fanabeazana ny tanora malagasy : ny andraikitry ny fanjakana

1. vonynive ( 18/04/2011 08:48)
fanabeazana ny tanora malagasy : ny andraikitry ny fanjakana

Adidy iaraha-manana ny fanabeazana ny tanora: miezaka ny vondrona voakasika; tsy mikely aina tokoa ireo mpanabe (ray aman-dreny; ny any an-tsekoly sy ireo mpitarika any @ fiaraha-monim-pirenena samihafa sns... ) kanefa tsapa fa marefo ihany ny andraikitry ny fanjakana @ ity resaka ity.

Ekena hoe tsy ho àry ho hitan'ny fanjakana avokoa ny zavatra misy isam-paritra fa ireto tranga ireto dia tsy afa-mandà kosa izy hoe tsy fantatray

* Tsy lavina fa nampidirina ho isan'ny taranja hianarana any am-pianarana ny fanabeazana ny tanora @ fahasalamana ara-pananahana kanefa toa mpitari-bato vilam-bava ihany ny fanjakana raha mahita isan'andro isika ireo gazety vitsivitsy izay manao sora-baventy mivandravandra ao @ pejy voalohany isan'andro ireo resaka "mampihetsika ny filàna ara-nofo" ka hoy izahay hoe angaha tsy mandalo sivana izy ireny ?

* Ary koa ny dokam-barotra mandeha tsy tapaka @ ireo haino aman-jery samihafa manentana ireo tanora ho any @ trano fandihizana, sady @ izay tanora latsaky ny 18 taona no entanina, dia ampiana hoe tsy misy saram-pidirana ho an'ny tanoravavy... mampalahelo !

* any @ tanàna ambany eto an-drenivohitra aza moa dia misokatra tsy tapaka ny fandefasana vidéo mandefa horonantsary mamoafady sady tsy misy famerana ny salan-taona fa dia afa-mijery avokoa; ? ny alim-pandihizana any ambanivolo lavitra any moa tsy lazaina intsony sy ny lanonana ara-kolo-tsaina arahina fety izay ahitana mpizaha tany marobe kanefa dia mpizaha tany mandrendrika tanora ho @ filàna . Aiza ny andraikitry ny mpitondra any @ ireny faritra ireny

Hany ka toa mahatsiaro ho miasa irery ny ray aman-dreny sy ireo mpanabe isan-tsokajiny..
2. soanja ( 18/04/2011 10:13)
vonynive:

Inona no ataontsika olona tompon'ilay firenena, manana ireo zanaka marobe miaina ao, inona no andrasantsika? ny fanjakana dia iarahamahita. Tsy fotoana fiandrasana ny fanjakana izao fa fotoana fanomezana lanja izay fotoana ananatsika eny ampelatanana.
3. ledala ( 21/05/2011 23:26)
Ao koa ireo tanora nifoka zava mahadomelina ao ambadiky ny sekoly,ireo mpampianatra manadala mpianatra na lahy na vavy, ireo "bizina" isankarazany eny amin' ny toerampampianarana( eny amin'ny faritra ankatso oh, fanafody inona no tsy hitanao amidy eny), ireo ray aman-dReny manankina ny zanany tanteraka amin'ny any antsekoly ( varina mitady vola tsy misy fotoana ijerena ny devoaran'ny ankizy,na tsy hay mihitsy e..),ny fiteny(vary amin'anana), lamody, Finday, ordi,Mp3, mp4, mp..,tanora vita fianarana tsy misy asa araka ny fahaizana( dokotera lasa sofera taxi be) Marary ny fanabeazana e!
Iza ary no afaka hamaha izany olana izany, ny fanjakana? ny mponina any amin'ny pole nord? ny tantsaha? ny sekoly? ny mpanasa lamba? ..... dia amin'ny fomba ahoana anefa? rahoviana? iza no hanomboka izany?
Raharaha sarotra io
4. vonynive ( 23/05/2011 05:58)
misaotra antsika rehetra
ledala a, izaho sy ianao no andrasana...,
samy manao izay ho afany isika, fa heveriko fa manana adidy lehibe kokoa ny fahefana fitondrana eto @ ity firenena ity.
5. AndriambyII ( 23/05/2011 12:38)
Atao izay tandrify ny tena dia efa mety izay , ny fanentanana moa eo ankilany tsy azo avela hiadiana @ zavatra mamoafady ohatr'izany .
6. vonynive ( 22/06/2011 10:19)

vonynive:

misaotra antsika rehetra
ledala a, izaho sy ianao no andrasana...,
samy manao izay ho afany isika, fa heveriko fa manana adidy lehibe kokoa ny fahefana fitondrana eto @ ity firenena ity.

dia ny fampiharana ny lalàna ho an'ireo zay manao hadisoana.
7. niryna ( 04/07/2011 20:31)
Mino aho fa iraisan'ny firenena rehetra io amin'izao vaninandro izao.Miaianga any amin'ny rar ny fampianarana ny ankizy dia ny fianakaviana,ny fiaraha-monina ,ny mpampianatra ka tafiditra amin'izany koa ny fanjakana saingy isika rar no tena akaiky ny zaza indrindra ka izay fomba itondran-tsika azy dia hoentiny amin'ny fiainany avokoa izany.
Eo ihany koa ny zava-misy amin'izao fotoana izao,ny fangalana tahaka ny hafa,ny fanaovan'ny ankizy tsinontsinona izay tsy mitovy aminy sns.
Ao an-tokantrano izany no miainga ka tafiditra amin'izany ny fanomezana fitiavana azy ireo,ny horokoroko etsy an-daniny,ny fampahafantarana azy fa tia azy isika,miaraka ny tambitamby sy ny dokodoka kely amin'izay zavatra ataony.Eny mbola lavitra ezaka tokoa raha ny fomba nitazaina fahiny no atao saingy ankehitriny kosa dia andraikitra miandry antsika tsirairay izany ka samy mizara izany adidy izany ho an'ny zanantsika isika.

Ny lesoka be itako dia ny fanaovana didi-jadona amin''ny maha rar ny rar; ny tsy famelana azy ireo mba hizara izay mba hetahetany sy izay mba heviny .Matetika dia hoe ny teniko no arahina ,izao atao,tsy mba misy ny fifampiresahina na ny fifanakalozan-kevitra fa matetika te hanana ny hendry foana isika dia ny fanitsiana ny fahadisoana foana no mibahana toerana ka adino indraindray ilay tambitamby sy tsy henoina izay mba teneniny.Izay no mba fantatro kely aloha
8. razafyaina2o15 ( 21/04/2016 12:15)

niryna:

9. razafyaina2o15 ( 21/04/2016 12:17)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4366