haody re ry malagasy
1. itaramasoandro
(
16/06/2011 16:33)
zary kianja malalaka filalaovan’ireo mpanao politika sisa ity tanindrazana ! sarambabe no miditra an-tsehatra samy te-andihy ny kianjabe hitondra ny baolina saingy mivotsitra avokoa izay hatomboka : mamba noana ny mpilalao.
na ny eto an-toerana na ny any ivelany, na ny mpanao politika malagasy na ny vahiny dia samy manitsaka daholo - tsy misy tohana na henatra - ny zon’ny vahoaka hijinja izay novokariny, handrato fahaizana manokatra ny sainy @ hevitra mahataka-davitra ary hiaina @ mpilaminana sy @-pahafahana.
hataon’ny ireo mpanao politika ho ahitra maina sy tanety hitsakitsahana ny tany novolen’ny tantsaha.
ampiasain’ny mpanao politika toa tohatra fikarana ny vary raiventy eo ampelatanan’ny vahoaka fa na tombony iray kapoaka aza tsy miverina anaty lovian’ny tsirairay, na fanafody ara-dalàna aza tsy mitsabo ireo izay namafy sy niondrika nikolokolo ireo voly sarobidy nahondrana.
ary satria lalina tsy misy fiafaràna ny paosipataloha sy ny lava-bari-amam-bolan’ireo mpanao politika ireo dia mivadika ho fiomehezana mandritra ny tafa sy dinik’izy ireo sisa ny fomba isan-karazany natsipiny etsy sy eroa hanodikodinana hatrany ny volan’ny vahoaka tsy hanantanterahana ny fifidianana ilain’ny firenena.
izay miteny fifidiana mantsy dia midiaka hoe sehatra voafefy ny làlana, fehezin’ny rafitra isan-tsokajiny saingy mivelatra @ fanaraha-maso sy ny mangarahara.
ary io no hatahoran’izy ireo ka aleony milalao tsisy fiafaràna alavitry ny fandraisana andraikitra …
haody re ry tantsaha, haody ry vondrona isan-tsokajin’asa, ry mpanao lalàna, ry fianakaviana, ry tanora manerana ny nosy, ry malagasy havana sy tapaka : hatrany @ taolam-balon’ny razambenao va re ny fetra hamelanao ny sokajin’ny mpanao politika hikiky sy hitsetsitra anao ?
itaramasoandro 8-)

novalian'i itaramasoandro ny 22/06/2011 01:01
3. itaramasoandro
(
22/06/2011 01:01)
rijadolly:
"LOZANAO IZAY MIFALY EO AMBONY FIJALINY"
raha 15 tapitrisa toa anao no manonona izato ozona dia miraingiraingy toa lalitra notsofin'ny rivotra mahery ireo mpanao politika antitra-tsy-dia-antitra-ary-zatovo niodikodina hatr@ izay ka hatr@ izao...
itaramasoandro 8-)