IRAY IHANY

1. YDIFAS ( 14/07/2011 21:49)
Atolotra ny arahaba ary isaorana Andriamanitra nanome antsika izao fotoana izao. Ny fahasoavany anie hamonto antsika sy izay rehetra ataontsika.

Ambeti-teny sy averimberina matetika ny hoe tsy ny anaram-piangonana no mahavonjy. Manambara zavatra betsaka sy lehibe izany. Anampiantsika malagasy izany dia hoy isika "izay mitambatra vato, izay misaraka fasika";
Mahita nefa isika fa toa samy maka ho azy ny fiangonana mijoro, samy milaza fa tena manana ny fahamarinana. Raha sarihana avy amin'io tenintsika malagasy io dia toa "fasika" no fijery ny fiangonana (na eto amintsika izany na maneran-tany).

Isika olombelona dia nantsoina ho tenan'i Kristy: "Ary hianareo no tenan'i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy" 1 Korintiana 12/27
Manana drafitra matipaika momba izany tenany izany i Kristy amin'izao vanim-potoana iainantsika izao.
Raha raisina amin'ny ara-batana fotsiny, ny momba ny tenan'olombelona dia tsy maintsy miara-mitombo avokoa (miara-mitombo ny vatana sy rantsam-batana sns...). Raha tsy izany dia sampona ilay olona.
Anio dia miantso antsika hiara-mitombo i Jesosy.
Araka ny voalaza tetsy ambony anefa no dinihina dia toa sarotra izany (tena "impossible" mihitsy aza). Sarotra ny hampivondrona antokom-pivavahana roa na maromaro noho ny foto-dalàna mifehy azy avy.

Fanantenana lehibe no ambarako anao anio fa tsy maintsy ho iray ny fiangonana. Tokana no iraisantsika rehetra (tsy miteny aho hoe "marimaritra iraisana" an!) dia Andriamanitra ary "Làlana Tokana" no ahafahantsika mankany Aminy dia Jesosy izany.
Rehefa manaiky ireo fahamarinana ireo isika dia efa miray sahady.
Nivavaka i Jesosy: "Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny; mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy." Jaona 17/21
Fotoana izao, ry havana malala, angatahantsika izany fampiraisana izany. Nataon'i Jesosy ho an'ny mpianany sy ho antsika izay mino Azy io vavaka io. Koa nahoana no tsy hahatanteraka azy?
Fantaro fa mbola zaza isika raha mihevitra foana fa rehefa tsy ny fiangonantsika dia tsy izy, rehefa tsy antsika dia tsy mankany isika, rehefa tsy mitovy amin'ny fomba fivavakitsika dia "sekta" izay. Ny fiangonantsika ihany no angatahantsika vavaka mba handroso...
Fotoana izao hamerenana io vavaka nataon'i Jesosy io dia ny mangataka ny fampiraisana amintsika sy Andriamanitra ary amintsika samy olombelona.
Fanontaniana maro no azo apetraka eto: Mino an'i Jesosy ve isika? Mino ny tenin'ny mpianatr'i Jesosy ve isika?
Raha mino izany isika dia tsy maintsy tanteraka io vavaka nataon'i Jesosy io. Jesosy mihitsy anie no mivavaka ho antsika eto e! Tsy faratampony ve izany?

Eto no ahalalàna fa lehibe ny olona iray ary mangetaheta firaisana amin'ny tenan'i Kristy izy: "Ary raha mijaly ny anankiray amin'ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin'ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena". 1 Korintiana 12/26
Ohatra tsotra: Inona no mandalo ao an-tsaintsika raha misy fiangonan'i Kristy mandalo olana (na mikatona na rava na misaraka)?
Amafisiko amin'ilay fitenintsika malagasy hoe: "raha mivonto ny molotra, manafosafo ny tànana; raha may ny tànana mitsoka ny vava". Raha mahatsiaro maharary sy rotsa-dranomaso ny amin'izany isika dia efa lehibe isika izay. Tsy anjarantsika, ry havana malala, ny hitsara ny fiangonana hafa noho isika, tsy anjarantsika ny manenjika sy manaratsy ny namantsika. Tsy mahavonjy antsika ny fitoraha-bato ataontsika amin'ireo izay miara-mihazakazaka amintsika. Mampivily antsika hiala amin'ny fahadiovana ny fialonana ny fiangonana hitantsika fa mandroso amin'ny fitoriana ny Fitiavan'i Kristy.
Ataon'ny olona mbola tsy nandray an'i Jesosy ahoana moa no handroso hanolo-tena raha isika efa ato an-trano aza mifamaly sy mifanaratsy ary mifanenjika?
Aoka isika ho ilay "tànana" hanafosafo ny "molotra" rehefa mivonto izy ary ho "vava" mitsoka ny "tànana" rehefa may izy. Matoa misy ny tsy fitoviana dia ny sasany izany "tànan'i Kristy", ny hafa "tongotr'i Kristy", ny hafa "Kibony".... Ary natao hifanome voninahitra izy rehetra. Tsy tsara ve izany ry havana malala? Voatory ho azy ny filazantsara raha mahatanteraka izany isika.

Antso avo no atao ankehitriny, indrindra ho antsika zanak'Andriamanitra, ndeha re hifampivavaka isika mba hiara-mitombo ka hilaza hoe: "Ray ô! amafisinay eto ny vavaka efa nasandratr'i Jesosy dia ny mba hampiray ireo rehetra izay mino Anao sy mino an'i Jesosy Zanakao ary ireo izay mankatò ny teny nampitondrainao ny apôstôly. Mifona Aminao izahay raha ny zavatra tsy mampandroso no ahindrahindranay sy ifanakiananay mandava-taona: na andro ivavahana izany, na fomba fivavaka izany, na sakafo hanina na tsia izany.... Mifona Aminao izahay, ho anay rehetra izay efa nifanaratsy noho ny tsy fitovian-kevitra sy foto-kevitra ijoroan'ny fiangonana tsy mitovy. Ampianaro izahay hahay hifampivavaka mandrakariva mba hiantombohan'ny firaisanay Aminao. Fiangonanao izahay koa mangataka izahay ankehitriny fampiraisana avy amin'ny Fanahinao Masina. Mino izahay fa indray andro any, ary tsy ho ela izany, dia ho tena iray ihany izahay rehetra ary ho iray ao Aminao isika, satria Ianao no Loha ("mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny zavatra rehetra ho amin'Izay Loha, dia Kristy" Efesiana 4/15). Omeo anay ny baiko avy aminao, dia avy amin'ny sainao izany ry Kristy, mba ahafahanay mandeha mifampitantana hanatanteraka ny irakao. Amin'ny Anaran'i Jesosy no anaovanay izany vavaka izany. Misaotra Ray ô, Amen"

Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra ary ho antsika izay niara-nanadra-bavaka ny fampiraisana avy amin'ny Fanahy Masina. Aleloia
novalian'i bor2lais ny 15/07/2011 14:05
2. bor2lais ( 15/07/2011 14:05)
ydifas:

Tokana no iraisantsika rehetra (tsy miteny aho hoe "marimaritra iraisana" an!) dia Andriamanitra ary "Làlana Tokana" no ahafahantsika mankany Aminy dia Jesosy izany.
Rehefa manaiky ireo fahamarinana ireo isika dia efa miray sahady.

+1
Io ilay nantsoiko teto hoe : "fiombonana ao amin'ny fahasamihafana" na "communion dans la diversité" ! :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1874