Sao misy mahay resaka Telephone Ip : Configuration Asterisk, Ekiga

1. Tokinao ( 26/05/2011 14:32)
Manaona daholo nareo,

Sao mba misy mahay an'ireny telephonie Ip ireny kay?
Tsy izany fa izao : te hanandrana hanao réseau kely aho ato amiko. Ka ny tanjona dia ny ahafahan'ny ordinaterako na/sy telephoneIP-ko hifampiantso.

Ny efa nataoko dia :
- ni-installer lunixubuntu za,
- ni-installer asterisk
- ni installer ekiga (toa hoe interface iray hono ity).

Dia avy eo za nanaraka an'ilay document "the future of telephony" satria toa betsaka no milaza fa raha mahavoaaraka ny voalaza ao dia mahavita manao toa an'ny skype na Voipstunt, sy ny sisa.

Eo ho eo amin'ny antsasak'io boky io aho zao (page N°400 eo ho eo). Efa nisy configuration vitsivitsy nataoko tao @ asterisk. Henjana anefa ilay boky satria lava be sady betsaka vocabulaire tsy mbola haiko.

Ka sao mba misy mahay mamintina ny tokony hatao kay azafady ?

Misaotra indrindra

saika adinoko : ny tanjono dia ny hanao tsotsotra fa tsy ho professionnel akory. izany hoe rehefa afaka mifampiantso kely fotsiny ilay ordinaterako dia izay.

Misaotra ô
novalian'i tmjjah ny 04/10/2013 06:17
2. McFy ( 26/05/2011 22:04)
Mankasitraka e,

ny tanjonao izany dia ny hoe hifammpiantso gratuitement?

satria raha tsy gratuit dia betsaka.
Ianao koa any dago sa aiza?
Sa inona no tena tanjonao @ ilay izy?
Raha eto frantsa mantsy izao toy ny ahy dia ny phone ip afaka miantso pc na ny phone (na fixe io na mobile), Izany hoe tsy tena valable partout noho ny reseau fa à 100 m maximum ah d afaka mampiasa azy foana

Mankalaza d mahereza e!
3. Tokinao ( 27/05/2011 11:55)
Misaotra an'i McFy namaly haingana be!

Ny tanjoko dia ny manandrana manao reseau VoIP ato amiko ihany.
Izany hoe : manana hub switcheur (misy internet aho) kely aho ato, dia manana ordi vitsivitsy koa, ary manana telephone IP koa.

Ka ny tiako atao dia ny hoe : rehefa brancher-na ao amin'ilay hub switcheur ireo rehetra ireo, ary rehefa avy no-configurer-na ny ordi iray (izay atao serveur), dia mba afaka mifampiantso ny ordi rehetra, sy ny telephone koa.

Ny ohatra iray mety ho application-n'izy ity dia : any amin'ireny hotel na batiment lehibe ireny. Dia afaka mifampiantso ny isaky ny chambre, amin'ny alalan'ny reseau internet na reseau local isaky ny chambre. Raha mety koa dia afaka hitarina hoe : afaka mifampiantso sy mifankahita amin'ny alalan'ny ordi misy webcam koa.

Raha fintinina dia te hamorona ohatran'ny "skype" aho, fa ato antranoko fotsiny aloha.

Ka ny angatahako, sao hainareo dia ny fi-configurer-na an'ilay logiciel serveur "asterisk".

Misaotra indrindra.
4. McFy ( 27/05/2011 12:04)
sali,

indrisy fa tsy haiko le asterisk na d efa nojereko ihany aza taloh.

mahereza nefa na izany aza
5. Tokinao ( 14/06/2011 22:43)
McFy:

mahereza nefa na izany aza


Misaotra indrindra ô!
Efa voavahako ilay olana!
6. tmjjah ( 04/10/2013 06:05)

Tokinao:

installeo ny asterisk aloha de ref vita zay d ataov ndray ny Ekiga, hamarino tsara ny protocol f mitak anzay ny Ekiga a! le H323 zan e!na mis karazany le izy! de hamarino tsar ko le extension.conf sy sip.conf ary ny H323.conf f metamreo ny ts mapandeh azy oatra!! memoireko io de sad manao recherche ian za zao! f nena resaka facturation mits!! tog d serveur telephonique e!
7. tmjjah ( 04/10/2013 06:17)
ts met rah vao ts en reseau ny machine a! ovay ny client f aza atao ekiga raha ts mahay mampiasa anle H323 d avadio protocol SIP e! in no mora kel ny mconfigurer anaz! ovay ny softphon ampiasain! oatr oe 3CXphon na Xlite! zay no mora indrindra!.... rah mila fanazavana fanampiny dia ty ny fbko Mi'andry Berantoson de afak mfanamp tsik f memoire tsar io! ok maztou ô!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6236