Fanekena taloha sy fanekena Vaovao

1. rekinbelo ( 01/07/2011 16:24)
Tiako mba hazavaina kely izy io satria eo foana matetika no miteraka tsy fitovian-kevitra amin'ireo tsy mitovy finoana, lasa mifanakiana sy mifanejika ireo antoko isan-karazany.
Fanekena taloha:
Mosesy no nanelanelana t@ Jehovah Atra sy ny nanaovany fanekena dia ny Israely.Ny lalana rehetra sy ny didy nomena t@ alalan'ny Mosesy dia tsy maintsy arahin'io firenena io na dia hatramin'ny taranany tsy mbola teraka aza. Misy mihitsy aza ny fanamelohana ho faty raha tsy manaraka ireo didy voalaza ao ny taranak'Israely.
Tsy nihatra t@ firenena hafa nanodidiana anefa ny io didy sy lalana tao @ io fanekena io fa ho an'ny vahoaka Jiosy Ihany ary ireo hafa firenena kosa izay te hanompo an'Andriamanitra dia tsy maintsy manaraka io lalana sy didy arahiny Jiosy io.
Fanekena vaovao
I Jesosy Kristy indray no mpanelanelana teo @ Israely vaovao ary firenena vaovao indray izy io fa tsy ilay fahiny intsony fa niova tanteraka ny olona tao anatiny; nisy ny jiosy izay nanaiky an'i Kristy ho mesia, ao ny samaritana, grika , sns.
nanao fenekena t@ io firenena io koa iJK ary hafa ny lalana sy didy arahin'io firenena vaovao io fa tsy mitovy t@ ilay firenena jiosy taloha intsony.

Fehiny:

Isika olombelona rehetra dia tsy misy tafiditra ao anatin'io fanekena io ( na ny vaovao a ny taloha mazava ho azy) fa isika ilay fitambaran'olona entin'io firenena vaovao io.
répondu par Maranatha le 20/07/2011 05:56
2. rijadolly ( 04/07/2011 01:41)
Misaotra betsaka an' Rekinbelo amin'ilay fanamarihana.

Mbola tsy hiditra lalina amin' ilay fiovan' ilay didy aho , fa eo amin' ilay tafiditra na tsia amin'ilay fanekena.

ary ireo hafa firenena kosa izay te hanompo an'Andriamanitra dia tsy maintsy manaraka io lalana sy didy arahiny Jiosy io.


Isika olombelona rehetra dia tsy misy tafiditra ao anatin'io fanekena io ( na ny vaovao a ny taloha mazava ho azy) fa isika ilay fitambaran'olona entin'io firenena vaovao io.

Misy tsy azoko tsara ny tian' se azavaina amin'ireo.
3. Maranatha ( 04/07/2011 07:19)

rekinbelo:

Fanekena taloha:
Mosesy no nanelanelana t@ Jehovah Atra sy ny nanaovany fanekena dia ny Israely.Ny lalana rehetra sy ny didy nomena t@ alalan'ny Mosesy dia tsy maintsy arahin'io firenena io na dia hatramin'ny taranany tsy mbola teraka aza. Misy mihitsy aza ny fanamelohana ho faty raha tsy manaraka ireo didy voalaza ao ny taranak'Israely.
Tsy nihatra t@ firenena hafa nanodidiana anefa ny io didy sy lalana tao @ io fanekena io fa ho an'ny vahoaka Jiosy Ihany ary ireo hafa firenena kosa izay te hanompo an'Andriamanitra dia tsy maintsy manaraka io lalana sy didy arahiny Jiosy io.

Namana ohatry ny mitady tsy hipetraka izany hevitrao izany namana a! fa mba tohano amin'ny Toko sy andininy mazava tsara hoe! Dia apetrapetraho tsara. sady mino aho fa tsy mitory zavatra tsy hay sy tsy hiainana isika.
Tsy maninona aloha namana fa aleo aloha ho hita ny fanekena taloha dia mazava io dia mihiditra @ fanekena vaovao isika. sa tsy izany.




4. rekinbelo ( 04/07/2011 11:03)
tsy azoko tsara ny fanontaniana namana fa ataovy mazava tsara hoe raha sitrakao.
5. Maranatha ( 04/07/2011 11:17)

rekinbelo:

tsy azoko tsara ny fanontaniana namana fa ataovy mazava tsara hoe raha sitrakao.

Izao namana a!hazavao tsara aminay harahana toko sy andininy aloha ny momba ny fanekena taloha. mba hahafahanay mijery na diso na marina ny hevitry ny namana. Raha mety dia ataovy amin'ilay tsisy ho kianina ireny mihintsy. Mahereza namana.
6. niryna ( 04/07/2011 21:23)
rekinbelo:


Isika olombelona rehetra dia tsy misy tafiditra ao anatin'io fanekena io ( na ny vaovao a ny taloha mazava ho azy) fa isika ilay fitambaran'olona entin'io firenena vaovao io.

Tsy azoko ilay izy fa mba afaka ho hazavainao ve azafady e? Misaotra mialoha

Hoy kristy hoe" Didy vaovao no omeko anareo dia ny hifankatiavanareo toy ny mpirahalahy ary izany no ataovy mba ho fantatry ny olona rehetra fa mpianatro hianareo" izay moa ilay izy e.ahitsiho raha misy diso.

Ny teniny koa no nanambara tamin'ny mpianany iray izay nahita fahitana ireo karazana biby teny amin'ny lanitra ary dia notenenin'Atra hoe mahazo hanina avokoa ireo rehefa angatahina fisaorana.Kanefa izy dia niteny hoe tsia tompoko fa biby maloto ireo.
Nanaza kosa Izy fa " tsy ny sakafo rehetra izay miditra ny vava akory no maloto fa ny teny rehetra izay mivoaka ny vava ka avy ao anatin'ny fo".
Isika kosa anefa dia mila misaotra sy midera an'Atra alohany andraisantsika ny sakafo izay nomeny antsika mba ho tsofiny rano izany sakafo izany.

Kristy izany tsy tonga anova ny lalana fa nanamafy ny lalana saingy noho ny fon'ny olona dia nandika ny lalan'i Mosesy ny olona( izany hoe lalana nomen'Atra ho lazainy ny olona)

Mbola eo koa isika amin'izao fotoana izao satria zavatra roa no tokony ho fantatra sy fantatro dia mpanota aho ary kristy dia Mpamonjy ahy ary tsy misy anarana na olona na atra afaka hamonjy ahy amin'ny fahotana izay nataoko sy nataona eto an-tany.
Izy no Mpanelanelana ahy sy hianao amin'Atra satria teniny izany .Raha mifanohitra izany na mahita mpanelanelana hafa isika dia manao ny baiboly ho lainga sy mampandainga Azy ihany koa.

Mbola nomeny lesona ihany koa isika ao amin'ny Asa 2:36 Koa aoka ho fantatry ny taranak'Isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazofijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.

37 Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona ho hataonay?

38 Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;

39 fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin' i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.

io izany no valin'ilay teninao eo ambony

7. rekinbelo ( 09/07/2011 15:17)
efa eo ampanomanana ny fanazavana izaho io namana fa sao dia gaga ianareo a
dia mahereza daholo a
8. Maranatha ( 11/07/2011 06:42)

rekinbelo:

efa eo ampanomanana ny fanazavana izaho io namana fa sao dia gaga ianareo a
dia mahereza daholo a


Afaka miteny anie ianao namana raha mila fanampina e! indrindra momba ireo toko sy andininy raha ilaina!
Sady mahereza ihany namana a!
9. rekinbelo ( 13/07/2011 11:49)
efa hitako namana fa manao redaction sisa, somary sahirana koza fa tsy aty ny baiboliko fa an'olona namana no nindramiko dia tsy manavanana ahy lotra mampiasa azy ka.
Misaotra namana
10. rijadolly ( 13/07/2011 17:36)
heveriko hoe tsy mananan' se dia homeko an' ty http://www.baiboly.org/

Ho an' rehetra tokoa, raha ohatra ianareo ka mitady teny izay efa tafiditra ao anatinareo ka somary sahirana hoe aiza moa no misy an' zay dia io rohy io hampasaina, eo amin' havia eo misy hoe " Fizahan-teny " dia adikao eo izay teny fohy tsaroanao, ary tsindrina avy eo ny " zahao" fa omeny eo ny toko sy andininy ary ny Boky maromaro izay mifanaraka amin'iny teny iny.
Mazotoa e!
Fanampiny koa fa tsy aiko ny mandefa azy eto, misy logiciel Baiboly koa aty amiko, izay tsy mila connect°, ahoana ny mandefa azy? fa mba tiako haparitaka amin' ny namana rehetra. Amin' mail ve?
11. Maranatha ( 20/07/2011 05:56)

rekinbelo:

efa hitako namana fa manao redaction sisa, somary sahirana koza fa tsy aty ny baiboliko fa an'olona namana no nindramiko dia tsy manavanana ahy lotra mampiasa azy ka.
Misaotra namana

Ohatry ny somary naharitra izy izany namana a!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0716