Ny raharaha 07 Febroary 2009

1. diloo ( 07/07/2011 23:37)
Raha nolavin’ny Fitsarana eo ambany fiahian’ny FATE ny fanohanana nataon’ny Jly Raoelina sy ny Kol. Djadifar ary ny Kol. Andriamihoatra sy ny mpiaro azy ireo tamin’ny didim-pitsarana momba azy.
Inona kosa ny porofo nanamarinan'ny Mpitsara tamin’ny 27 Aogositra 2010 ny antony nomelohina asa an-terivozona mandrapaha-faty ireto manam-boninahitra ireto mikasika indrindra ny raharaha 07 Febroary 2009?
Na ny fampanoavana na ny mpisolovava ny mpangataka onitra dia tsy manana porofo mazava manameloka azy telo mirahalahy.
Ny vavolombelona Ltn. Kolonely Charles etsy andaniny, dia tsy nekena ny antotan-taratasy handrafitra ny fanadihadiana izany fieken-keloka nataony.
Tena manara-penitra araka izany ve ny «expertise balistique FATE», nahafahan'ny Mpitsara nohamafisina ny didim-pitsarana manameloka azy ireo hanao asa an-terivozona mandram-pahafaty? Mahaleo-tena ve ny Fitsarana?
novalian'i niry17 ny 15/07/2011 07:53
2. diloo ( 07/07/2011 23:45)
Ho an’ny Jly Raoelina manokana dia notantarainy araky ny tatitra efa natolony hatrin’ny ela ny zava-nisy rehetra mialoha, mandritra ary taorian’ny 07 Febroary 2011.
Ity ilay tatitra:
http://collectif-gtt.org/file/RAPPORT_7_02_2009_RAOELINA_2.pdf
Ny antotan-taratasy handrafitra ny fanadihadiana izany fieken-keloka nataon’ny Kol. Charles izay nokianina, dia ity:
http://collectif-gtt.org/file/CHRONOLOGIES_PAR_LE_Col._CHARLES_ANDRIANASOAVINA_0.pdf
3. diloo ( 07/07/2011 23:47)
Nandritran’ny famelabelarana nataon’ny Me Hanitra ary dia nambarany fa «tamin’ny fotoana niarahan’ny Kol. Charles tamin’ny mpanongam-panjakana tsy hita ny hadalany fa rehefa milaza ny marina momba ny asa ratsy natao teto amin’ny Firenena izy dia lazaina fa tsy azo itokisana».
4. diloo ( 08/07/2011 00:16)
Miala tsiny fa diso tsipelina:
Tsy: "mandritra ary taorian’ny 07 Febroary 2011", fa mandritra ary taorian’ny 07 Febroary 2009".


Ahoana kosa ny fomba fijerin'ny haino haman-jery vahiny mikasika io raharaha ny 07 febroary 2009?
Jereo ny fampatsiahivana:

Madagascar - Exclusif: chronique d'une prise de pouvoir
http://www.youtube.com/watch?v=euqDOwSGX8c

Enquéte sur le 7 février 2009
http://www.youtube.com/watch?v=UbSN6Rvj1bs

Araka ireto fomba fijery ireto, aiza ho aiza ny toeran'ny Fitsarana FATE ankehintriny?
Ahoana no fahitanareo ny «expertise balistique» an'i Ra8 bomba mikasika io raharaha io
izay arahan'ny Mpitsara sy nahafahana nohamafisina ny didim-pitsarana manameloka azy telo lahy ireo hanao asa an-terivozona mandram-pahafaty?
5. diloo ( 08/07/2011 00:27)

07/07/2011: Mpitarika AV7: nanjavona tsy hita rehefa nantsoina hiakatra eo amin’ny hazo meloka:
Isan’ ny nitana andraikitra goavana tamin’ny fanaovana sorona ny vahoaka teny Ambohitsorohitra ny 07 Febroary 2009 Etienne Av7 fantatry ny maro amin solon’anarana hoe «complet gris». Androany rehefa nangatahin’ny mpisolovavan’ ireo voampanga ny ijoroany eo amin’ny hazo meloka mba hadihadiana amin’ity raharaha ity dia nanao tari-dositra ny tenany ary tsy hita izay nanjavonany. Raha tsiahivina ny tantara dia ity complet gris ity mihitsy no nandrangitra ireo vahoaka ary nitaona ireto farany handigana ny tady farany hany mamaritra ny faritra mena, izay solon’ny dernière sommation na ny fampitandremana farany izany.

Nankaiza tokoa leiry? Sa matahotra ny antotan-taratasy handrafitra ny fanadihadiana izany fieken-keloka nataon’ny Kol. Charles izany?
6. niry17 ( 08/07/2011 05:48)
ny zavatra mampalahelo @ ny mpanao politika malagasy dia nianatra politika teny andalambe fa tsy nandrato fianarana momba izany politika izany ka miteniteny foana,hany ka rehefa misy tombotsoa dia mahay mandahatra ery, fa rehefa miala lay tombotsoa zay vao midradradradra te hihinanana indray, raha vao tafaverina dia mangina,izany ny malagasy tia tena fa tsy tia tanindrazana, ho an'ireo miaramila indray efa impiry ny miaramila tsy afabela @ ny mpnao politika fa mbola misisika ihany satria eo koa ny fitiavana tena tsy ampy angolaindravola ka hoy za hoe ze voa aleo hitaty ny vokany any
7. AndriambyII ( 08/07/2011 06:50)
Dia ireo nahavoa izany aleo hanohy ny asa maizana nataony ? Dia lasa feno impunité isankarazany ohatr' ireo al kaida nipetaka an' i DSK koa ny ao @ vondrona miaramila malagasy ! Efa nandefa sosonkevitra aho tany aloha tany ny @ tokony hanaovana refonte totale ny armée ao Mada rehetra tsy ankanavaka.
8. diloo ( 09/07/2011 22:43)
Ny fomba fijerin'ny miaramila manoloana ny raharaha 07 febroary 2009.
Ohatra :
Gal Ferdinand Razakarimanana : «Les militaires victimes des politiciens»

La condamnation à une peine de travaux forcés à perpétuité attribuée par le Tribunal aux trois officiers de l’Armée dont le Général Raoelina et les colonels Jadifara et Randriamihoatra, a fait couler beaucoup d’encre.
En observateur de la vie nationale, le Général Ferdinand Razakarimanana n’a pas manqué de réagir sur ce verdict. Selon ses propos : « En ce qui concerne l’affaire du 7 février 2009, il est déplorable que des éléments d’exécution, qui sont les militaires, soient constamment les victimes des faits et ceux qui ont donné les ordres, c’est-à-dire les hommes politiques du pouvoir, ne soient jamais incriminés».
Le général Ferdinand Razakarimanana se demande pourquoi les politiciens ayant été sur les premières lignes et qui ont donné les ordres ne font-ils pas l’objet d’aucune poursuite judiciaire. Il constate ainsi que dans la pratique politique malgache, ceux qui sont au pouvoir se donnent inévitablement le devoir de neutraliser les anciens dirigeants en les jetant en prison. C’est d’ailleurs devenu un cercle vicieux. «Notre histoire a montré qu’à chaque fois que le pouvoir change de main, les militaires qui lui sont favorables s’acharnent constamment contre ceux de l’ancien. Plus tard, rien ne pourra empécher que ces mémes militaires soient victimes des hommes forts du prochain régime…»
Le Gal Ferdinand Razakarimanana rappelle qu’il s’oppose à l’ingérence des Forces Armées dans la mélée politique. Selon ses propos, « les militaires ne sont que des exécuteurs d’une politique définie par un régime en place. C’est la raison pour laquelle ils ne doivent en aucune façon s’ingérer dans la politique partisane. Ils sont au service du peuple et de la patrie».
9. milamm ( 09/07/2011 23:46)
le izy kalo de io teniny Gal Razakarimanana farany io no miseho. Iza moa tsy nahalala fa anisany mitana porofo azo amarinina izy 3 miralahy reo ka lasibatra politika avy atrany gadraina dieny zao mba ampihena vavolombelona, ankoatry sarla sy etienne ao ry cyrille lebany escopol, organes sy kristin i lavanify sy ndefo (109 izy ireo). Tsy misy na kely aza fanotaniana ny momba azy ireo oe taiza sy nanao in t@ reny fotoana reny ho fanta-bahoaka basy no mandidy ny zo sy ny fahafahany rehetra de ho avy njay koa zany ny bokona koko noho izy reo anala azy eo toy ny kodiarantsarety io e ! tsy mbola zakany fitsarana malagasy ny raharaha toy tony fa fitsarana iraisampirenena TPI no tsara manapaka haingana sy ampitsahatra ity fitondrana mitokatena ty sy ahafahany rehetra miaraka miantsoroka andraikitra @ fitantanana ny fiainampirenena
10. andrywui ( 10/07/2011 09:12)
milamindamina ihany ra milamm eto fa efa be ihany zay tapaka lalandrivotra teto zay a ento mora ihany ! kalma ,kalma

ry lavanify mianakams reo toa aharitra amantaona maro eo raha ny fahitako olotsotra tsy mpanao politika ny tantara amzao ka !! rendrekaky o ! mahamay be i dada
11. milamm ( 10/07/2011 13:25)
za les ry lewui, kalma milamm fa tsy azo kotabaisina zao mipitsoka rehetra zao e hahaha azonty !
ny miditra @ makarakara hono mivoaka @ kilaodaoka e sarotra b ny ihevitra ny atidohany lavanify sy ratsiana orana ampilahatra antsika @ ivory coast, nigeria oe antaonany marobe zany ao anaty krizy efa leo ny pokona ka tsy ho voatana io tsy ho ela
12. niry17 ( 15/07/2011 07:53)
ny tiako lazaina eto we ze voa aleo hitaty ny vokany,tsy momba mihintsy ze mahavoa za akory,ny tiako ambara de tsy tokony hitsabatsabaka amin'ny resaka politika ny miaramila ,tsy hainy io ary tsy ho ainy mandrakizay,satria efa nampianarina ny tsy ahazo miditra politika ry zareo hatrany amboalohany ,efa teo niala ny tenako zany we efa nahavita ny raharaha miaramila,ny nampianarana anay t@zany dia tsy azo atao na dia manatrika fotsiny aza raha vao resaka politika, fa mann ny sasany mandika zany lalana izany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4271