FANOLANANA

1. pulm ( 05/07/2011 05:51)
Slt
tiantsika ve raha ho foana ny fanolanana,ny sosokevitra itako dia asio sivana ny hira (clips) sy ny film alefa @ fahitalavitra( ohatra fotsiny izao: nijery t@ RTA ilay fandaharana mandihy iny izaho omaly ariva dia nisy akizy vavy kely iny nandihy sexie be, dia nanotany ilay tao @ RTA hoe taiza no nianaranao aniny sexie be nataonao teo iny dia nisy napianatra ve ianao? diahoy ny valina tsinisy napianatra za fat@ fahita lavitra no nojereko dia nianarako fotsiny)nefa vao tsy ampy 13 taona akory ange izy e!ka aiza ny lehilahy mahita anireny film sy ny clips hafahafa ireny no tsy anitatsaina sa efa lamaody

Mba andefaso sosokevitra aty @tsika rehetra fa tena mapalahelo ny mahazo ny zaza tsy manatsiny eto amitsika na vahaolana
2. DotMG ( 05/07/2011 09:21)
Dia asio sivana koa ny internet fa ny mpanolana koa mahita internet. Dia foano ny gazety izay tsy miresaka afa-tsy firaisana sy fananahana ranofotsiny, fa efa mandeha be koa aty Dago ny gazety amin'ny teny malagasy mitandro ny fahalalahan'ny toe-tsaina ka miresaka malalaka ny momba ny ara-pananahana.

Dia tandremana ihany koa ny ankizy tsy hahita fiompiana akoho fa ohatra iray ngezabe koa ilay akoholahy manenjika akohovavy hotaingenana ireny.

Dia nefa ve fantatrao fa tany Etazonia ilay nisy mompera mpanolana zazalahikely, aminao ve ireny tamin'ny fahitalavitra sa tamin'ny internet no nianatra an'izany, sa mpijery porn amin'ny internet izy ireny, na abonné amin'ny boky vetaveta sy gay?
3. m.i.s.a ( 05/07/2011 10:54)

pulm:

Slt
tiantsika ve raha ho foana ny fanolanana,ny sosokevitra itako dia asio sivana ny hira (clips) sy ny film alefa @ fahitalavitra( ohatra fotsiny izao: nijery t@ RTA ilay fandaharana mandihy iny izaho omaly ariva dia nisy akizy vavy kely iny nandihy sexie be, dia nanotany ilay tao @ RTA hoe taiza no nianaranao aniny sexie be nataonao teo iny dia nisy napianatra ve ianao? diahoy ny valina tsinisy napianatra za fat@ fahita lavitra no nojereko dia nianarako fotsiny)nefa vao tsy ampy 13 taona akory ange izy e!ka aiza ny lehilahy mahita anireny film sy ny clips hafahafa ireny no tsy anitatsaina sa efa lamaody

Mba andefaso sosokevitra aty @tsika rehetra fa tena mapalahelo ny mahazo ny zaza tsy manatsiny eto amitsika na vahaolana
inona moa no hidiran'ny fandihizan'io ankizy io @ fanolanana? sa kosa ve vao mahita ankizy mandihy dia any @ fanolanana ny heritreretinareo? tena mbola tsy lasa lavitra zany toe-tsaina zany! sa ho fohanana koa ny fandihizana? sa ireny fandihizana ireny no lazainao ho porno?

zany aza lazainao fa sexy be ilay fandihizana ka nahoana no avy dia alefa lavitra ny fisainana hoe hisy hanolana iny ankizy nandihy iny?

dia ho fohanana koa ny televiziona? dia ho fohanana ko ny interinety? dia fohanana ko ny fandihizana, dia ho fohanana daholo zao rehetra zao? dia ho aiza avy eo?
4. dadasy ( 05/07/2011 22:23)
aleo mampiasa fanamainan-damba mandeha @ herinaratra (dryer) dia @ zay tsy mila fanolanana intsony fa tonga de refa avy sasana iny le lamba de atsofoka ao anatin'ilay dryer fotsiny.Na tonga de ahahy @ masoandro be fotsiny fa tsy mila aolana zany e! manimba lamba ange izany, indrindra raha akanjo ba na tiserta! maina foana io refa misy masoandro! :p
5. pulm ( 06/07/2011 05:48)
tsy hoe iny zaza iny akory no hisy hanolana fa mahatonga ny lehilahy(tsipihako manokana) ho taitaitra, ohatry ny alika iany raha tsy rangitinao izy dia mipetraka,ianao koa ve tsy mahatsapa fa tato ato no nanomboka nisy ny fanolanana teo @ taona2005 teo eo, amiko ny hira no anisan'ny fampianarana, jereo ny hira taloha maontina tsara, nisy ve ny fanolanana?,ary ankehitriny aminao ve tena maontina daholo ve ny hira?(oh:Mima, Big jim...)ireny ve no fananarana,ny mampandihy vody? mahamenatra ka antsika rehetra no misaina.

De aza atao lohamboto e!fanabeazana ange no tiantsika avoaka eto e!raha misy sosokevitra enao dia mba alefaso
6. DotMG ( 06/07/2011 07:17)
pulm: ka ianao no mila beazina voalohany hiala amin'ny hevi-diso hoe mitondra zava-tsoa ny fisian'ny sivana. Ny fanolanana nisy foana hatramin'izay fa tsy vao tamin'ny 2005 izany, ny haino aman-jery no tsy nahasehaka ary izay niharany no tsy sahy nitory dia tsy nahare ianao. Fa noho ny fahalalahan'ny haino aman-jery dia lasa bizna ho an'ny haino aman-jery ny mitatitra azy ireny dia maheno foana ianao izao. Ekena fa mety misy fitomboany kely ilay izy, toy ny zavatra rehetra, na ny tsara na ny ratsy. Manaraka izany dia mba jereo ny profil an'ireo olona izay hoe tratra nanolana (jereo ny toetr'endriny, ny mombamomba azy) fa tonga dia mahazo cliché ianao hoe olona toy izao no mpanao an'ilay izy. Izy tsy maintsy hoe olona mahery setra ary mandray zava-mahadomelina. Fa hevi-diso be 0/20 raha hoe lehilahy normal ka hoe mahita fitafiana mamoafady anankiray ka mieritreritra hoe te-hanolana an'iny aho izany. Tsy haiko ny lehilahy any amin'ny fianakams-nareo fa raha ny aty aminay aloha raha atao hoe mahita sipa kely manao bikini mandihy sy ohatra an'izany tena tsy mieritreritra mihitsy hoe mampi-te hanolana izy izany.

Raha soso-kevitra no tadiavinao dia izao: aleonao ray aman-dreny malalaka ny ankizy (ny sipakely tezaina) dia hitanao hoe hatraiza ny chevaux-ny sy ny zavatra mety ho vitany, dia avelao izy hahita ny fampianaran'ny fiarahamonina (na sary mamoafady na fihetsika mamoafady na inona na inona) fa anjaranao kosa ny manisika ny toe-tsaina tsara ao aminy, amin'ny alàlan'ny firesahana aminy tsy mitsahatra. Io no tsy ampy: fifampiresahan'ny mpianakavy fa rehefa malalaka ny fifampiresahan'ny raiamandreny sy ny tezaina mora foana ny mitarika ny ankizy amin'ny làlana tsara. Anjaranao koa ny mandray fepetra fa raha nahita isika ny ankizy niharan'ny fanolanana dia lesoka teo amin'ny fitaizana no antony faharoa nahatonga ny loza : ankizy navela irery tsy nisy mpiambina na napetraka tamin'olona tsy azo antoka. Fa rehefa hihatra koa ilay izy, na hidianao anaty trano maizina tsy mahita ny aiza sy aiza aza ny lehilahy ary na manao fitafy maotina dia maotina aza ny ankizivavy tsy mahasakana ny fanolanana izany.

Manaraka izay dia ny fanasaziana izay tratra manolana no mety misy azo hatsaraina : tonga dia borio ilay tah ho an'izay tratra dia anatra ho an'ny hafa izany, nefa fantaro fa tsy hahafoana velively ny fanolanana izany fa rehefa hanao ny adala manao foana.
7. m.i.s.a ( 06/07/2011 16:43)
voalazan'i DotMG daholo ary tena valiny ara-dalana sy mazava ireo, ka ny hanampiako kely azy fotsiny ho an'i pulm dia izao: tsy hisy mihintsy ny fivoharana raha ho maizina foana no hita @ zao fiainana zao.
8. dadasy ( 06/07/2011 21:59)

m.i.s.a:

voalazan'i DotMG daholo ary tena valiny ara-dalana sy mazava ireo, ka ny hanampiako kely azy fotsiny ho an'i pulm dia izao: tsy hisy mihintsy ny fivoharana raha ho maizina foana no hita @ zao fiainana zao.


tena marina mintsy zany ka! tena elabe mintsy vao maina raha vao ao @ maizina fa tsy misy hazavan'ny masoandro sy tsy misy rivodrivotra. indrindra moa raha hoe akanjo ba matevitevina zay, de voatery alaim-panahy hanolana ihany mba hahamaina azy vetivety. Nefa le fanolanana manimba zavatra mintsy, raha hoe tiserta efa somary motramotraka zay no mbola aolana de tena rovitra mintsy. :p
9. niryna ( 07/07/2011 16:00)
DotMG:


Raha soso-kevitra no tadiavinao dia izao: aleonao ray aman-dreny malalaka ny ankizy (ny sipakely tezaina) dia hitanao hoe hatraiza ny chevaux-ny sy ny zavatra mety ho vitany, dia avelao izy hahita ny fampianaran'ny fiarahamonina (na sary mamoafady na fihetsika mamoafady na inona na inona) fa anjaranao kosa ny manisika ny toe-tsaina tsara ao aminy, amin'ny alàlan'ny firesahana aminy tsy mitsahatra. Io no tsy ampy: fifampiresahan'ny mpianakavy fa rehefa malalaka ny fifampiresahan'ny raiamandreny sy ny tezaina mora foana ny mitarika ny ankizy amin'ny làlana tsara. Anjaranao koa ny mandray fepetra fa raha nahita isika ny ankizy niharan'ny fanolanana dia lesoka teo amin'ny fitaizana no antony faharoa nahatonga ny loza : ankizy navela irery tsy nisy mpiambina na napetraka tamin'olona tsy azo antoka. Fa rehefa hihatra koa ilay izy, na hidianao anaty trano maizina tsy mahita ny aiza sy aiza aza ny lehilahy ary na manao fitafy maotina dia maotina aza ny ankizivavy tsy mahasakana ny fanolanana izany.

Manaraka izay dia ny fanasaziana izay tratra manolana no mety misy azo hatsaraina : tonga dia borio ilay tah ho an'izay tratra dia anatra ho an'ny hafa izany, nefa fantaro fa tsy hahafoana velively ny fanolanana izany fa rehefa hanao ny adala manao foana.
mafonja tokoa ny torohevitrao fa dia misaotra.
Antony avokoa ireo zavatra ireo ary mino aho fa tsy vao haingana no nisy izany fa jereo ireo olon-dehibe 40 taona vao mitory ny fanolanana nahazo azy fahazaza.
Midika tokoa izany fa efa ela ilay izy.
Mbola tsy malalaka ny fomba fitaizana ka sahirana ny rar hizara izay mba fantany.Angamba noheveriny fa anaonao foana ny ankizy raha zaraina sy lazaina ny marina.
Sarotra tokoa ny mitaiza tanora ary ny hanatra aza dia miteny fa raha zaza tsy tia ray amandreny,miteraha mba ahita.Mila lehibiazina amin'ny fahalalana an'Atra izy,tempolin'Atra ny tenany ka tsy azo simbana,ny fahadiovana,ny fanomezana toky paokaty ny zanak'olona sy ny karazany.Zaraina aloha izy izay mahasoa azy ary anjarantsika rar no mivavaka azy ireo mba ho taritin'ny fanahy masina andeha amin'ny lala-mahitsy izy,anjarantsika koa ny mivavaka ny zanantsika mba omen'Atra vady hendry sy matahotra an'Atra izy,ny ho aviny sy ny fiainany rehetra mba arovany amin'ny ratsy rehetra sy ny fakampanahy mety hianjady azy ireny .Mametraka ny fiainan'izy ireo eo am-pelantanan'Atra no atao ary mizara azy hatrany ny soratra masina.Atsipy ny teny reroy e ao ampo mahalala izy io.Tsy afaka hiamboha adidy isika fa mizara no anjarantsika dia izay.

Aretina anie ny fanolanana e:
Asa aloha fa nisy ihany olona naholan'ny rainy izy ka ny tena loza dia lasa nivadika ho tia lehilahy izy fa tsy tia vehivavy intsony noho ny ratra nahazo ve? asa? Teo indray ny anadahiny no nanolana azy ary efa samy lehibe izy izao kanefa ilay vavy dia lasa mivarolavo:mijaly amin'ny fiainana ary dia misotro toaka mihitsy manary dia.Eo koa ny vaovao isan'andro,ray manolana zanaka,mody an-trano dia manao ny ataony,ny vadiny amin'io mahalala fa tsy miteny satria tsy miasa.
Tsy olona lavitra noho izany no manolana ny zaza fa eo amin'ny manodidina azy eo ihany(rey ,reny ,dadatoa,nenitoa,cousin sy cousines).Fahatokisana an'ilay olona eo anilany no mety mahatonga izany ka anararaotin'ilay tsy matahotody animbany ny zaza.Mila ampahafantarina ireo ankizy mialoha tokoa angamba fa tsy misy afaka ny hikitikitika ny tenany na iza na iza ary milaza ny rar na ny reny indrindra raha misy olona mitady anao izany: ilay fahafantarany fa manana antsika rar azo atokisana izy dia efa zava-dehibe amin'ny fiainany.Raha tsy misy moa izany fitiavana atolotsika azy izany tsy hitady any ivelany ve izy?
Aretina mila fanasitranana tokoa io saingy izy marary mihitsy no mila mahatsampa fa tsy mety ny atao ary dia mifona amin'Atra sy ilay nanaovany an'izany izy ary manatona olona hizarany izany izy izay efa misy tokoa ankehitriny.
Aretina io hoy aho satria eo tokoa ny hoe tokony hanambady rehetra tsy mahatanty ny hoe mitovo izy fa tsy anolanjaza saingy ny zavatra mamefy azy no mahatonga azy tsy anao izany ka manjary mangalatra etsy sy aroa.
Tsy ny fanafoanana ny internet na tv akory no ahafoana izany fa ny fitaizana ny zanaka no manomboka ary ny fampisehoana ny fitiavana azy ireo tsy tapaka isan'andro dia mahafeno ny fiainany.Tsy ampy fitiavana no antony iray mahatonga ny ankizy haka fitiavana any ivelany ka lasa miodina ho fanolalanana ilay zaza ilay fitadiavany fitiavana any ivelany satria mitady olona mitia azy izy ka ny devoly tsy kely lalana fa mahay mangolangola ka dia voajono ny zaza.
Mila tandremana koa aloha ny ankizy amin'ireo net maro sy ny namana miaraka aminy satria maro tokoa ny zavatra mahamoa fady tongatonga ho azy ao anatin'ny ordi ao raha tsy manara-maso sy manafoana izany aingana isika .
Eny mora ny mitondra tehina fa sarotra ny mitondra tena ka anjaran'ny tsirairay no manalehibe ny zaza( village iray mihitsy vao maha lehibe zaza iray) vao mihodina dia misy olona manaraka foana etsy sy mahita ny atao saingy indrisy na ny rar aza tsy mizara fitiavana ny zanany fa variana amin'ny fitadiavana eo foana moa ny fiainana koa vao maika mazana dia vao maika tsy mandeha amin'izay ilain'ny rar azy ilay fanabeazana avy eo.

LOVE=TIME izany hoe ho antsika rehetra ny atao hoe fitiavana dia ny fananana fotoana ho an'ny zanaka na olona tiana.
10. DotMG ( 07/07/2011 16:46)
Za ve rangahy androany mandeha irery tany an-dàlana tany dia vaky hehy irery. Ny antony dia satria manao flashback tampoka teo ilay kozin'i dadasy. Tena noheverin'ny olona ho adala angamba aho. Daonko: aza odiana fanina ny zavatra mampihomehy fa tou dé lazao ilay olona hoe mahay mampihomehy ianao. Six ho an'i dadasy.
11. m.i.s.a ( 07/07/2011 17:15)
mdrrrrrrrrr !!! fa tsy ratsy kosa aloha ilay fomba hanazavan'dadasy ilay izy e ! mdrrrrrrr
12. sipagasy ( 19/07/2011 07:03)
mahafinaritra ny mahita ny fiadian-kevitra sy ny tsikitsiky entin'i 'dadasy' ato @ ity loha hevitra ity,

isika ray aman-dreny no tena mila miresaka @ zanatsika ihany koa e! fa tsy avela ho ny télé no hitaiza ny ankizy, ary tsy ampy raha hoe ny mpanabe any an-tsekoly ihany no avela hamolavola ny taranaka, izany hoe samy misy andraikitra eo à fanabeazana daholo ny fiaraha monina sy ny manodidina e!
13. mirananirina ( 20/07/2011 14:12)
amiko ry plum tsy avy aminy fahitana izany no mahatonga ny fanolanana fa refa manolana ny olona 1 dia na manao ina na ina de voaolana,ary ny lhl dia taitaitra fahatany fa na olona maloto be aza mbola voa olana ihany.ao anaty bus na rain ohatra ka tery be mifanosika sia misy ny manararaotra masasokasoka sns...midika fa nareo mora taitra @ tsisy dikany..ary ny zaza any amitsika vao 2 taona defa mampandihy v.
14. mirananirina ( 20/07/2011 14:15)
lol be diso tsipelina
rain>train
sia
15. onah ( 21/07/2011 12:00)
za manokana alou dia tena miombonkevitra tanteraka @ ilay tompon'ny sujet eh.
Ekeko fa tena andraikitry ny rar ny manabe ny zanany, fa raha vô miala eo anatrehanao ny zanakao dia fanabeazana hafa mora raisina sy mahaliana lavitra noho ny anao rar no hitany, izy @ maha zaza azy dia TSY MAINTSY NY MITADY FIHAVANANA @ NAMANY IZY. Eo anatrehanao rar izy mety hanaiky izay lazainao fa any ivelany koa izy manaiky izay itaoman'ny namany azy.
KA NY SOSO-KEVITRO:
- AZA HADINOINA NY MIVAVAKA HO AN'NY ZANAKAO, Ampianaro sy ampahafantaro azy ny sitrapon'Andriamanitra ka na dia ny HIJERY SY HANAO IRENY DIHY HAFA2 IRENY AZA DIA HAHARIKORIKO AZY
- Beazo @ fanarahana an'Andriamanitra ny olona manodidina anao, miainga ayv @ ankohonanao, miitatra @ fianakaviana, hatrany @ mpiaramonina sns.....

SAMY HO TAHIAN'ANDRIAMANITRA
16. pissoa ( 22/07/2011 09:02)
Ha ha ha @dadasy !
17. soanja ( 24/07/2011 04:49)
Ny hevitro indray dia tsy mandeha ila io fa samy ilana fifandanjana dahalo. Raha tsy zatra nahita olona miboridana loatra ny fiarahamonina iray dia hisy tokoa maso hotaitra ary hisy hevi-dratsy hitsimoka. Satria ny saina dia zavatra iray tsy azo vinaniana ny vitany rehefa ho lasa adala tampoka izay ny olona iray. Ka raha mahita anefa isika fa tranga matetika noho izany dia mila manontany tena foana hoe inona no antony eo amin'ny fiarahamonina.

Tsy diso ny hevitr'ny mpitondra lohahevitra.

Isika ray aman-dreny koa dia aoka hanaramaso ny zavatra hampandraisantsika anjara ny zana-tsika satria efa miharatsy ny tany. Amiko dia tokony beazina lalandava ahalala ny soatoavina momban'ny vatana ny ankizy iray ary hahalala hoe inona no saro-pady any aminy ka tsy tokony haderadera. Inona no zavatra azon'ny zanako jerena amin'i tele? mahasoa tokoa ve ity tele ity raha tsy hisy ny sivana? Asesika amin'ny ankizy daholo ve zao fakon-javatra hita avy aty ivelany rehetra izao? Mitondra ny zanakao aiza ny fahalalana ny rehetra??? Arakao ve ny dian'ezaky ny zaza iray amin'ny taona iray raha ny saina sy ny eritreritra no lazaina??

Tsara ny mandihy satria isan'ny mampivoitra izay ao anaty tiana haseho koa io hetsika io saingy misy fetrany koa ny fampiharana azy raha samy olona....

Fehiny, dia mila mandray an-tanana ny fanatsarana ny fanabeazana ny olom-pireneny ny firenena iray. Ilaina ny sivana amin'ny tele ary ilaina fanabeazana koa ny ray aman-dreny mitaiza. Miara-mamindra ireo fa tsy ho tokotelo mitongilana.

Raha mitaiza aho dia tsy hisy zany atao hoe TELE izany ao an-tranoko. Tsy ny haino aman-jery no hitaiza ny zanako fa izaho rainy sy reniny. Mazotoa daholo!

18. mpisotrtoaka ( 11/03/2014 08:37)
Tsis fika tsony io fa efa lamaody eran-tany e ! Ngah eto ihany no misy an'io ! Izaho manan-janaka vavy fa raha fantatro kosa aloha izay nanao azy na misaina hanolana azy d ataoko mahita an'i dadasy sy jakôba mihitsy e ! Izay sisa azoko atao ! Am fomba ahoana no hanohanako orana milatsaka ! Am fomba ahoana no hanakatonako tele sy hilazako am gazety vetaveta hoe ajanony io fidirambolanareo io ! Na izany aza ts mandà be fahatany fotsiny r'ireto fa tsy eo aminareo anie ilay toerana'ny voa e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8792