FITAKA SY FANDRIKA NY FANKATOAVAN'NY OIF SY NY COI ARY NY FRANTSAY

1. RUZ9 ( 15/04/2011 11:56)
Hirehaka indray ny FAT sy ny firongony fa nanaraka ny baikon'i Lafrantsa koa ny COI sy ny OIF; tsy mahagaga izany fa samy tsy misy mikendry ny soa ho an'ity firenena ity ireo.
Ho tombontsoa ho an'iza raha hisy ny korontana sy ny fitohizan'ny Krizy ao aorian'ny fifidianana? Tsy ho an'ny Malagasy velively.

Ny firenena vahiny no hahazo tombontsoa avy @ izany satria ho tanteraka ihany ilay "zarazarao hanjakana" ary hihamafy noho izao ny fahasahiranana miandry antsika @ izay.

Tsy ny fanaovana fifidianana no olana fa ny olona mianadraikitra sy mikarakara azy; olona tsy mijery ny tombontsoam-pirenena sy olo-meloka tsy mikendry afa-tsy seza sy tombontsoa; miaraka @ mpiray petsapetsa aminy no mivonona hikarakara ny fifidiana; fifidianana tokoa ve nefa no ataony ? Tian-kano tsy tian-kano no marina kokoa.
Ilaina aloha ny fialan'ny FAT sy ny filohany vao afaka manantena fifidianana madio sy fivoahana @ Krizy isika.

Jereo ato ny tohiny http://cyrius.centerblog.net sy http://cyrius.over-blog.com
novalian'i papala ny 14/06/2011 13:08
2. papala ( 14/06/2011 13:08)
TENA MARINA 100/100 ny hevitrao ry RUZ9 a!!!!!!!!! fa le MALAGASY ANGE rangahy ty tena MATORY MITSANGANA DAHOLO E!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!RENDREMANA DAHOLO. vao andalovan'ny miaramila iray camion de tsy misy sahy mihetsika . tena mbola tsy nisy fitondrana oh ity hatrizay nivelomako teto Madagasikara . DIDY JADONA JAMBA BE TSY AFA MIHETSIKA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3