AZON-TSIKA ATAO V NY MANGATAKA ANDRO LAVA MANOLONA NY ANTSON'ANDRIAMANITRA

1. RBNIR ( 26/05/2011 08:24)
Aleho ny Baiboly no hamaly azy:

« Fa hoy Jesosy taminy: Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro. » (Lioka 14:16)
« Ary naniraka ny mpanompony izy tamin'ny fotoana fisakafoana hilaza amin'izay efa nasaina hoe: Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana. » (Lioka 14:17)
« Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialàna. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako. » (Lioka 14:18)
« Ary hoy ny anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako. » (Lioka 14:19)
« Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin'izany tsy afaka mankany. » (Lioka 14:20)
« Ary nony tonga ilay mpanompo, dia nambarany tamin'ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nanao tamin'ilay mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny amin'ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa. » (Lioka 14:21)
« Ary hoy ilay mpanompo: Tompoko, efa natao izay nandidianao, ary mbola tsy feno ihany ny trano. » (Lioka 14:22)
« Ary hoy ny tompo tamin'ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin'ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko. » (Lioka 14:23)
« Fa lazaiko aminareo: Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza. » (Lioka 14:24).
Ity farany ity no sitomiko manokana « Fa lazaiko aminareo: Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza. » (Lioka 14:24).

Dia ny mbola miantso an-tsika ny Tompo ry namana isany, aoka re tsy hamorona "excuse" lava izao e, ndrao dia hanenenana ry namana isany ndrao dia hanenenana.

Andeha hody amin'Andriamanitra daholo, Matahora Azy, Handeha hiara hanome Voninahitra Azy amin'ny alalan'ny Fanantanterahana ny Sitrapony rehetra.

Mandroso dia mandroso hatrany ny fotoana, aza mangataka andro, jereo ny profilko ao hanoro lalana anao hamantaranao ireo sitrapon'Andriamanitra tsy maintsy tandremana.

Samy ho tahin'ny Tompo daholo.
novalian'i rijadolly ny 10/06/2011 19:12
2. rekinbelo ( 26/05/2011 08:49)
Tena tsy fotoana anaovana kinanga intsony kosa aloha izao namana. Efa nahita ny fahatanterahany faminaniana maro ny tenako ary miandry ireo 02 farany sisa dia mino sy mahatoky aho fa mety hovoavonjy rehefa tonga ny fotoana farany hamaranan'Atra an'ity FAndehan-javatry Satana Devoly ity ka mba iaina ampiadanana indray tszy mmisy fahoriana sy fahafatesana intsony eto antany.
3. RBNIR ( 26/05/2011 08:50)
rekinbelo:

Tena tsy fotoana anaovana kinanga intsony kosa aloha izao namana.

Marina dia marina izany namana, tehirizo hatrany, aza miova.

Samy ho tahin'i Jesosy indray
4. Miharena ( 26/05/2011 12:54)
Ny miherikerika no hitako tsy azo atao amin'izao fotoana izao fa mila mahalala tsara Izay mampiaina ny fanahintsika isika, dia ny Ray Tsitoha sy Kristy ary ny Fanahy Masina izany. Mila mahay mametraka tanteraka ny fanahintsika hotrotroiNY homba tanteraka amin'ny dingana tiaNY ahatongavantsika tsirairay avy.

Ny alehan'ny fontsika no mibaiko ny lalan'ny fanahintsika ka raha toa tokoa ka hilaza fialantsiny amin'ny maha-nofo fotsiny dia manjary mihemotra ara-panahy ny olona. Mila mizotra mahitsy ao amin'ny Tompo amin'ny alalan'ny fampiainana Azy ao anaty dia tsy ho voarebireby amin'ny ara-nofo sy ara-materialy fotsiny ary ireo karazana fanangolena ataon'ny sasany izay manana hevitra hanjakazaka amin'ny fahalemen'ny hafa.
5. Dan23 ( 28/05/2011 08:47)
Eny oa eeee!!!!!,rehefa manao zavatra iray ianao d ataovy ao antsaina oe ity ataoko ity ve met ampatezitra an'A/tra amiko sa tsia,fa tsarovy fa isaky ny manao zavatra ts mety Aminy isika d tezitra amintsik iz nefa izao,ny indray mipi-maso amin'Atr dia mety ho fotoana lavalava par rapport amn fotoanantsik olombelona,ka ra ti enao zan ka manao izay ahatezitr an indray mande dia met ho tezitra aminao amin'ny indray mipi-masoNY Izy nef dia fotoana lavalava amintsik izan ka ra mbol manao iray indray ianao d itoy foana ny fahatezeraNY izay mihatra aminao.Misy zavatra iray ito izay atoroko anareo fa io no fanaoko refa sendra ny fakampanahy iny aho ka mitad tsy ho voatoatro io fakampanahy io"TONONIKO ATO AMPOKO ATO FOANA ILAY OE"TIAVA AN'IJEHOVAH ANDRIAMANITRAO AMIN'NY FONAO MANONTOLO SY NY FANAHINAO MANONTOLO SY NY HERINAO MANONTOLO ARY NY SAINAO MANONTOLO" fa io no didy lehibe indrindra dia ho itanao fa miembotra oaz ilay fakampanahy izay nanelingelina ny sainao teo.
Ana manokana io fa ts voater oe io no ts maints arahina fa mba zaraiko amintsika namana eto amin'ny serasera ho fomba iray anoerana ny fakampanahy mba ahazoana mitandrina tsara ary itondra amin'ny firosoana mandrakariva amin'ny fiambenana.
Mankasitraka e
De hotahin Tompo tsika reetra e
6. reve ( 29/05/2011 16:32)
tsara be le lohahevitra fa izao e! sao de mba diso fiantefa ny fanolorantena-tsika na hoe diso adiresy ny vavaka asandratra tena miantefa any amin'ilay Andriamanitr'ISRAEL le nanao ny lanitra sy ny tany ve ?????
7. Miharena ( 31/05/2011 15:22)
Dan23:

Eny oa eeee!!!!!,rehefa manao zavatra iray ianao d ataovy ao antsaina oe ity ataoko ity ve met ampatezitra an'A/tra amiko sa tsia,fa tsarovy fa isaky ny manao zavatra ts mety Aminy isika d tezitra amintsik iz nefa izao,ny indray mipi-maso amin'Atr dia mety ho fotoana lavalava par rapport amn fotoanantsik olombelona,ka ra ti enao zan ka manao izay ahatezitr an indray mande dia met ho tezitra aminao amin'ny indray mipi-masoNY Izy nef dia fotoana lavalava amintsik izan ka ra mbol manao iray indray ianao d itoy foana ny fahatezeraNY izay mihatra aminao

Andriamanitra ve mety tezitra tokoa sa ny fomba fanaontsika olombelona no ampitaintsika ho izay hataoNY? Izy angaha tsy be fitiavana?
8. RBNIR ( 01/06/2011 05:37)
Miharena:

Andriamanitra ve mety tezitra tokoa sa ny fomba fanaontsika olombelona no ampitaintsika ho izay hataoNY? Izy angaha tsy be fitiavana?

Faly miarahaba namana,
Toy izao no voalaza fa hanehon'Andriamanitra ny hatezerany rehefa hamarana ny tantaran'ity izao tontolo izao ity izy.
« Efa antomotra ny andro lehiben'i Jehovah; Eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra, Injay! feon'ny andron'i Jehovah! Ny lehilahy mahery dia mitomany mafy any. » (Zefania 1:14)
« Andro fahatezerana izany andro izany, Andro fahoriana sy fahalahelovana, Andro fandravana sy fanafoanana, Andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sy maizim-pito. » (Zefania 1:15)
« Andro fahaveloman'ny anjomara sy ny akora, Hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambo avo eny amin'ny zorony. » (Zefania 1:16)
« Ary hampahory ny olona Aho, Handehanany toy ny jamba, Satria efa nanota tamin'i Jehovah izy; Ny ràny dia haidina toy ny vovoka, Ary ny nofony ho toy ny zezika. » (Zefania 1:17)
Zavatra 2 no hotsoahiko eo :
1- "ny lehilahy mahery hitomany mafy" (valeureux soldat angamba no azo andikana azy), higogogogo. Mainka ka isika olon-tsotra namana
2- "Satria efa nanota tamin'i Jehovah izy " Noho ny fahotana araka izany no mahatonga an'Andriamanitra haneho io fahatezarany io. Tsy manaiky ary tsy mankasitraka mihitsy ny hanotan'ny olona Andriamanitra namana.

Marina dia marina fa tena Fitiavana Izy ary noporofoiny tamin'ny nanirahan'ny ny Zanany Lahy Tokana izany.

Nefa na ny apostoly petera aza dia mbola nanamafy ny fiavian'io andro lehibe ho avy io :
« Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana] » (2 Petera 3:10).

Sady mbola nohamafisina ihany koa any amin'ny bokin'ny apokalypsy : « Ary nahare feo mahery avy tao amin'ny tempoly aho nanao tamin'ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin'ny tany ny ao amin'ny lovia fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra. » (Apokalypsy 16:1).
Hisy loza fito mahatsiravina efa voahomana hanantanterahana io fahatezeran'Andriamanitra io namana.

Amiko manokana ireo Ray amandrenin-tsika no azo lazaina ho olona tongalafatra indrindra ary feno ny fahamasinana indrindra (Adama sy Eva) satria :
1- ny ratsan-tanan'Andriamanitra no namolavola azy ireo ary ny fofon'ainy mivantana no nampidiriny tao amin'ny vavaorony.
2- Izy ireo dia nanana zo afaka nahita sy niresaka mivantana tamin'Andriamanitra ary tena nifanerasera mivantana taminy.
Tsy misy olona afaka manao izany raha tsy olona Masina tena Masina tokoa namana.

Nefa jereo fa tsy namindra fo tamin'izireo mihitsy Andriamanitra raha vao nandika ny teniny izireo fa dia tanteraka tokoa ilay hoe "....ho faty tokoa ianao" Gen.2:17.

Tsy zakan'Andriamanitra ny manao tsinontsinona ny Teniny namana, tena tsy zakany tokoa ary tokony ho fantan-tsika izany.

Ny fanaovana tsinontsinona ny Teniny anie namana ka midika fa tsy fanomezam-boninahitra Azy e!

Ry namana malala isany, Matahora an'Andriamanitra isika, Andao hibebaka ka hamantatra ny Sitrapony rehetra,

Masina Andriamanitra ary hoy ny Tenin'Andriamanitra « Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany. » (Apokalypsy 21:27)

Manamasina tena , ary andeha hidio hiala amin'ny fahalotoana rehetra tsy sitrak'Andriamanitra.

Jereo ilay fandaharana natoroko ao amin'ny télé jery isa-maraina amin'ny 5ora fa ho fantatrao miharihary ny zavatra tian'Andriamanitra sy ny Tsy tiany na koa ny sitrapon'Andriamanitra sy ny tsy sitrapony.



Avoty ny tenanao sy ny ankohonanao rehetra. Mianara ary tanteraho izay sitrak'Andriamanitra renao rehetra dia ho avotra ianao sy ny ankohonanao.

Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra











9. Miharena ( 01/06/2011 14:21)
Misaotra namana RBNIR namelabelatra ireo Teny ireo.
Ny hany tsikaritra fotsiny rehefa manome hevitra dia manana safidy roa apetraka hatrany ny mpitory teny fa tsy mifototra amin'ny vontoatin"ny nahatongavan'i Kristy teo anivontsika dia ny hanambara fa manana fiainana mandrakizay isika ary Izy no Ohatra Velona. Ireo manana fo tsotra sy nitady Azy fatratra dia efa nanehoaNY ny Voninahiny ka nahatsapa fa Kristy no velona ao anatiNY ary nahatsapa tokoa ireo fa zanak'Andriamanitra toa Azy koa.

Ilay resaka mitomany mafy dia rehefa voakasiky ny Fitiavan'Andriamanitra dia hitomany mafy tokoa isika namana. Satria hahatsapa isika fa maizina taloha ka noposahana ny Mazava.

Ka amiko namana, tsy Andriamanitra no manam-pahatezerana fa toetran'olombelona ihany izany ary nanjary voasoratra tao anaty Baiboly araka ny fandraisan'i Zefania azy ara-nofo fa tsy ara-panahy.

Mbola mila ezaka vitsivitsy ny Kristiana mba hanam-pahatsorana ka hanaiky hampitombo ny Tompo ao am-pony. Ho lavitry ny fitsaratsaram-poana ka hanam-piadanana dieny izao ankehitiny izao.
Io dia araka ny lohahevita navoitranao hoe afaka mangatak'andro ve? Rehefa mazava tsara ny FO ary mamirapiratra maneho tsara ny Voninahitr'Andriamanitra ao anatintsika dia tsy misy intsony ny fotoana fa mizotra amim-pahasahiana ary ny fipariahan'ny FIFOHAZANA dia tsy hay tohaina satria IZY no loharanon'izao rehetra izao.
10. rijadolly ( 01/06/2011 17:15)
Ny zavatra hitako, ary matetika mihitsy dia miova an' io hevitry Miharena io foana ny Loha Hevitra. Ary dia mivilana makany ilay izy avy eo sady lasa HS be.
Tsy miteny aho eto Miharena hoe diso ny hevitry se na hoe aza miteny izay tsy mety ataon'namana an! fa kosa mitarika ilay resaka ho zavatra hafa foana.
eto izao dia miseho izay. Manaiky aho Miharena fa te handresy lahatra io hevitry se io se ary efa fantatro ny tian' se tenenina hoe: izay hevitry se izay no tokony ho fototra ato ao anatin' Kristianina. Ny zavatra tokony eken'se anefa dia izao: Manam-pahavalo Andriamanitra, raha vao tsy manaiky izay se dia marina io vohizin'se. Mibaribary anefa ny fahavalon' Andriamanitra dia ahoana? Misy ny tsy mino an' Andriamanitra na inona ataon' se azy na inona ataon'se azy(takona tanteraka mba tsy ilazako hoe Jamba) Tandremo anefa fa tsy milaza mihitsy izany teniko izany hoe ajanona hatreo ny fitoriana ny Filazantsara ho azy ireo raha vao mahafantatra izany an! fa ady io ary samy manana ny olony sy ny anjeliny ary ny Andriamaniny.
11. Miharena ( 02/06/2011 05:01)
Mbola miverina indray Rijadolly ilay resaka fahavalon'Andriamanitra. Ankehitriny dia ny olombelona no mamorona ny fahavalon'Andriamanitra ao anatiny ihany. Rehefa mahatsapa izay isika dia resena aloha izay fahavalo volena izay dia tsy misy afa-tsy IZY sisa avela hitantana tanteraka ny fiainantsika ao anatintsika sy manerana.

Ilay fanapahan-kevitra moa no hita hoe tsy ampy na tsy hita mihitsy aza eo anatrehan'ny antson'Andriamanitra ka izany no antony hisavasavana izay tsy izy ao anatintsika sy ny fomba fihevitra rehetra tsy mifanaraka amin'ny tena Sitrapon'Andriamanitra.

IZY no IZY ary tsy misy afa-tsy IZY. Isika dia manorina eo AMINY amin'ny alalan'ny fitaovana nomeNY antsika. Tsy misy izay fahafatesana AMINY ka rehefa mahatsapa izay dia efa zava-dehibe ary tsy dia hahita fandavana loatra araka ny fanontaniana satria IZY mibitsika ao anatintsika no atao hoe antso. Dia izay no zaraina amin'ny namana rehetra. Tsy fanompoana fa fizaràna AZY amim-pitiavana no atao. KA raha milaza hoe azontsika hatao ve ny mangataka andro? Io dia ny tsirairay no mahatsapa na mangatak'andro izy toa an'ilay zanak'adala na hanao toy ny zokiny hijanona an-tranon-dRAY fa ny hany azo antoka dia miverina an-tranon-DRAY daholo izy rehetra. Ka tsy fanontaniana mampitebiteby no tokony havoitra fa fanomezana izay Toky avy amin'i Kristy Mpanalalana azo alain-tahaka.
12. rijadolly ( 02/06/2011 05:24)

Mbola miverina indray Rijadolly ilay resaka fahavalon'Andriamanitra. Ankehitriny dia ny olombelona no mamorona ny fahavalon'Andriamanitra ao anatiny ihany. Rehefa mahatsapa izay isika dia resena aloha izay fahavalo volena izay dia tsy misy afa-tsy IZY sisa avela hitantana tanteraka ny fiainantsika ao anatintsika sy manerana.

Tena azon' Miharena antoka ve fa tsy misy io fahavalon' Andriamanitra io? Mpamitaka antsika ho olony mba ahatanteraka ny fikasany haka ilay Fanjakan' Andriamanitra. Misy ady ao Miharena, miseho matetika ao anatintsika.


Ka tsy fanontaniana mampitebiteby no tokony havoitra fa fanomezana izay Toky avy amin'i Kristy Mpanalalana azo alain-tahaka.

Miray hevitra amin' se aho amin'iny,izay tanterahana ao anaty FITIAVANA, nefa ampiako hoe: tsy azo toriana aminy koa ny tsy fahamarinana hoe samy ho voavonjy avokoa na ny meloka izay tsy mila fanavotana(fanadiovana) ny Ràn' Kristy aza.
fa ny tiako marihina fotsiny

Dia eo no mipetra ilay fanotanian' RBNIR izay mikasika ilay loha hevitra " AZON-TSIKA ATAO V NY MANGATAKA ANDRO LAVA MANOLONA NY ANTSON'ANDRIAMANITRA "
13. rekinbelo ( 03/06/2011 10:46)
miarahaba an'i MIharena iindray.
nahoana moa isika no tsy manana fahavalo?
02 be izao no iadivantsika isan'andro miposaka io, dia ny vantatsika mpanota ary i satana devoly sy ny demoniany izay manaopaka ity tontolo ity.
Isika olombelona dia daholo satria teraka mpanota, ary mila mandresy io isika isan'ndro vaky izao,na dia tsy fanahiniantsika aza dia efa ota izay.Asa mety hanontany koa ngamba enao oe inoa no ota.mizara roa ny ota: ao ny ota mahafaty ary ny ota tsy mahafaty.hazavaiko misisiy ngamba na anokafana dinika manokana io @ manaraka.
I satana ndray koasa dia mitady ny lalàna rehetra ahatonga antsika hanota eto @ ity tontolo tapahany ity ka tsy afa-maina ain'izay indrindra isika Kristianina.
Jesosy aza sahan'y Satana alaina fanahy maika moa fa isika olombelona kely ity .
Ka raha manaiky mny ho voafitaka sy voatarika @ fandriky Satana isika dia tsy ahazo ny Famonjen'Atra mihitsy, izay ilaina maika @ izao fotoana izao, satria tsy fantatrao ny ampitso koa mila mailo isika tsy hangataka andro intsony fa hiezaka hatrany Hanatona ny Ray sy hanara-dia ny zanany dia i Jesosy Kristy.
Zay fa mazoto namana isany a!
14. Miharena ( 05/06/2011 17:50)
Tsy manana fahavalo isika afa-tsy ny tenantsika ihany. Izay foronintsika ho ratsy eo amintsika no fahavalontsika. Izany hoe zava-poronin'ny tena ihany ilay izy ary mihatra tokoa araka ilay teny hoe izay nafafy no jinjaina. Ka arakaraka ny hiadivana no mampaharanitra izay heverina fa fahavalo ary lasa zava-poronina zary manana vatana sy endrika tokoa ilay atao hoe fahavalo na ny devoly izay tanisain'ny olombelona isanandro.

Io ilay hoe omena antsika izay tadiavintsika. Rehefa foanantsika ny teny hoe fahavalo dia olona mazava isika.
15. rijadolly ( 07/06/2011 03:09)
Miharena:

Tsy manana fahavalo isika afa-tsy ny tenantsika ihany.

Tsy tadidiko, fa efa elabe, iza moa no mivohy foana hoe tsy misy izany devoly izany. Dia voateny mafy mihitsy ianao avy eo fa mino ny Devoly. izay tokony hoe mino ny fisian' devoly.
Ny hevitry Zoky Fijo indray amin' maha AT azy dia tsy misy an' izany Andriamanitra izany fa ny tenatsika ihany koa no mamorina io ao amin' tenatsika. Izay mitovy ihany koa amin' heviny ,mazava ho azy, fa tsy mino ny fisian' devoly izy, izay foronitsika ho hisy fotsiny araka io hevitry Miharena io.
Ny tiako marihana Miharena dia ohatry ny manimba ny hevitra rehetra izay hita ao anaty ny Baiboly ny hevitrao, indrindra ny Testameta Vaovao. izay mivohy tanteraka, tokony hiatrehana ny ady misy eo amin' fanjakana roa samy hafa, dia ny devoly rain'ny ratsy, sy RAY, ILAY NAHARY IZAO REHETRA IZAO izay miaraka amin' FANAHY MASINA sy JESOA KRISTY izay nanome fiadina hiatrika io ady io. Atao inona fiadiana?
16. Miharena ( 07/06/2011 04:39)
Miarahaba ny namana Rijadolly indray!
Tsy manimba izay hevitra ao anaty Baiboly velively ny hevitro. Ny fototra hatrany moa no tokony hojerena ao anaty Baiboly vao miresaka izay pitsopitsony naterak'izay tantara fototra izay isika ary mila mihitsy mahalala ny antony nahatonga antsika hanana fijery izay voaforona tsy araka an'Andriamanitra noho izay fizotran'ny tantara izay.
Koa raha niteny aho ny amin'ny hoe ny maha-samihafa an'Andriamanitra sy Lucifer dia mazava ny resako ny amin'ny tantara nisy ka nahatonga ny olombelona hanana fijery manavaka ny tsara sy ny ratsy na fomba fijery mitsara izany. Tsy ambonin'ny ratsy sy ny tsara no niafarany fa lasa ambanin'io lalàna nampahafantarin'i Lucifer io. Io ilay hoe eo ambany vahoan'i Lucifer izay tsy mahatsapa fa ambonin'ny tsara sy ny ratsy , ka mivadibadika eo ny fiainany, mbetika tsara, mbetika ratsy. Miolakolaka toy ny bibilava fa tsy mahitsy.
Ny devoly dia izay fiantso io endrika mibirioka io.
Tsara marihina koa anefa fa voarin'Andriamanitra daholo na Lucifer na iza na iza ary Izy ihany no manitsy azy araka ny fotoany avy ka izany no nahatonga an'i Kristy izay fahamarinana sy fahitsiana. Famerenana amin'ny laoniny no asan'i Kristy ka na i Lucifer aza dia hanana ny anjarany amin'izany asa farany izany. Tsy fahafatesana fa famindram-po no ho azony satria rehefa mifoha daholo izao rehetra izao fa tenan'Andriamanitra na koa hoe sombin'ain'Andriamanitra dia mazava daholo ny zava-drehetra ka izay haizina noforonin'i Lucifer izay nipaka tamin'ny olombelona (nitarika finoanoam-poana, fitsaratsaram-poana, fitiavan-tena manimba ny hafa, fahatotoran'ny hazavan'ny AINA ao anatin'ny tsirairay noho izany toetra izany) dia ho foana ka tsy hanam-pamaharana ny amin'izany intsony ny fanahin'ny olona fa izay AINA FOTOTRA sisa no hizotra amin'ny lalam-baovao. Io no fandresena fa tsy fitaovam-piadiana araka ny filazanao azy RIjadolly io. Ny fahazavana sy ny fitiavana no fitaovam-piadiana fa tsy sabatra vita amin'ny vy.
Hoy i Kristy hoe mivavaha ka aza mitsahatra, tiavo ny fahavalonao, tiava ny namanao tahaka ny tenanao, Aza mitsara mba tsy hotsaraina, Ny tavan-drahalahy mandranitra ny tavan-drahalahy sy ny sisa dia mifototra amin'ny fkarohana ao anatin'ny olona ihany izay tsy mahitsy ao anatiny ka hahay hanova fijery tanteraka araka ani' Kristy.
Io moa no antony nilazan'i Kristy ny amin'ny hoe esory aloha ny andry be eo anoloan'ny masonao dia hoa hainao ny manala ny sombin-kazo amin'ny mason'ny namanao. Io andry be io no devoly noforonintsika olombelona fa tsy noforonin'Andriamanitra.

Farany, izay noforonin'Andriamanitra hoy aho dia manana ny fahafaha-mamorona ka izany no nahafahan'i Lucifer namorona izay tiany natao ary hitantsika porofo izao ary isika koa dia manana izany ka afaka misafidy tsara fa ny lalana dia iray ihany ary miverina amin'Andriamanitra.
17. RBNIR ( 07/06/2011 08:18)
Faly miarahaba namana isany,
Tsy lasa otran'ny mihitatra b v ilay resaka ry namana isany, mampalahelo satria toa takona ilay message nalefako teto,
Ilay lioka.14:7-24 dia mazava B fa mitaona an-tsika mba hibebaka avy hatrany raha vao mahare ny antson'Andriamanitra fa tsy angatak'andro lava na hamorona "excuses" lava izao satria tsy sitrak'Andriamanitra izany.
Hafatra ampitaina am-pitiavana amin'ny namana rehetra, Mibebaha faingana, Matahora an'Andriamanitra, omeo voninahitra Izy.
Jereo ny fandaharana (jereo ny profileko) ianaro malaky dia malaky, ny fomba fibebahana, fiverenana amin'Andriamanitra, ny fanalana ny ota izay manandevo ao anaty ao ka tsy ahaizanao manao ny sitrapon'Andriamanitra,
Avoty ny tenanao sy ny ankohonanao.

Samy ho tahin'i Jesosy isika rehetra.
18. Miharena ( 07/06/2011 16:29)
Miala tsiny be RBNIR fa dia hoatry ny lava kabary tokoa izahay.
Fa mba azonao omena ve hoe aiza ilay profile-nao?
19. RBNIR ( 08/06/2011 04:53)
Miharena:

Miala tsiny be RBNIR fa dia hoatry ny lava kabary tokoa izahay.
Fa mba azonao omena ve hoe aiza ilay profile-nao?

Faly miarahaba namana,
Tsy misy tsiny tsiakory,
Raha mijery ny profile (RBNIR) ianao dia izao no anisan'ny ho hitanao ao namana (voasoratra ao amin'ny eritreritra mandalo .

Fahasoavana lehibe no azoko tamin'i Jesosy Kristy Tompo, noho ny fahampafahantarany ahy fomba fandosirana ny AfoBe sy ny fomba atao mba ahazoana antoka ny fiainana mandrak'izay.
Raha tianao dia arao ao amin'ny Télé Jery isa-maraina (Alatsinainy ka hatramin'ny Sabotsy) amin'ny 5 ora ka hatramin'ny 6ora maraina ny fandaharana Vitao ny Asan'ny Fahamarinana izay hampianatra anao ny sitrapon'Andriamanitra mba hanaovanao Azy satria izay ihany no antoka tokana ahafahana miditra ao amin'ny Fanjakan'ny Lanitra (Matio.7:21).
Ny Tompo anie hitahy an-tsika rehetra.

Koa dia mazotoa manaraka ilay fandaharana namana,

Samy ho tahin'ny Tompo.
20. rijadolly ( 10/06/2011 19:12)
Mialatsiny betsaka RBNIR fa tena lasa HS araky ny teniko eo ambony io ilay izy. Nefa mba mangataka an' se ihany ny tenako mba hitatitra ny zavatra voalaza ao fa tsy afaka mijery ilay izy noho ny asa. Misaotra mialoa e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3404