitra sy vola, fireharehana, fieboebona ka tsy misy afa tsy ny fanonganam-panjakana no lalana mba hitan'izy reo hatongavana @ zany, ka d zao é na ho ela na ho aingana tsy maintsy hisy ny fifidianana ka d omena lesona goavana ny mpanongam-panjakana d ny famerenana ny filoha teo aloha, averiko fa tsy 100% ra8 za fa zay no famaizana tsara ho any mpanongam-panjakana!
3. ziva6 ( 19/07/2011 15:56)
Amin'izao moa d miketrika mafy mihitsy ry rajoelina sy ny tariny @ fanakanana sy ny tsy hirotsahany ingahy ra8, tsy olana raha vitany zany fa rehefa tsy mifidy any reo olona ireo fotsiny d efa tsara, aleo mifidy olona hafa toy zay ireo efa hita fa tsy hanino tsy haninona reo.
4. perfectly ( 20/07/2011 10:40)
ZERO daholo ny note-nareo niteny teo aloha teo,milaza fa ts momba an ra8 nefa 100%,
ny voahongana: mora ny nanongana azy, ts nahatana ny sezany,
ny mpanongana ts mahavita azy, ts mahatafavôka bôl
ireo 2 ireo d samy seza,vola,voninahitra..... no katsahiny ka asakasatsika mandinika no mitsakotsako
5. papala ( 20/07/2011 13:07)
DE iza ary zany no rangory fototry ny afo? fa tsy ireo MIARAMILA? ireo no karamain'i domelina hanao herim-pamoretana ary tena tsy vanona mihintsy satria tsy misy asa ataonireo mihintsy nefa handaniana volam-panjaka tsy toko tsy forohina?

tsy hoe momba andRa8 za fa tena nanana ny fahaleovan-tenanay reo miaramila reo t@ androny matoa izy voaongana, fa amin'izao fotoana izao de tsinontsinona vita @ vahoaka fa de ny miaramila no vokisana asondrotra grady nefany tsy hita ze natao.

ho fehina de tokony tsy hidonanam-poana ny Malagasy fa tena tokony ho toherina reo miaramila reo, fa le Malagasy koa anie de midonanam-poana tsy hitako hoe maninona e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8871