"Indro ny faharetan'ny olona masina dia izay mitandrina ny Didin'Atra sy ny Finoana an'i Jesosy" APOK 14:12

1. Maranatha ( 01/06/2011 13:00)
Ny olona masina izany dia ireo izay mitandrina ny Didin'Atra , ireto avy ireo Didy ireo:

Eksodosy 20:3 1- "Aza manan'Atra hafa afatsy Izaho ihany"
20: 4-5 2- "Aza manao sarin-javatra voasikotra ho anao na ny mety ho endriky ny eny @ lanitra ambony , na izay ety @ tany ambany....."
20:7 3- "Aza manononina foana ny anran'ny Jehovah Atra......."
20:8-11 4- "Mahatsiarova ny andro sabata hanamasina azy......"
20:12 5- " Manaja ny Rainao sy ny reninao...."
20:13 6-" Aza mamono olona"
20:14 7- " Aza mijangajanga"
20:15 8-" Aza mangalatra"
20:16 9- "Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao"
20:17 10-"Aza mitsiriritra............"

Ireo izany aloha ny Originale @ Didy folo mila tandremana.

Mila mino an'i Jesosy Kristy koa , Finoana ahoana izany satria ny devoly koa anie mba mino e.

Ny devoly dia mino fa tsy harahiny asa. Noho izany Mila mino isika sady arahana asa izany. Inona ary ilay hinoana?

Misy fahamarinana atao any an-danitra dia misy zavatra tsy maintsy harahin'ny ety an-tany. Ahoana izany:
Ohatra
Fahamarinana any an-danitra Finoana ety an-tany
- Nirahina tety an-tany i Kristy - Mino fa i Jesosy no Kristy
- Niakatra any an-danitra i Jesosy Mino fa i Jesosy no Mpisoronabe mifona ho antsika
- 1844 Fitsarana any an-danitra Mila miory ety an-tany

sns......

Toy izay ilay fatandremana ny Didin'Atra sy ny finoana an'iJesosy

Afaka manontany ary mba hamelabelarantsika azy tsara !!
novalian'i Maranatha ny 27/06/2011 06:13
2. Miharena ( 01/06/2011 14:47)
Fanontaniana:
Milsafidy andro ve ny fanamasinana an'Andriamanitra?
3. rekinbelo ( 03/06/2011 11:02)
Ny olo-masina ny avo indrindra anie tsy mitandrina ny lalàna izay nosoratan'i moesey intsony e!raha Krtistianina ianao dia ny Lalànan'i Kristy indray no arahinao fa tsy ireo didy marobe fahiny ireny intsony.
4. reve ( 05/06/2011 17:18)
aza miteniteny foana ry rekinbelo a! aiza ho aiza ao anaty baiboly no ilazanao fa tsy mitandrina ny didy ny zanak'Andriamanitra sao mba tsy azonao ny resaka ao e! aminao zany tokony ho foanana ve zany ny T.T ???? hita mihintsy nareo fa manao blokin'ny vazaha foysiny ! tena mampalahelo! mba mandiniha tsara ny baiboly de avereno vakiana mihinytsy e!
5. Maranatha ( 06/06/2011 06:32)
Fanontaniana:
Milsafidy andro ve ny fanamasinana an'Andriamanitra?

Valiny:
Misaotra @ fanontaniana. Raha izay dia te hanontany ny Didy fahaefatra izany i Miharena. Izao no voasoratra ny amin'izay (ny original io ilay voasoratra t@ vato) Eksedosy 20:8-11 Mahatsiarova ny andro sabata hanamasina azy, henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra fa Sabatan'ny Tompo A\trao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy,na... Fa henemana no nanaovan'iJehovah ny lanitra sy ny Tany mbamin'izay rehetra eo aminy dia nitsahatra Izy t@ andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro sabata sy nanamasinany azy" Izany hoe ny Sabata no Tsangam-batom-pahatsiarovana ny nahavitana ny famoronana.

Voalohany aloha izany dia hoe io no andro tian'Atra hitsaharan-tsika tsy hanaovana raharaha na asa, dia hoy Atra ao @ Isaia 58:13-14 "raha miaro ny tongotrao @ andro Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin'ny andro-ko masina, ary manao ny sabata hoe fahafinaretana, ary ny nohamasinin'i Jehovah hoe mendrika ho hajaina, ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha @ lalanao , na manao izay tianao na miteniteny foana, dia ...."

Faharoa izay tena mahafinaritra indrindra dia hoe : FAMANTARANA @ Atra sy ny olony koa izany ny fitandremana io androny io Ezek 20:12 "Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa izaho Jehovah no manamasina azy."
sy ny Ezek 20:20 "Ary manamasina ny Sabatako mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah A\trareo" arak'izany mety betsaka ny olona mivavaka @ Atra fa tsy henoiny ny vavakany satria tsy fantany akory ilay olona.

Fahatelo dia mbola io ihany koa ny tombo-kase amin'ny andro farany satria hoy izy amin' hafatry ny Anjely telo ao @ Apok 14:7 " Matahora an'Atra ka omeo voninahitra izy ,......., MIANKOHOFA EO ANOLOAN'IZAY NANAO NY LANITRA SY NY TANY SY NY RANOMASINA ARY NY LOHARANO" sy ny Apok 7:3" Aza manimba ny Tany sy ny ranomasina na ny hazo mandrampanisinay tombo-kase eo amin'ny andrin'ny mpanompon'Atsika". Io no tombo-kase @ andro farany fiankohofana eo anatrehan'Atra amin'ny andro izay nohamasininy.

Farany hoy ny Hebreo 4:9 3 "koa dia mbola misy Sabata fitsaharana ho an'i olon'Atra"

Antso ho anao Midira ho isan'ireo olon'Atra.




6. Maranatha ( 06/06/2011 07:25)
Ny olo-masina ny avo indrindra anie tsy mitandrina ny lalàna izay nosoratan'i moesey intsony e!raha Krtistianina ianao dia ny Lalànan'i Kristy indray no arahinao fa tsy ireo didy marobe fahiny ireny intsony. hoy i renkimbelo

Valiny : Didin'Atra io fa tsy lalan'i Mosesy renkimbelo a!Ratsatanan'Atra no nanoratana azy ary Didy efa ela no tao, fa tao Sinay vao nomena ofisialy ny zanak'israely satria ry zareo no olon'Atra t@izany . Raha mamaky ny baiboly ianao dia i Kaina izao dia voaheloka satria namono olona (I Abel rahalahiny) Mbola tsy nomena anefa io Didy folo io t@izany nefa efa voaozonai kaina satria namono olona.
Ny antony nanasiana ny safo-drano dia noho ny faharatsian'ny olona tamin'izany izay norefesina t@ io Didy folo io ihany. Jereo anie ny Jakoba 2:12 manao hoe " Aoka ianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo izay olona hotsarain'ny lalàn'ny fahafahana" . Ny Didin'i Kristy manao hoe Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo Jaona 13:34 dia manamafy io Didin'Atra io Raha tianao ve ny namanao dia ho hangalarinao ny zavany , na halainao ny vadiny, na ho vonoinao izy, na hampangainao lainga izy ,na ho tsiriritinao izay mba hananany. Tsy manao izany ianao raha manaraka ny didin'i Kristy. Dia toy izany koa ny momba an'Atra Didy Voalohany ka hatramin'ny fahadimy satria hoy i Jesosy ao amin'ny Mat 22:37 " Tiava an'i Jehovah Atrao amin'ny fonao rehetra sy fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra" . Ny Didin'ny Kristy izany dia tsy inona fa mamintina ilay Didi' 'Atra.

Renkimbelo a: Mahereza mamaky ny tenin'Atra dia tsy voafitaka, sady olona toa anao izao no tena tian'ny Tompo hitondra ny hafany amin'izao tontolo izao sy handova ilay fiainana mandrakizay, Mahereza an!
7. Miharena ( 07/06/2011 13:37)
Fanontaniana faharoa Maranatha, Io andro fahafito io andro Asabotsy sa andro Alahady sa andro Zoma? Ary oviana no nanombohana nanisana ny andro? Jehovah ve no nandrafitra izany sa olombelona? Dia miverina amin'ny fanontaniana voalohany ihany hoe misafidy andro ve ny fanompoana an'Andriamanitra?

Tsy ny fitiavan'i Kristy izay mitosaka ao am-po ve no nametrahan'i Kristy ny teny hoe mivavaha ka aza mitsahatra fa misafidy andro?
8. Maranatha ( 14/06/2011 10:28)

Miharena:

Fanontaniana faharoa Maranatha, Io andro fahafito io andro Asabotsy sa andro Alahady sa andro Zoma? Ary oviana no nanombohana nanisana ny andro? Jehovah ve no nandrafitra izany sa olombelona? Dia miverina amin'ny fanontaniana voalohany ihany hoe misafidy andro ve ny fanompoana an'Andriamanitra?

Tsy ny fitiavan'i Kristy izay mitosaka ao am-po ve no nametrahan'i Kristy ny teny hoe mivavaha ka aza mitsahatra fa misafidy andro?


Tsy ho valiako io hoe Asabotsy sa Alahady sa zoma fa raha mamaky ny soratra masina isika dia nahatsapa fa Andro voalohany no nitsanganan'iTompo izay fantatsika tsara hoe inona io andro io , noho izany isika ihany koa dia mahalala hoe Andro inona moa io Andro fahafito io.
@ an-kapobeany aloha ry Miharena dia toa mbola tsy nisy nanova io andro io ho andro hafa ireo olona rehetra izay voasoratra ao anaty Baiboly . mety nisy hoe nivoriany t@ andro voalohany fa tsy midika izany hoe tsy nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana fanaony @ andro fahafito izy ireo.

Ny voalohany nanisana ny andro sanatria ve dia tsy ho fantatrao izany e? tsy maninona fa ho valiako ihany t@ famoronana Gen toko 1sy 2, dia mazava ho azy fa izay nanao ny lanitra sy ny tany no nanao izany.

Misafidy andro ve ny fanompoana azy? Miangavy anao ary aho mba vakio miadana tsara hoe ny Eksedosy 20:8-11, Hebreo 4:8-9, Isaia 66:22-23 dia angataho ny fanahy masina hanazava azy tsara aminao.

Ny teny hoe mivavaha ka aza mitsahatra anie atao foana na eo amperin'asa aza ianao afaka mivavaka, Eny fa na ataoko hoe ao @ WC dia azo atao foana ny mivavaka fa na izany aza nametraka kosa izy an'ity teny ity : Ezekiela 20:12 "Dia nomeko azy koa ny ... ho FAMANTARANA HO AMIKO SY HO AMINY mba ho fantany fa izaho Jehovah no manamasina azy". Io andro io izany dia nolazainy fa tsy maintsy hamasinina satria androny masina hono hoy i Jehovah. Mitsahatra tsy manao na inona na inona fa dia mivavaka fotsiny. Mahereza!
9. Maranatha ( 15/06/2011 11:09)
Fintiniko ny loha-hevitra fa raha te ho isan'ireo olona masina izany isika dia io nomen'atra ao @ apok 14:12 io ny Formule :" Mitandrina ny Didiny sy mino an'i Jesosy"
Antso: Midira miaraka @ ireo olona masina ao @ vavahady ety ( Miseseha hoy Izy), fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany @ fahaverezana ka maro no mihiditra any Matio7:13.

Ary Atra ny fiadanana ...Izy anie hahantanteraka anareo @ tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay hankasitrahana eo imasony @ alalan'IJesosy Kristy; Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay Amen. Heb 13:20-21
10. Miharena ( 17/06/2011 14:56)

Ary Atra ny fiadanana ...Izy anie hahantanteraka anareo @ tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay hankasitrahana eo imasony @ alalan'IJesosy Kristy; Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay Amen. Heb 13:20-21


Miasa ao anaty izany Andriamanitra fa tsy manome didy folo intsony.

Asa na manana fomba hanazavana izany hoe miasa ao anaty izany Maranatha.
11. Maranatha ( 21/06/2011 12:42)

Miharena:


Miasa ao anaty izany Andriamanitra fa tsy manome didy folo intsony.

Asa na manana fomba hanazavana izany hoe miasa ao anaty izany Maranatha.


Miharena a! Jereo mihintsy aloha ny Document-nao dia hianaro ny Hebreo 9:1-5 dia jereo fa ireo no fanaka tsy maintsy hita ao anaty ny tempoly, eny fa na dia ilay any an-danitra aza tsy maintsy hahitana ireo.
Efa isika anefa izao no tempolin'Atra ety ambonin'ny tany noho izany tsy maintsy tokony ho hita ao anati-tsika ireo fanaka ireo; Isan'ireo ny Didy folo (Izany no mahatonga azy hanoratra ao @ Hebreo 8:10 hoe "Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony, ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;" ). Arak'izany tsy maintsy hita ao anati-tsika ny Didin'Atra(Didy folo).
Hoy ny Apok 14:12 "Indro ny faharetan'ny olona masina dia izay mitandrina ny Didin'Atra sy ny finoana an'I Jesosy" Zava-panahy tsy azo sarahina mihintsy ireo. Mahereza!
12. rekinbelo ( 21/06/2011 14:37)
koa maninona enao ry reve no tsy manao sorona omby na ondry ary e!de aiza ny tempoly anateranao ireny sorona ireny?de maninona no tsy torahimbato ho faty ny mpijanganjanga @ zao fotoana izao.vakio tsara aloha ny baiboly vo miresaka aty fa maro ny zvt tssy takatry nysaina kely io.
Maranatha:


Miharena:


Miasa ao anaty izany Andriamanitra fa tsy manome didy folo intsony.

Asa na manana fomba hanazavana izany hoe miasa ao anaty izany Maranatha.


Miharena a! Jereo mihintsy aloha ny Document-nao dia hianaro ny Hebreo 9:1-5 dia jereo fa ireo no fanaka tsy maintsy hita ao anaty ny tempoly, eny fa na dia ilay any an-danitra aza tsy maintsy hahitana ireo.
Efa isika anefa izao no tempolin'Atra ety ambonin'ny tany noho izany tsy maintsy tokony ho hita ao anati-tsika ireo fanaka ireo; Isan'ireo ny Didy folo (Izany no mahatonga azy hanoratra ao @ Hebreo 8:10 hoe "Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony, ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;" ). Arak'izany tsy maintsy hita ao anati-tsika ny Didin'Atra(Didy folo).
Hoy ny Apok 14:12 "Indro ny faharetan'ny olona masina dia izay mitandrina ny Didin'Atra sy ny finoana an'I Jesosy" Zava-panahy tsy azo sarahina mihintsy ireo. Mahereza!
13. Miharena ( 24/06/2011 15:55)
Efa manomboka mijery anaty ianao moa Rekinbelo fa tsy tempoly nataon-tanana intsony.
Dia araho araka an'i Kristy ilay izy hoe: Ny didy roa lehibe mahatanteraka azy rehetra izay mifototra amin'ny fitiavana ihany no izy ary foana ireo sisa satria tsy misy toerana hanaovana izany intsony ny tempolin'Andriamanitra izay ny TENANTSIKA ihany.

Rehefa mahalala fa IRAY ao AMIN'NY RAY ny tsirairay dia tanteraka ny didy roa manafoana ny valo ambiny ary mitokana ho iray sisa dia ny DIDY TOKANA = FITIAVANA.
14. Maranatha ( 27/06/2011 06:13)

Miharena:


Rehefa mahalala fa IRAY ao AMIN'NY RAY ny tsirairay dia tanteraka ny didy roa manafoana ny valo ambiny ary mitokana ho iray sisa dia ny DIDY TOKANA = FITIAVANA.


Miala-tsiny fa hoatry ny tsaingoako kely: Tsy afaka manafoana na dia iray aza amin'ireo lalan'Atra ireo isika Dan 7:25 "Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna;..." raha vao manao izany isika dia tafakambana miaraka amin'ny Anti-christy, ary manohana ny heviny.

Ny Didy hoe Fitiavana dia manamafy ny fitandremana ireo Didy filon 'Atra ireo: Raha tiako ianao dia tsy ho hangalariko ny zavatrao, raha tiako ianao tsy hijangajangako, raha tiako ianao tsy vonoiko, tsy endrikendrehako, tsy tsiriritiko izay hanananao,
Raha tinao koa Atra dia tsy hanao Atra hafa ianao, tsy hanao sarinjavatra voasikotra hasolo azy, tsy entinao mandainga ny anarany, Ary ho tia ny Ray aman-dreninao ianao.

Mipetraka foana ireo ! Mahereza e!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1412