TSY ANIO ARY TSY HO RAHAMPITSO NEFA TSY HO MANDRAKIZAY NY HIRIFIRINAO RY VAHOAKA MALAGASY SY RY TANY MAMIKO

1. tootoomuch ( 07/06/2011 09:53)
Mahantra dia hampahatraina,jamba dia noahajambaina,malemy dia noahalemena ,resy dia nohoresena.............
FA TSY ANIO NA RAHAMPITSO NO HIOVA IZANY REHETRA ZANY ......FA MBOLA HO AVY KOSA ILAY MARAINA VAOVAO INDRAY ANDRO ANY RAHA ISIKA MALAGASY NO VONONA SY MANAMPINIAVANA HIOVA SY VONONA HIOTRA......IZAHO IANAO ISIKA MIARADIA
novalian'i den ny 25/04/2016 06:06
2. tootoomuch ( 07/06/2011 09:55)
za koa mba toa anao ,te hiova ,te ho izaho ,saingy mila anao
3. vonynive ( 16/06/2011 05:47)
miarahaba anao tootoomuch,
misaotra anao mihevitra ny iray firenena aminao, lehibe tokoa izany !
fa tsy vitan'ny vetso izy ity ry tootoomuch, tsy vitan'ny tazan-davitra intsony fa fandraisan'andraikitra, mbola ho lavitra ny dia ary tsy vitsy koa sakana fa mijoroa ! mahereza ! Avadiho ho "vision" ilay vetsonao...
ny fifanohanantsika (na vitsy aza) dia ho hery iray goavana hahatongavana @ tanjona

Fa iza moa no nanampo fa ho foana ny fanavakavaham-bolon-koditra tany Afrika Atsimo @ izao taona iainantsika izao ? toa nofinofy izany raha t@ taona 1985 tany an, saingy ny fijoroan'ireo mpitolona no nahatonga izany.

4. Miharena ( 08/03/2012 14:32)
Lalanan'ny fitiavantena no mahatonga ireo fanamarihana ireo ary izay manana no manao azy fa ny Gasy dia tokony tsy hifendro amin'izany satria tsy ny harena no hery fa ny fahendrena.
5. laloanany ( 08/03/2012 18:41)
Tena mety tsy rahampitso marina aloha le fiovana fa mety afaka taona vitsivitsy na taona maromaro any mihitsy raha ny toedraharaha no jerena.
Zao zao akaton ny fanjakana tsikelikely ny ambasady any andafy satria dia ts manambola hitantanana ireo tsony Mada. Ny Pasipaoro nivoaka tao aorinan'ny Tetezamita moa dia maro ny firenena tsy manaiky ireo intsony (Aza matahotra fa Lafrantsa manaiky foana eeee, fa ny ankoatran Lafrantsa no teneniko). Ny boursen ny mpianatra, karaman ny mpampianatra Univ ts voaloa intsony, ary ny tena mahamenatra dia vola 10 000 Ar no igreven'ny mpianatra ESPA tsy nianarana (Marihiko fa cocacola GM iray no azon'ny 1 alina ariary any amin'ny tany mandroso). Mitombo ny isan ny mpangalatra/mpamono olona/mpanendaka eto Tana noho ny fahantrana ary dia tsy azo ivoahana tsony ny tanana rehefa tonga ny 6 hariva. Ny mpanafika Taxi brosy moa dia ts lazaina tsony. Zao ny vidintsolika miakatra.

Eseeee, raha mba tsy nisy moa reny grevy t@ 2008 reny de angamba tsy ohtrizao Mada. Tena namotika antsika le grevy nataontsika t@ 2008. Fa ny Malagasy aloha dia tia migrevy/mitokona kaa, za tsy miteny hoe ratsy le migrevy saingy ohatran'ny lasa lamaody le izy @ zao fotoana zao. Migrevy ny pro-Ravalo eee, Migrevy ny AV7 eeee, mitokona ny mpianatry Polytech eeee, mitokona ny mpampianatra eeee, mitokona hono ny Polisy ao Toliara fa tsy manaiky didimpitsrana eeee, migrevy ny mpitsara Toliara eee, Mitokona ny miaramila eeeee, Mitokona ny ao Toamasina eeee.
Torohevitra kely: Tsara raha fadiana ny migrevy @ HAT fa fotoana very fotsiny eeee. Bomba mandatsadranomaso no azonao sady aleo mipetraka tsara fa ny tena efa mahantra kely ity mbola higadragadra foana eo.

3 taona lasa izay no nahenoana ireo mpanao politika marobe milaza hoe "Tsy misy afatsy ny fifidianana no ahafahana mivoaka ny krizy" sy ny hoe "Hotanterahana atsy ho atsy ny fifidianana". Fa raha ny fijeriko azy mety afaka 10 na 20 taona any ilay atsy ho atsy fa tsy adala velively akory ny HAT no handao ny sezany fotsiny amin'izao ka hanome ny sezany ho an'olokafa. Tsy aleony ve mba mifikitra kely eo aloha maka tombotsoa eeee. Ny zanako zao ampanaoviko HAT rehefa lehibe @zay manakarena.
6. laloanany ( 08/03/2012 18:55)
Sady Lafrantsa manohana ny HAT, miady @ HAT = miady @ Lafrantsa koa raha za aloha ts te hiady @ Lafrantsa miitsy kooo, vato miady amin'atody. Ze SADC sy Afrique du Sud (Afrikanina) ve hanao inona eo anatrean Frantsay???
Sady ny SADC anie fikambanan'ny Tier monde eee, izany hoe fikambanan'ny firenena andalampandrosoana eto Afrika mba tsy hilazana hoe fikambanan'ny firenena mahantra eto Afrika.
7. Miharena ( 09/03/2012 03:50)
Tsy misy manana fahatsiloan-tsaina ve ny Malagasy ka tsy hahafantatra ny hoe Gouverner, c'est prévoir?
Efa fantatra fa tsy maintsy handeha amin'izao lalana izao rehefa tsy avy hatrany dia natao haingana dia haingana ny fametrahandrafitra ara-dalàna. Variana miady hevitra fa tsy arakaraka ny nanapoahana ireo zavatra tamin'ny lundi noir. Ny SADC ve no tokony nandrasana dia tsy teo amin'ny resaka Maputo dia tokony ho efa niravina ny olana?
Be ketrika Zandrikely dia izay no mampitarazoka satria SADC ihany izao telo taona aty aoriana no miaraka amin'ny firenena.

Ny hany azo atao dia fehezina ny kibo, mandeha mamboly dia mihinana izay vokarin'ny tena. Aoka hotsarointsika fa raha rendrika i Madagasikara dia rendrika izao tontolo izao fa mitsangana manana fahendrena tsy azo hozongozonina dia tsy hovoarebirebin'ny firenena manam-bola sy manjanaka isika e!
Mila manao zavatra matotra sy am-piheverana tsara fa raha tsy izany dia vay loha miverimberina eo.
8. vonynive ( 09/03/2012 08:07)

Miharena:

miharena a ka le kely vokarin'ny tena aza misy mangalatra koh!
manjaka ny halabotry ho an'ny fambolena madinidinika, ny fambolena vaventy toy ny kisoa na omby atao ferme na ny voly ravintsara tsy maintsy ilàna mpiambina matanjaka fa misy mangalatra
ny ravintsara eraky ny tananàn'Antananarivo mba haingon'ny tanàna : misy mioty afa tsy ny eny Ambotsirohitra fa eny ihany no misy mpiambina ka atahoran'ny olona
9. laloanany ( 09/03/2012 08:30)

Miharena:

Ny hany azo atao dia fehezina ny kibo, mandeha mamboly dia mihinana izay vokarin'ny tena. Aoka hotsarointsika fa raha rendrika i Madagasikara dia rendrika izao tontolo izao fa mitsangana manana fahendrena tsy azo hozongozonina dia tsy hovoarebirebin'ny firenena manam-bola sy manjanaka isika e!
Mila manao zavatra matotra sy am-piheverana tsara fa raha tsy izany dia vay loha miverimberina eo.

Tsy rendrika zany izao tontolo zao na rendrika ary Mada eee. Vao maika ara rendrehin ny firenena mandroso (toa ny Frantsay) i Mada raha rendrika eo. Ataondry zalah fakana harena natoraly ity tanitsika ity. Zalah ngah hiraharaha ze Gasy kely eo eee.
Sady tsy haiko nareo raha mahatsikaritra fa tsy misy miraharaha ze Madagasikara anie ny firenena mandroso eee. Jereo moa ny zavatra ataon'i Amerika n Lybia, Egypt, Iraq, Iran, Syria eee, nampiandry zalah reny firenena reny satria manana solika ka raha reny no potika de potika izao tontolo izao. Fa ze Madagasikara veeeee??? Avelandry zalah potika ho azy eo tsika de refa ela ny ela ataondry zalah parc nationaly fitahirizana zavaboahary ty firenena ty.
10. den ( 25/04/2016 06:06)
manao ahoan ! ie ten mihamahantra mihintsy ny malagasy ara kolontsain ara pihavanana ara mpombaamam panao eny @ amin maha malagasy ny malagasy ny fomb fitafy fotsin ohatrataloh ny vezjhivav ef somary mihalahibe dia mitafy lamb ie mbol mis manao io fa vitsy dia vitsy nef ten mahafinaritr ery ny fitenintsik toa lasa tsy mahay ny tenintsik i ntony ny akiz @ zao fa di a teny vahiny ilain a ny teny vahiny fa mb tandrovina hatany ny fitenintsik a e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.106