RIANA ANDRIAMANDAVY II (TOURISME): MBA AFAKA MANAMARINA VE IANAREO DIASPORA HOE TENA MIFÔSIKA Ph.D MARINA IO LEHILAHY IO SA FANASOKETANA FOTSINY IHANY?

1. cpd8910 ( 04/04/2011 16:57)
Maro no nametram-panotaniana raha nadre fa toa tsy manana Ph.D araka ny lazainy eraky ny tanety akory io rangahy lasa Ministre io. Nisy nilaza taminay fa raha miditra ao amin'ny site web Université de Harvard dia toa tsy hita ao amin'ny liste des diplomé en doctorat (Ph.D) ao hono razoky. Ny tsy dia havanana amin'ny recherches moa dia ny mampiditra ny anarana feno amin'ny moteur de recherche no tsotra indrindra. Refa natao sur Google ny hoe RIANA ANDRIAMANDAVY dia resaka dia tsy misy trace farak'izay kely tamin'izay mety ho fandalovany tao Harvard.
Ny fanotaniana mipetraka dia hoe: mba nisy vérification ve nataon'ny mpitondra talohan'ny nomination tompon'andraikitra goavana toa ireny sa dia mino zay tenenin'ny tsirairay. Pierrot Rajaonarivelo koa mantsy, asa zay fahamarinany, fa misy milaza fa tsy nandalo na 1 andro tao amin'ny ENA nefa milaza koa fa sortant ENA.
Samia mijery akaiky fa raha marina daholo zany rehetra izany dia tena efa lalaovin'ny tsy mataho-tody ny firenena. Mpitarika posy any aoriana no hilaza koa fa nahazo Ph.D tany Oxford sa Cambridge dia ho lasa ministre!!!!!
répondu par cpd8910 le 02/08/2011 05:25
2. niryna ( 24/04/2011 18:47)
Dia asa re izay tanjona tiana ahatongavana fa ny zavatra fantatro dia toy ny miaramila mahazo baiko: ny vatana no ampiasaina fa tsy ny saina.Eny maro dia maro ny mitondra sy manapatra ny fahefany kanefa tsy manana abidi akory.Ary raha tsy diso aho dia miverimberina foana io fanontaniana io.Nahavaha olana ve ? toa vao maika aza isika tafiditra ao anaty lavaka
3. AndriambyII ( 20/07/2011 07:21)
Problematique mipetraka foana io fananana diplome na tsia io @ firenena maro erantany . Misy olona tena manana ny ampy @ fahalalàna , nefa tsy manana diplômes na iray aza . Misy koa ny mifanohitra @ izany ary marobe tokoa (manginy fotsiny ireo mpividy diploma tsy nisasarana fa hatao haingom-boninahitra ), ny fanànana diploma tsy midika fa hahay mandrakizay ilay olona manana azy . Ary tsy dia midika ho inona koa ny fanànana azy rehefa atao ny kaonty , fandemena sy fanandevozana ara-tsaina lova napetraky ny mpanjanan-keritreritra ilay rafitra rehefa halalinina( aliénation par voie diplomatique ). Maro ny firenena tsy manome lanja ny diplome , fa manana lamina sy rafitra ao @ fiaraha-moniny sy efa fombany hatr@ izay , dia azontsika tsoahina @ izany rehetra izany ny antom-pisiany sy ny nanaovana azy hoe " diploma " , ny antony tokony hampiasana azy eo sy ao @ fiaraha-monina misy antsika . Izaho manokana dia anisan' ireo nandoro ny diplome nanànana t@ hetsika jerosalema vaovao ( Tel aviv 78 ) .Tsotra ny principe t@ izany " application de la compétence , la capacité , et la disponibilité selon la loi divine de la torah !
4. cpd8910 ( 02/08/2011 05:25)

Mivoana rahalahy ny resakao a!Riana Andriamandavy misoloky ho manana Ph.D avy any Harvard nefa tsy nanitsaka na andro iray tany nefa lasa minisitra no nahavariana hoe mba misy vérification v ny baoritra tonotononon'ny rehetra ity sa izay miteny fa manana an'itsy na iroa dia ho lasa minisitra daholo??? Olona mitana andraikitra lehibe eo amin'ny firenena izany ministra izany kanefa dia toa na ny mpisoloky aza kay afaka omena izany andraikitra izany. Diplome tsy naharary kosa ngamba zany dorana izany rahalahy fa raha Ph.D (doctorat anglo-saxon) na doctorat (frantsay sy européen) mety tsy foinao nodorana toa izany. Sa kosa ngaha CEPE? Makasitraka an'ingahy namaly na dia izany aza e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1356