vehivavy Malagasy....

1. vonynive ( 10/06/2011 08:22)
ANTSOANTSO… vehivavy Malagasy

Vao tsy ela akory izay no nankalaza ny fetin’ny reny isika, ary volana vitsy talohan’io no nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Mbola hankalaza ny andro pantekosta koa isika @ ity faran’ny herinandro ity izay lavalava ihany.

Tsy vitsy amintsika vehivavy eto an-drenivohitra no somary hiova kely @ fiainana andavanandro ka angamba hanao sakafo metimety ho an’ny fianakaviana.. FA ..Fantatrao ve maro @ ny vehivavy any ambanivolo no tsy afaka akory hamalifaly ny zanany @ sakafo matsiro noho ny famokarana tsizarizary....

Raha afa-misonenika @ fiara fa handeha hitsangatsangana ianao na handeha fiara iombonana .. dia …fantaro fa firifiry ireo renim-pianakaviana tantsaha no entina an-tsarety na lanjain-dehilahy matanjaka @ bao an-tongotra @ izato lalana mikitoantoana rehefa mamonjy toby fiterahana satria lavitra ny toerana iterahana.

Mamitribitrika ery ny zanaky ny manankarena sady manana fahalalana ambony hany ka faly ny mpivady kanefa misy vehivavy maro any mitomany fa namoy ny menaky ny ainy satria tsy tomombana ny fikarakarana ny fahasalamana any ambany ravinkazo any.. ny vady lavitra fa lasa nikarama aty an-drenivohitra sitrany ahay hanampiana ny fidiram-bola.

Raha finaritra ery ny vehivavy aty an-drenivohitra manao ny raharaha ao an-tokantrano toy ny sasa vilia, ny sasa lamba sns satria akaiky rano fa any ho any kosa misy vehivavy mandeha an-tongotra maharitra vao mahita rano hantsakana.

Afaka mifankahita an-tserasera @ internet ny vehivavy manana fahafaha-manao kanefa any rehetra any dia tsy hita isa reo vehivavy tsy mahay mamaky teny sy manoratra na zara raha mahasoratra ny anarany.

Koa inona no azontsika atao ho azy ireny ?

novalian'i bazylou ny 25/06/2011 18:03
2. bazylou ( 25/06/2011 18:03)
ny azo atao amin'izy ireny di any firotsahana eny an tsaha hampianatra azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2006