fille fidèle ça existe encore ? VEHIVAVY HIARAHANA = VOLA HANANANA

1. midjoh ( 18/05/2011 07:58)
Ny vehivavy ankehitriny dia tena matin'ny vola! Mampalahelo sniff ! za mipetraka aty tamatave fa mahatsapa sy mahita fa raha vao misy vazaha mikôty sipa gasy dia tsy maintsy zakany.Tsy hoe ilay vazaha beau goss na cool fa MANAMBOLA !!! (zay fotsiny dia ampy). ny formul zany dia hoe: VEHIVAVY HIARAHANA = VOLA HANANANA
novalian'i euh ny 08/06/2011 09:24
2. m.i.s.a ( 18/05/2011 09:13)

midjoh:

Ny vehivavy ankehitriny dia tena matin'ny vola! Mampalahelo sniff ! za mipetraka aty tamatave fa mahatsapa sy mahita fa raha vao misy vazaha mikôty sipa gasy dia tsy maintsy zakany.Tsy hoe ilay vazaha beau goss na cool fa MANAMBOLA !!! (zay fotsiny dia ampy). ny formul zany dia hoe: VEHIVAVY HIARAHANA = VOLA HANANANA
nefa dia hoy ianao atsy ambadika atsy hoe
midjoh:
midjoh - 18/05/2011 10:05
Statistika no miteny fa ny isan'ny vehivavy dia avo efatra eny ny isan'ny lehilahy. ka ho fanomezana fahafaham-po an'ireo vehivavy zay mbolo tsy misy mpitia dia tsy hamena tsiny intsony ny lehilahy manana sipa na "DEUXIEME BUREAU" any ivelany. sa ahoana ry bandy akama isany !!!

ianareo zany vonona hampirafy nefa tsy mahatanty hoe lasan'ny vazaha ny sipa????
3. mirananirina ( 19/05/2011 14:24)
Tsy tokony homena tsiny izy ireo fa vola no hozatry ny fiainana.mafy de mafy..raha hisafidy ihany izy ireo aleony maka ny manambola.=a raha lhl tsy anina tsy anina kosa ve @ fiainana efa lafo be zao...Raha ny eto aminay indray manko no jerena dia ny contraire...ny lhl eto mitady vhv manambola
4. soanja ( 20/05/2011 00:30)
Ka isan-karazany anie ny fijerin'ny olona iray ny atao hoe fitiavana e. Tsy ho voatery ho bogosy ilay bandy na hoe cool izany koa fa mety misy zavatra hafa manintona azy any amin'ilay olona tsy tazanao ety ivelany.

Na izany anefa na tsy izany dia mampalahelo raha mirona amin'ny vola ny fisainan'ny olona iray vao afaka hiaraka amin'ny olona iray izy saingy mahantra ny firenentsika koa tsy misy anomezantsiny intsony satria tsy avy aminy irery no olana fa avy amin'ny antony isan-karazany eo amin'ny fiarahamonina ihany. Raha mahatafita azy izany vazaha izany dia isaorana Andriamanitra fa raha saingy kosa hilalao azy fotsiny dia izay izy vao tena voabe satria lasa ailikin'ny fiarahamonina.

Ny hitako fanafodiny dia isika tovolahy Malagasy mila miezaka mamoaka izay tsara indrindra eny amintsika, fahaizana, fahendrena, talenta, mihetsiketsika mitady vola manao izay hahatafita dia rehefa feno ireo dia ho hitanao fa tsy mila sahirana akory ianao fa dia mirongatra avy any vehivavy be dia be te hitia anao satria any aminao ny SINTONA ilainy!
5. aavo ( 20/05/2011 18:49)
tena marina ny anao ry soanja! kanefa misy anie vehivavy efa novolena ao aminy mihintsy ny hoe hiaraka amina vazaha e! rehefa any amin'ny moron-tsiraka ianao no tena mahita an'izany (tamatave, st marie, nosy b...), nefa ny lehilahy gasy mba mety mahafeno ireo fepetra nolazainao ireo ihany.

Ny mampalaelo dia ny mahita ny vazaha lehibe antitra miaraka amina zazavavy kely mbola vao heritreriny. Mahantra tokoa ny tanintsika. Mahantra amin'ny lafiny rehetra mihintsy.

6. soanja ( 24/05/2011 03:04)
aavo:

tena marina ny anao ry soanja! kanefa misy anie vehivavy efa novolena ao aminy mihintsy ny hoe hiaraka amina vazaha e! rehefa any amin'ny moron-tsiraka ianao no tena mahita an'izany (tamatave, st marie, nosy b...), nefa ny lehilahy gasy mba mety mahafeno ireo fepetra nolazainao ireo ihany.

Marina mihitsy io teninano io ka. Kolontsaina ibeazan'ny maro any amorontsiraka sasany ny te hanambady na hiaraka amin'ny vazaha. Efa nolovany tamin'ny ray aman-dreniny teo aloha sns sns... zava-dehibe amin'izy ireo ny manambady vazaha dia izay no mba faniriany noho izany.

Isika no mila manamboatra saina hoe tsy ao anaty valan-tsafidiny izany isika lehilahy malagasy noho izany dia tokony handefitra na hoe manaja ny safidiny isika. Tadidio fa amin'izao fotoana izao dia mety tsy mandaitra intsony ny hoe samy gasy no tokony hifampijery sy ifanambady fa efa tena nilaozan'ny toetrandro izany. Efa maro loatra ireo vazaha sy ny hafa razana miditra any amintsika ka lasa mitombo ny safidy eo. Ary ambadika ary rahateo misy lohahevitra miteny fa mihabetsaka ny vehivavy ao Mada. Raha izany dia aleo izy ireo mba hanana anjara vazaha.

Hitako aty aminay dia lavitra be aty dia hoe izy samy fotsy no tena mifanambady, dia izy samy mainty, dia izy samy maramara toa ahy. Raha vao misy mifangaro dia efa ranga daholo ny mason'ny rehetra. Na izany anefa na tsy izany dia efa manaiky ny fiarahamonina fa izay mifankatia dia aoka hiaraka.

7. andreasr ( 27/05/2011 10:50)
l'amour fait tous, mais l'argent fait bcp
8. vale ( 27/05/2011 11:18)
midjoh:

Ny vehivavy ankehitriny dia tena matin'ny vola! Mampalahelo sniff ! za mipetraka aty tamatave fa mahatsapa sy mahita fa raha vao misy vazaha mikôty sipa gasy dia tsy maintsy zakany.Tsy hoe ilay vazaha beau goss na cool fa MANAMBOLA !!! (zay fotsiny dia ampy). ny formul zany dia hoe: VEHIVAVY HIARAHANA = VOLA HANANANA

slt midjoh!

tsy ny vehivavy rehetra kosa e! ary sao kosa toi dia anisan'ireny olona mpitsiriritra ireny rehefa eny an-tanan'ny hafa ilay hvh, misy izany a, raha tsy eny am olonkafa vao mahasintona sy mahataitra, enga anie tsy ho toy izany, fa misy ary bedebe ny vhv mila fitiavana "marina" anjaranao ny mila mikaroka azy ireo, aza kivy, izay matimbola aza jerena akory e, avelao ho any , ilay vazaha aza izany mba mampalahelo anie e, miesona be, hihihi, bonne chance!
9. ravonjison ( 27/05/2011 14:11)

midjoh:

Ny vehivavy ankehitriny dia tena matin'ny vola! Mampalahelo sniff ! za mipetraka aty tamatave fa mahatsapa sy mahita fa raha vao misy vazaha mikôty sipa gasy dia tsy maintsy zakany.Tsy hoe ilay vazaha beau goss na cool fa MANAMBOLA !!! (zay fotsiny dia ampy). ny formul zany dia hoe: VEHIVAVY HIARAHANA = VOLA HANANANA

Itý indray ny ahy no mba anjara birikiko amin' io lohateny io.

Ny fitiavana dia tsy voatery ho fehezina amin'ny zavatra iray hoe : tiako ianao dia hiaraka mandrapahafaty isika. Maro isankarazany ny loharano ipoirany , ary maro isankarazany koa ny fomba fisehony.

1-Tadidiko fa tsy vao ela teto nisy resaka ady hevitra hoe : misy vazaha vavy ireny any amorontsiraka any matetika tara amin'ny bandy gasy " rastaman" ( ireny toa an'i Bob Marley ireny, volo mirandrana sns...). Ilay bandy naka hevitra teto anefa mba te hahazo vazaha vavy mafy , kanefa tsy hainy ny fika hatao. Ny torohevitrako farany moa dia ny hoe : ianaro ny filozofian ' reny rastaman ireny dia ataovy ny fomba ataony, fa ho tara aminao koa ireny vazaha vavy ireny....Tsy fantatro moa ny niafarany raha mba nahazo i leiry na tsia. fa ny tiako lazaina dia ny hoe : tsy vola indray no mahasarika ireo vazaha ireo , fa ilay filozofia rastaman.
2 - Aty andafy atý indray dia misy toerana na tanana, rehefa mahay mandihy ianao dia matetika manaitra ireo vazaha vavy ireo, ary tena mifidy fotsiny avy eo. Ny volon-koditra dia tsy mampaninona azy mihitsy. Resaka dihy indray izany no manandanja amin'ireo vehivavy.

3 - Hoan'ny lehilahy indray anefa, dia nisy fotoana izay mba niresahanay ( ady hevitra mihitsy ilay izy) bandy samy etranger tatý hoe : ahoana no fomba hijanonana aty Eoropa, rehefa vita ny fianarana, mba ahazoana miaina ara-dalána. Dia bandy efa zokinjokiny iray izay mba nanoro hevitra fa tsaratsara raha maka sipa vazaha, mizatra tsara ny fombany dia avy eo manambady azy. Ka herefa azo ny papier dia eo amin'izay ianao manapa-kevitra. Raha tena tinao izy dia mitohy ny fiarahana, raha tsy tianao izy dia misaraka ianareo avy eo. Satria raha sipa gasy na vahiny no hiarahanao, dia sarotra aminao ny hijanonana eto avy eo . Tsy ireny sipa vazaha nandalo oniversité ireny anefa no tsara iarahana satria ireny mety tonga dia mahafantatra ny paikanao, fa tsara raha ireny manana bacc ireny fotsiny , na ireny somary tambanivohitra ireny, tsy mahalala ny fandehanjavatra, na koa ireny somary ratsiratsy tarehy ireny, mora lany zara amin'ny samy vazaha dia mora sarihana....

Nisy tokoa ny nanambady vazaha ary hatramin'izao dia milamina ny fiainany, zaza, fianakaviana. Izany hoe : ilay eritreritra hoe hijanona any Eoropa no nahatonga azy nitady sipa vazaha, ary nanambady, ary koa tia tsara ny vadiny.
Ilay bandy iray namako avy any Tanzania izay indray anefa dia tena hafa ny trangany. Nanambady vazaha tokoa izy ( izahay taona maromaro tsy nifankahita), fa rehefa afaka taona maromaro izy dia tonga tao amiko haka fanampiana: mila trano sy taratasy hipetrahana hono izay satria efa hisaraka ry zareo ka tsy afaka mipetraka ao amin' ny vadiny intsony izy. Dia hoy aho hoe : fa maninona no hisaraka ? dia hoy izy: ny Ray aman-dRenin ' ïlay sipa efa manery anay fa te hanana zafikely. Izaho anefa tsy te hanan-janaka aminy.
Eny hoy aho , ho atao izay azo atao, fa mba ho eto aty aloha ilay vadinao mba miresadresaka.
Dia tonga izy niaraka tamin'ilay vadiny: saika torana aho nahita ilay madama , tsy tarehy tsy bika, tsy nandalo oniversite, matavy be mila tsy afaka mandeha.... Dia nisaraka tokoa ireo avy eo.
Ny tiako lazaina izany dia izao e, lava loatra ilay izy: tsy vola , na tarehy , na fahaizana indray no nahatonga ireo bandy ireo hitia vazaha fa ilay hoe mba hijanonana any Eoropa.

Ho feheziko ilay izy: na lehilahy , na vehivavy dia samy hafa ny fomba hitiavany : ao ny manao hoe : 10% vola , 90% tarehy. Ao indray ny manao hoe : 40% endrika, 60% toetra.Ao ny manao hoe : 60% toetra, 40% fahaizana, ao indray 90% vola, 10% endrika....sns...
Tena samy manana ny fomba fijeriny sy ny mahamaika azy, ary koa ny nampianarina azy. Ao ny miezaka ny mampiditra ilay fitiavana mba hifanaraka amin'ny mahamaika azy sy ny fomba fijeriny. Ao indray ny tonga dia manasaraka ilay izy : vola aloha ny ahy izao no ilaiko, ny fitiavana amin'ny manaraka ...

Ka dia aza tonga dia manome tsiny na gagagaga, fa raha toa mba te hahazo sipa ianao dia jereo tsara hoe : inona no mety manaitra sy mahasarika ny vehivavy eo aminao. Dia iny no kolokoloy sy asongadino tsara. Mino aho fa tsy maintsy misy foana sipa voasarikao amin'izany, tsy ny vehivavy rehetra akory no mametraka ny vola ho prioritaire n.1 eo amin'ny fitiavany.
Fa raha ianao hifaninana amin'ny vazaha manambola , dia mety ho lany andro na sorena fotsiny.

10. soanja ( 28/05/2011 05:44)
ravonjison:

Ekena tanteraka! Misaotra nanome fanazavana.
11. MitovyB ( 02/06/2011 17:27)

Slt! D ra vevavy tsy anin tsy anin koa moa ry zalah atoa in ?.Ny tena marina D zao: Ny fiainana D toy izao hoan' lahy :mianatra , miasa, manambady,tsy tin ' ny sipa ra toa ka tsy mahafeno ireo zvt 3 ireo, nefa manin ny sipa no tsy misy mahafeno ny iray @reo akory tonga D manambady, ny antony D zao refa manja ny sipa D rombahin' ny band na D sanana aza ary refa leo azy ny band D zay no mahatonga ny band maka sipa hafa ary D mazava ho azy fa ny vola no miasa.Ny tiko ambara D zao mba nanana koa nareo vevavy hoe:mianatra, D miasa zay vo manambady fa tsy hoe misy band deba B D enao le sipa manjaB nefa sananaB D miaraka nareo D avy eo enao ariny tampoka D oe oai a!,oai!.
12. milamm ( 05/06/2011 13:18)
akory jiaby e samy misy azo tsoahina sainina dolidoly zan ny ifantohany lohahevitra araky ny fazahoako azy de mirona any @ lasitra fisainana materialista ny ankabeazany sarambabeny fiarahamonina, na lahy na vavy mitovy ihany anjarany ts1/1 no mijery fitaratra oe tsy ny hafa no tokony ovaina fa ny aleo aza mandinitena mba ahalalana zay mahasoa ny tena
.ao ny manome lanja ny harena mivaingana ivelany( comfort hoy ny teny baiko ilaina io nefa tsy midika velively ho fahasambarana sy filaminantsaina/security )
.ao ko ny mihevitra fa bika sy tarehy(na lahy io na vavy) no antony hafa, matetika tsy mahay manavaka ny fitiavana(love) sy ny filany nofo(lust) ny ol otranio
.ireo mitady tombotsoa manokana @ reo lafiny voalohany sy faharoa zany de mitovy ihany fa tsy sahala, ka izay no mety mahatonga azy reny na efa manambady aza de any ivelany tokatrano vao mahita zay heveriny ho tena fitiavana(namana tsy mifankafoy amiko zay za no vavolombelony mariaziny no tratran'io ary tena mampalahelo)

Amaranako ny teniko misy didy zay tsy tadidiko oe andalana aiza @ Baiboly milaza
...Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao...
tsy idirako lalina io satria manjary mivily ny resaka fa kosa tohizako araky ny fihevitro
...tiavo ny tenanao sy hajao mba ahafahano mitia sy manaja ny hafa...
13. euh ( 08/06/2011 09:24)
angaha moa ankehitriny ihany ? sa izao dada vao mahatakatra an'izany ?
ary mbola misy koa ve ny lehilahy fidèles ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1519