NY FANAHY NO OLONA (FANALAHIDIN'NY FIVAVAHANA)

1. RUZ9 ( 20/05/2011 13:30)
Samy manana ny heviny ny tsirairay sy ny isam-piangonana raha fivavahana no resahina. Toa tsy hitan'ny tsirairay akory fa lasa ny DOGME no tena zava-dehibe ary ny hahazo olona maro fotsiny no lasa tanjon'ny fiangonana tsirairay fa tsy ny hitarika azy any @ tena fahamarinana. Tsy asiako resaka ny resa-pinoana sy antokom-pivavahana; ity kosa lalana hitarika ny tsirairay handala ny fahamarinana "NY FANAHY NO OLONA" (jereo ato) http://cyrius.centerblog.net
novalian'i RUZ9 ny 22/05/2012 10:55
2. rekinbelo ( 24/05/2011 12:20)
resa-pinoana izao io satria finaoan-tsika malagasy anie io e.mbola tafiditra ao anaty ny Philosophie gasy izao io resaka ao @ io bloog io.
raha dinihana tokoa ny finoana rehetra eto an-tany dia presk ny 99% no mino sy manaiky io finoana ny atao hoe fanahy tsy mety maty io, ary na fivavahana tandrefana na tatsinanana na aty afrika dia mitovy fomba fijery daholo ny momba ny atao hoe fanahy.
Tena zvt hafa mihitsy anefa raha hoe ny Baiboly no jerena mikasika ny atao hoe fanahy. ary tsy mety mitovy mihitsy ny fomba fijerin'ny Baiboly sy ny philosophie tsika olombelona.
fa izany hoe ny fanazavana ny malagasy sy ny fampiasany ny hoe fanahy no tiako sy mazava kokoa noho ny an'ny firenena hafa eran-tany.
3. Miharena ( 25/05/2011 16:24)
Raha manaraka ilay famelabelarana ao amin'io bilaogy io dia tsy dia resa-pinoana loatra fa famaritana izay endrika isehoan'ny fanahy ny ao. Ny hany mbola tsy hitako ao dia ny momba ilay fanahy Boudhique sy Aura Christique ambarany ao. Mba azon'i RUZ9 velabelarina ve izy ireo?

Inona no mampihaona ny Kristianisma sy ireo voafaritra ireo?
4. rijadolly ( 25/05/2011 18:53)
RUZ9>>>>>>

Fanampin'io fanotanian' Miharena io koa, Azon' se azavaina aminay ve ny maha samy hafa ny Fofon'aina, fanahy maha olona, sy ny fanahy hafa miditra; raha samy hafa, na ny fitoviany?
eo foana mantsy no mahatonga olana matetika, tsy hoe tsy namaky ilay blaogyn' se aho fa tiako mba ahazava amin'teny foy ilay izy. Dia, avy eo ny rehetra samy manome ny heviny, mba mazava kokoa amin'izay ilay tsy azon' ny sasany na ny hevitra entiny hanoherana ny hevitry se.
5. Racesco ( 19/05/2012 16:03)
Fa zah ko mba tehanontany oe: ho an'ny malagasy, makaiza marina moa zany io fanahy io rehef maty?
rijadolly:

RUZ9>>>>>>

Fanampin'io fanotanian' Miharena io koa, Azon' se azavaina aminay ve ny maha samy hafa ny Fofon'aina, fanahy maha olona, sy ny fanahy hafa miditra; raha samy hafa, na ny fitoviany?
eo foana mantsy no mahatonga olana matetika, tsy hoe tsy namaky ilay blaogyn' se aho fa tiako mba ahazava amin'teny foy ilay izy. Dia, avy eo ny rehetra samy manome ny heviny, mba mazava kokoa amin'izay ilay tsy azon' ny sasany na ny hevitra entiny hanoherana ny hevitry se.
6. Miharena ( 20/05/2012 04:09)
Somary efa ela ity lohahevitra ity ary nipoitra tampoka indray satria manitikitika tokoa ny mamantatra ny vontoatiny sy ny tiana hahatongavana aminy.

Raha ilay fanontaniana napetrak'i Rijadolly ohatra dia fanontaniana momba ny karazam-pisehoan-kendrik'izay mandrafitra ny mampihetsika sy manome aina ny olombelona sy izay mety mahazo azy. Miompana amin'ny zavatra tsy hita fa tsapa toy ny fofon'aina sy ny fanahy maha-olona. Ny fofon'aina dia mazava fa izay mampihetsika ny vatana fa ny fanahy kosa dia izay endrika fototra manome ny tondrozotra rehetra izoran'ny fiainan'ny olombelona tsirairay. Mitovy avokoa anefa ireo satria iray no Loharano nipoirany.

Anisan'ny sehatra fohy dia fohy ny fiheverana sy fametrahana fanontaniana hoe mankaiza io aina sy fanahy io rehefa ilaozana ny vatana. Ny ana'ny Malagasy dia efa mipetraka mazava tsara fa tsy maty ny fanahy fa manohy ny asany, ary ataoko fa iraisan'ny olombelona maro erantany izany. Raha Kristianina dia mazava fa ny maha-Kristy ny tsirairay no voambara ao ary tokony hotanana amin'ny Teniny i Kristy ny amin'izany ary tsy tokony hihanahana ny olona indrindra fa raha manana ny kolontsaina Malagasy izy hoe tsy maty ny fanahy.

Rehefa tena mijery indray ny kristianisma isika nefa dia misy lalan-jotra roa io fanahy io dia fiadanana mandrakizay sy fahoriana mandrakizay. Eo no mila vahana satria mety misy fe-potoana nahadiso ny fomba fiheverana ihany eo amin'io kolo fanahy io. Ny fomba ivoahana amin'izany dia ny fitadiavana ny maha-fanahy aloha, dia ilay fanahy tsy misy kilema avy amin'ny Loharano nipoirana dia ny Ray voalazan'i Kristy. Finoana tsy mihambahamba no azo ilazàna azy io ary io no fahaterahana tian'i Kristy hananan'ny Fariseo izay diso nirona tamin'ny kolontsaina fa tsy kolom-panahy. Tsy ampy ny fampahafantarana ny olona ny maha-IRAY ao amin'ny Ray azy tamin'ny Fariseo sy ny Mpanora-dalàna fa i Krsity no nameno azy ho feno tanteraka ka mampifoha ny olona. Ny olona mifoha dia izay mahatsapa fa IRAY ao amin'i Kristy sy ny RAY.

Dia rehefa miverin amin'ny singa mandrafitra ny olombelona isika dia mahita fa misy ny fanahin'aina izay miahy ny nofo izay mety malemy ary misy ny fanahy fiainana izay Fototra izaisana amin'ny RAY nipoirana. Izay mirona amin'ny iray izay voambara fa mitodika loatra ami'ny maha-nofo (materialisma) no tafaroboka amin'ny haizina fa izay mahatsinjo fa tsy nofo izy fa fanahy no manam-piadanana sy mifoha ary mahatsapa tsara fa miaina ara-panahy.
7. RUZ9 ( 22/05/2012 10:55)
Miala tsiny indrindra fa izao vao hitako ireo hafatra napetrakareo.
Maromaro ireo fanontaniana napetrakareo izay tsotra nefa mila valiny lalina ny sasany.
Ny @ fofon'aina : raha resaka aina dia io ilay antsoina hoe corps étherique na double étherique.

Vatana fotsiny isika fa tsy mahatsiaro tena ary tsy af-mihetsika raha tsy misy azy io....
Ny hoe fanahy maha-olona indray ahitsiko kely FANAHY NO OLONA no tena izy. Ireo fanahy izay mampiavaka antsika @ biby (voazava ao @ blaogy izy io ka azonao iverenana vakina).

Ny corps bouddhique sy ny aura christique indray. Ny mety indrindra dia ny mijery ireo pejy misy fanazavana @ teny vahiny ao @ http://cyrius.unblog.fr
Feno kokoa ny fanazavana ao, raha mbola tsy mazava dia vonona ny hamaly anao hatrany aho.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4522