TIANTSIKA VE NY HIONGANAN'NY FAT SY NY FANJANAHANA? VAHAOLANA IVOAHANA AMIN'NY KRIZY IZANY

1. RUZ9 ( 02/05/2011 13:13)
Ho lany andro eto iska ary hitombo ny fijaliam-bahoaka raha hanantena ny fifidianan'ny FAT. NY antony
1- Efa dila ny fotoana tokony ho nanatanterahana azy saingy tsy natao satria tsy izany no tanjon'ny FAT?
2 - Tsy ny hisian'ny fifidianana mihitsy no tanjon'ny mpibodo fahefana fa ny hamikitra ela eo na inona na inona mety ho vokatr'izany.
3 - Tsy mikendry ny tombontsoam-pirenena ireo mpibodo fahefana ka vao mainka hampisavorovoro na ny fanatanterahana azy na ny vokany avy eo, ary ho tanteraka ilay politikan'ny "zarazarao hanjakana" fiventin'ny mpanjanaka ka izy sy tariny (Frantsa, COI, OIF...) no hahazo tombontsoa @ izany.

Milaza miara-mahita aho raha hiteny hoe ezahana halavirina hatrany ny datim-pifidianana ary atao mihitsy izay tsy hahafeno ny fepetra hahafahana manatanteraka azy madio sy mangarahara.

Mbola mety hikarakara dinika indray ny FAT ao aoriana ao; tsy ho fitadiavam-bahaolana nefa, fa mba hahafahana manalava kokoa indray izao "transition de l'ombre au ténèbre" izao.

NOHO IZANY
Ilaina ny manongana tsy misy fepetra ny FAT mba hahafahana manarina haingana ny firenena.
Mila miray hina ny hery rehetra misy ka mikendry ny tombontsoa ho an'ity Firenena ity hanatanteraka an'izany. Mialoha an'izany nefa ary tsy maintsy ekentsika rehetra raha te-hanavotra marina ny Firenena isika; tsy maintsy olona manam-panahy no apetraka hitondra an'ity Firenena ity (tsy mpanao teoria sy pilia vava).
Fantaro ny olona tokony hitondra ny Firenena, dia ho tanteraka ny tolona .
NY HERIN'NY MAZAVA ihany no afaka mandresy ny HERIN'NY MAIZINA sy ny mpanaraka azy.
NY FANAHY NO OLONA (jereo ato) http://cyrius.centerblog.net (VERSION MALAGASY); http://cyrius.over-blog.com (VERSION FRANCAISE)

novalian'i papala ny 14/06/2011 13:00
2. 0uioui ( 02/05/2011 13:52)
...


raha tany amin miaramila i RUZ9 de hoe : RAS na R.A.S no lazaina !!...
3. papala ( 14/06/2011 13:00)
HAONGANY HAINGANA RANGAHY FA MAIKA DIA MAIKA A! sady efa LEO TANTERAKA AN'IREO TSY MAHAY N'INON'INONA IREO ZAHAY!!!!!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3181