Ataovy fialofanao ny anaran'i Jehovah

1. Mpanazava ( 18/05/2011 15:19)
EFA tratran’ny orana ve ianao, ka nitady fialofana teny ambany lavarangana? Mety
ho voaro tsara ianao teo ambanin’izy io, satria orana fotsiny ilay izy. Tsy ho voaro kosa
anefa ianao eo ambany lavarangana, raha misy rivo-doza.
Misy loza mananontanona koa ankehitriny. Hisy loza toy ny «tafiotra» hamely, ka hisy
vokany amin’ny olombelona rehetra. Antsoina hoe «andro lehiben’i Jehovah» izy io. (Vakio ny Zefania 1:14-18.) Misy toerana voaro tsara anefa azonao ialofana. Ahoana no ahafahanao mialoka ao, mandritra an’io «andro fahatezeran’i Jehovah» io?
novalian'i Mpanazava ny 27/05/2011 11:19
2. bor2lais ( 19/05/2011 08:05)
Mahavaly an'i Mpanazava ve ity nosoratan'i Rasoaly etsy ambany ity ?
rasoaly:

Manahoana daholo isika,mahereza mivavaka ary ankino amin'izy Tompo foana ny fiainantsika isan'andro,aza misaraka Aminy.Jesoa o,mifona Aminao izahay tamin'ny fahotana rehetra vitanay,mamindrà fo aminay ry Tompo.Ny fiadanan'ny Tompo anie ho amintsika tsirairay avy.
3. rekinbelo ( 19/05/2011 15:30)
Bor2lais a!
zaho tsy mivavaka @ Jesosy izany, i Jesosy aie ka mpanelanelana amintsika sy Jehovah e!
rehefa tsy manaiky an'i Jehovah ho Andriamanitra sy Tsitoha ianao dia tsy mahazo fialofana mihitsy, koa mila fantarina tsara aloha hoe iza izany Jehovah izany, inona no fikasany sy ny faniriny ary ny zavatra ilainy antsika olombelona.
Rehefa fantatrao ny sitra-pony dia alofany tsara ianao ary arovany @ andro lehibe sady mahatsiravina ary tsy mbola nisy hatrizay nisian'izao tontolo izao.Enga anie ka samy hotafita velona daholo isika rehetra satria tena efa antomotra anie ny andro e!faminaniana 02 eo sisa dia vita tanteraka izy ity koa mahereza mitady an'i Jehovah e!
4. bor2lais ( 19/05/2011 15:48)
Rekinbelo >> zonao mihitsy ny manaraka izay inoanao ka ! Tsy manery n'iza n'iza mihitsy aho ange ! :-)
5. RBNIR ( 20/05/2011 06:20)
rekinbelo:

Bor2lais a!
zaho tsy mivavaka @ Jesosy izany, i Jesosy aie ka mpanelanelana amintsika sy Jehovah e!

Faly miarahaba namana,
Dia ahoana no mba fandraisanao an'ity tenin'i Jesosy Tompo inty raha izany?
« Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako* ianareo, dia hataoko izany. [*Na: mangataka zavatra amin'ny anarako] » (Jaona 14:14).
"hataoko izany" hoy Izy,
inty koa misy teny anankiray tany aloha b tany raha mbola tsy teraka akory izy izay nilaza ny momba Azy.
« Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga] » (Isaia 9:5)
Sintoniko avy ao ireto : "......Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga] » (Isaia 9:5)"

Diniho tsara namako, diniho tsara ihany, I Jesosy Tompo anie no mpanao Batisa amin'ny Fanahy Masina e! nefa izao no ihany koa no voasoratra : "« Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. » (Romana 8:9).
"tsy Azy izy " hoy ny teny mampitahotra an

Samy ho tahin'ny Tompo e!



6. Mpanazava ( 20/05/2011 11:50)
Misaotra sy mankasitraka an'i RBNIR amin'ny famoahana ny hevitrao. Fotoana fitadiavana ny marina tokoa izao. F'andeha aloha isika hijery ny tamin'ny andro fahiny, avy eo hijery ny tamin'ny andron'ny Jesosy ary amin'ny farany ny amin'ny androntsika. Tsy vo sambany manko no nisy andron'i Jehovah.
Ny fivavahan-diso rehetra no horavana voalohany amin’ny andron’i Jehovah. Ahoana no hahafahantsika mahita fialofana amin’izay? Hanampy antsika ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra fahiny. Naminany i Isaia fa hihatra amin’ny foko folon’ny Israely nivadi-pinoana ny didim-pitsaran’i Jehovah, izay toy ny «oram-baratra» tsy azo andosirana. (Vakio ny Isaia 28:1, 2.) Tanteraka tamin’ny 740 T.K. io faminaniana io, rehefa nanafika an’ireo foko ireo ny Asyrianina.
Tonga tamin’ny fanjakan’i Joda sy Jerosalema renivohiny koa ny «andro lehiben’i Jehovah» tamin’ny 607 T.K. Nahoana? Satria nivadi-pinoana ny mponin’i Joda. Rehefa nandrahona an’i Joda sy Jerosalema koa ny Babylonianina notarihin’i Nebokadnezara, dia tany amin’ny Ejipsianina izy ireo no nitady fanampiana. Nanao fifanekena tamin’ny Ejipsianina izy ireo, ary io fifanekena io no
nataon’izy ireo «ï¬alofana.» Toy ny havandra anefa ny Babylonianina ka ‘nipaoka’ an’io «ï¬alofana» io. Tsy nahavita niaro an’i Joda izy io, ka antsoin’ny Baiboly hoe «lainga fialofana.»â€”Isaia 28:14, 17
Horavan’i Jehovah toy ny nandravana an’i Jerosalema ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Horinganina koa anefa avy eo ny sisa amin’i «Babylona Lehibe», izany hoe ny fivavahan-diso hafa mbola tsy rava. Hofoanana avy eo ny sisa amin’ny tontolo ratsin’i Satana. Ho tafavoaka velona anefa ny vahoakan’Andriamanitra, satria mialoka amin’i Jehovah.—Apok. 7:14; 18:2, 8;
19:19-21.
7. RBNIR ( 20/05/2011 12:01)
Mpanazava:

Misaotra sy mankasitraka an'i RBNIR amin'ny famoahana ny hevitrao.

Faly miarahaba namana,
Andriamanitra ihany no hisaory namana, Andriamanitra ihany fa isika fitaovany fotsiny ihany,

samy ho tahin'ny Tompo daholo ka homeny ny fahazavan-tsaina rehetra,
8. rijadolly ( 21/05/2011 03:44)
Mpanazava sy Rekinbelo>>>>>>>

Afaka mba mamaly ity fanotaniako ity ve ianareo, Iza ilay Kristy, efa tonga teto an-tany ve Izy io sa mbola hoavy, raha efa tonga dia mbola ho avy indray ve?

Avy amin' valin'ireo fanotaniana ireo no hamaliako na hanekeko ity sarin-teny ity
Mpanazava:

EFA tratran’ny orana ve ianao, ka nitady fialofana teny ambany lavarangana? Mety
ho voaro tsara ianao teo ambanin’izy io, satria orana fotsiny ilay izy. Tsy ho voaro kosa
anefa ianao eo ambany lavarangana, raha misy rivo-doza.


Rekinbelo:

zaho tsy mivavaka @ Jesosy izany, i Jesosy aie ka mpanelanelana amintsika sy Jehovah e!
rehefa tsy manaiky an'i Jehovah ho Andriamanitra sy Tsitoha ianao dia tsy mahazo fialofana mihitsy, koa mila fantarina tsara aloha hoe iza izany Jehovah izany, inona no fikasany sy ny faniriny ary ny zavatra ilainy antsika olombelona.
9. Miharena ( 22/05/2011 16:24)
Mpanazava:

Ahoana no ahafahanao mialoka ao, mandritra an’io «andro fahatezeran’i Jehovah» io?


Mitombina ve ilay resaka fahatezeran'i Jehovah?
Izany hoe mety tezitra ve Jehovah? Tsy be famindram-po sady mahari-po angaha Izy?
10. Mpanazava ( 23/05/2011 06:02)

Hoy i Rijadoly
Afaka mba mamaly ity fanotaniako ity ve ianareo, Iza ilay Kristy, efa tonga teto an-tany ve Izy io sa mbola hoavy, raha efa tonga dia mbola ho avy indray ve?




Valiny: www.watchtower.org/mg/bh/article_04.htm
11. rijadolly ( 24/05/2011 11:46)
MATIO 28 : 18 Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy et? an-tany;

JAONA 17 : 5 Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin'ny tenanao, dia amin'ny voninahitra hiarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.6 Nasehoko tamin'ny olona izay nomenao Ahy avy tamin'izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao.7 Fantany ankehitriny fa avy taminao izay rehetra efa nomenao Ahy.8 Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny, ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho; ary nino izy fa Hianao no naniraka Ahy.9 Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an'izao tontolo izao Aho, fa ho an'izay nomenao Ahy, satria Anao izy.10 Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazana eo aminy Aho.11 Ary tsy ho eo amin'izao tontolo izao intsony Ahy, fa izy ireto no ho eto amin'izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin'ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika.12 Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin'ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masina.
12. rekinbelo ( 24/05/2011 12:29)
mila fantarina aloha i Kristy namana a,maro loatra mantsy ny olona tsy mahafatatra tsara an'i Kristy ka lasa manaonao foana rehefa mivavaka. ka izany foana ny mahatonga antsika tsy mitovy hevitra matetika noho izay fahalalana tsy mitovy izay.
13. Miharena ( 25/05/2011 09:21)
Rekinbelo:

mila fantarina aloha i Kristy namana a,maro loatra mantsy ny olona tsy mahafatatra tsara an'i Kristy ka lasa manaonao foana rehefa mivavaka. ka izany foana ny mahatonga antsika tsy mitovy hevitra matetika noho izay fahalalana tsy mitovy izay.


JAONA 17 : 5 Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin'ny tenanao, dia amin'ny voninahitra hiarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.

Ity tanisa ity Rekinbelo no mamaritra an'i Kristy. Izany hoe mbola tsy ary izao tontolo izao dia efa nanana voninahitra miaraka tamin'Andriamanitra Izy. Isika no mety ho taty aoriana fa Izy efa hatrizay nanorenana izao rehetra izao. Izay no mahaIRAY ao amin'ny Ray Azy.
14. Mpanazava ( 27/05/2011 10:15)
Miharena

JAONA 17 : 5 Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin'ny tenanao, dia amin'ny voninahitra hiarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.

Ity tanisa ity Rekinbelo no mamaritra an'i Kristy. Izany hoe mbola tsy ary izao tontolo izao dia efa nanana voninahitra miaraka tamin'Andriamanitra Izy. Isika no mety ho taty aoriana fa Izy efa hatrizay nanorenana izao rehetra izao. Izay no mahaIRAY ao amin'ny Ray Azy.


Amin'ny saina tsy mitanila, tsy persona 2 samy hafa ve vao mahavita an'io resaka nifanaovan'i Jesosy sy ny Rainy io?

Nanampiandohana ve i Jesosy , ary ny i Jehovah?

Tsy aleo ve hanokafana lohahevitra vaovao ny tohin'io sao mivona. Soso-kevitra ny ahy.
15. Mpanazava ( 27/05/2011 11:19)
Efa afaka mahita fialofana anefa ny vahoakan’Andriamanitra, na dia amin’izao androizao aza, izay fantatsika fa andro farany. Afaka ny hahita fialofana ara-panahy izy ireo, izany hoe miaro ny fifa-
ndraisany amin’Andriamanitra. Hahazo izany ny olon-kafa, raha manome voninahitra ny
anaran’Andriamanitra ka «misaintsaina» azy io, sady mazoto manompo azy. "Ary tamin'izany izay natahotra an'i Jehovah dia samy niresaka tamin'ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an'i Jehovah sy mihevitra ny anarany.Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy. Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian'ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy."(Malakia 3:16-18.)
Tsy ampy anefa ny misaintsaina ny anarany. Hoy mantsy ny Baiboly: «Izay rehetramiantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.» (Rom. 10:13) Miantso ny anaran’Andriamanitra koa ve ianao, mba ho voavonjy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2478