FAMINANIANA 2
1. ydifas
(
08/04/2011 03:10)
Faly miarahaba anao ary mampita ity hafatra ity amin'ny Anaran'i Kristy ny tenako.
Ho tohin'ilay hafatra ara-paminaniana nalefa tamin'ny farany dia indro indray ny tohiny. Amafisiko eto fa tsy avy amiko izy ity fa reko tamin'ny onjam-peo ary nampitaina mpanompon'Andriamanitra maro ka natambatra. Koa indro ary, mazotoa mamaky.
"Efa ela no nahatongavan'ny teniko taminao ry Madagasikarako ary efa maro ireo mpanompoko no niasa (ary mbola miasa mandraka androany) ho amin'ny fampandrosoana ny Fanjakako. Ianao no fanjakako (Lioka 17/21). Mbola maro ihany anefa ny mbola matory, mbola maro ireo tsy mbola nifoha tamin'ny torimasony. Efa nambarako tamin'ireo mpanompoko ireo ary lazaiko aminao anio fa ny fitolomana am-bavaka sy ny fialàna amin'ny faharatsiana ary ny fibebahana no tsiambaratelon'ny fiadananao. Tsy midika nefa izany, sanatria, fa manameloka anao Aho. Tsy tonga hitsara Aho, fa an'ny Ray Tsitoha izany, fa tonga hitarika ny jamba ho tonga hahiratra. Tonga Aho hitantana anao ho amin'ny lalan-tsara dia ny fahamarinana sy ny fahamasinana izany. Izany no safidiko sy fikasako ho anao ka tsy maintsy ho tanteraka izany.
Ny fepetra takiako aminao dia ny finoanao sy ny fanekenao hotantanako. Ny jamba dia miankina amin'ilay mpitarika azy. Matoky ilay mpitantana azy izy, ka izay itondrany azy dia ekeny sy inoany. Efa nanaiky Aho ny hitantana anao.
Ny jamba dia tsy mametraka fanontaniana na dia làlana tsy mahazatra azy no itondràna azy. Meteza hipetraka eo amin'ny toeran'ilay jamba ianao. Angamba tsy mahazatra anao izao lalàna itondrako anao izao. Efa nanao izay faraherinao ianao mba hananana fiadanana nefa toa tsy mahita mangirana (= jamba) ianao fa vao mainka difotry ny fiakaran'ny rano (rano = vidim-piainana, tosi-dra, olana ...)
Tsarovy fa Izaho no làlana ka izay mandeha eo Amiko (mitandrina ny teniko) dia tsy ho very mandrakizay. Ny teniko no manambara Ahy dia ny filazantsara izany. "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hahita fahafatesana izy mandrakizay." (Jaona 8/51).
Fiainana mandrakizay no miandry anao. Koa raiso ny tanako, ankatoavy ny teniko mba hanananao fiainana.
Koa noho izany, ankatoavy ny teniko ary matokia Ahy fa Izaho no handamina ny zava-drehetra.
Manaiky Aho ary raisiko ny andraikitro fa izay mety ho zanako sy sakaizako dia iadidiako. Tsy hamotsotra ny tanako mandrakizay amin'izay manaiky fa tsy hiala Amiko mandrakizay Aho. Meteza ho zanako ianao, meteza ho sakaizako amin'ny fankatoavana ny teniko dia ny tenin'Andriamanitra izany (baiboly), mitoera eo anilako mandrakariva. Hoy Izaho: "Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko." Matio 12/50
Efa voatokana ary efa natolotra Ahy ianao (fantaro fa nisy mpanjaka teo aminao nanao fanekena fa Ahy i Madagasikara sy ny mponina eo aminy ary efa voasonia izany fifanekena izany) ka tsy hamelako raha tsy Ahy manontolo. Mahereza ianao fa tsy hanary anao na hahafoy anao Aho. Hoy Jesosy tena tia anao"
Fiadanana anie ho anao mpamaky ary ny dera sy laza ary voninahitra kosa ho an'Andriamanitra Ray Tsitoha. Aleloia

novalian'i rijadolly ny 08/04/2011 19:07
2. rijadolly
(
08/04/2011 19:07)
JAONA 16 : 1 Izany teny izany dia efa nolazaiko taminareo, mba tsy hahatafintohina anareo.2 Handroaka anareo hiala amin'ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro [ora], ka hataon'izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra izy.3 Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho.4 Fa izany teny izany efa nolazaiko taminareo, mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoan'androny, fa Izaho efa nilaza izany taminareo. Ary tsy mba nolazaiko taminareo hatramin'ny voalohany izany, satria mbola taty aminareo ihany Aho.5 Fa ankehitriny mankany amin'Izay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy aminareo manontany Ahy hoe: Hankaiza Hianao?6 Fa satria nilaza iany taminareo Aho, dia vonton'alahelo ny fonareo.7 Fa izaho milaza ny marina aminareo: mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho aty aminareo Izy.8 Ary raha tonga Izy, dia hampiakiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony hianareo;9 ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy;10 ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony hianareo;11 ny fitsarana, satria ny andrianan'izao tontolo izao dia efa voatsara.12 Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.13 Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.14 Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.15 Izay rehetra ananan'ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.