MANDAINGA DIPLÔMA ZAO DIA LASA MINISTRA SY TOMPON'ANDRAIKITRA AMBONY...

1. cpd8910 ( 03/07/2011 02:04)
Samia mailo fa maro ndray zao ny mihambo ho manana diplôma raitra tsy ananana akory na manao hosoka diplôma mihintsy aza. Ny mahagaga dia misy lasa Ministra mihintsy izy ireny.

RIANA ANDRIAMANDAVY VII no ohatra akaiky. Mitonona ho manana Ph.D avy any Harvard nefa tsy hita akory ao amin'ny lisitry ny diplomé ao amin'io tranokalan'io Oniversité io. PIERROT RAJAONARIVELO: milaza ho sortant ENA nefa tsy misy siosio momba azy ihany koa io sekoly io. Ny hafa indray moa tsy nahazo toerana aloha hatreto nefa mitetika mafy haka toerana toa an-dRAKOTOARISON HAROTSILAVO, milaza ihany koa fa nanao fianarana tany Harvard nefa tsy hita n'aiza n'aiza ao amin'ny site webn'io Oniversité io ihany koa ny anarany.

Samia mailo mba manao vérification rehefa misy mitonona sy mihambo ho manana diploma avy amin'ny Oniversité vahiny iray fa efa tsotra be zao ny mijery an'izany amin'ireo fitaovana teknolojia raitra toa ny Internet. Atsofohy ao amin'ny google fotsiny ny anaran'ireo raha sendra tsy dia havanana amin'ny fikarohana avo lenta dia ho hitanareo fa tsy misy liens na iray aza mipoitra eo ka mampifandray ireo olona ireo amin'ireo toeram-pianarana ambony ihamboany ireo. Facebook, linkedin sns izay zareo ihany no nampiditra ny profil-ny tao no ankalazan-drizareo ny fananany baoritra. Tsy hita trace any amin'ny siten'ireo toeram-pianarana ireo nefa.

Samia mailo fa milentika ny firenena fa oentin ny tsy valahara
2. harenadanny ( 08/06/2016 10:37)
zay ve enw vo nahita zah zao ela be nianatra de lasa miasa ao@ minisiteran'ny chomage! diplomako ve? maro eh!
3. radoratsimba ( 08/06/2016 10:46)
hehe!! ka ny eto an tanàna anie tsy mbola informatisé ny zavatra dia tsy hita any anaty base de donnée n'aiza naiza ilay olona e, fa tsy maninona loatra r ohatra ka mahay momba an le asa le olona
4. harenadanny ( 10/06/2016 16:53)
ka ovina ono tsika vo hahavita an'zany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6418