Latsabato,Fifidiana

1. niryna ( 31/03/2011 04:36)
Inona avy no karazana fomba natao rehefa manao latsabato ny olona? na koa rehefa mifidy?
......................................


Variana aho naheno ity tantara kely ity fa taloha ,fony tsy mbola nisy ny taratasy dia vato fotsy sy vato mainty no nanaovana latsabato.
Misy izany ny olona voatokana hitsara ary misy ny lehiben'ny mpitsara ka ireo voatokana ireo no mifidy sy milaza ny heviny na diso ilay olona na tsia.Rehefa ny vato fotsy no be isa dia afaka madiodio ilay niampangana.Raha ny vato mainty indray no maro anisa dia meloka ilay olona( misy aza dia voaheloka ho faty mihitsy)
Rehefa mifidy ihany koa dia ireo vato fotsy sy mainty ireo no atao.
Inona no karazana fividianana efa itanareo na efa mba renareo?

2. niryna ( 31/03/2011 04:38)
Fanitsiana kely: fifidianana no tiako tenenina fa azafady indrindra
3. AndriambyII ( 31/03/2011 11:12)
Mahatonga ahy hieritreritra ilay fomba fanaon' ny ntaolo taloha ilay hoe "latsa-bato".Fifidianana sy latsa-bato angamba mitovy ihany ny dikany @ ntsika @ izao fotoana izao .
Taloha ny malagasy dia nanana ilay fomba hoe "Tsipazo vato ny tatao" .
Fomba fisedrana ny olana teo @ fiaraha-monina taloha , ary fanankianana na fankasitrahana ny fiaraha-monina teo @ lafiny sosialy .
Fifidianana @ lafiny hafa mihintsy izany io fomba tranainy io .
Sa ahoana ny hevitrareo ?
4. niryna ( 24/04/2011 18:49)

AndriambyII:


Taloha ny malagasy dia nanana ilay fomba hoe "Tsipazo vato ny tatao" .


andry a,inona no hevitr'ilay tsipazo vato ny tatao? misaotra
5. AndriambyII ( 28/04/2011 19:38)
Lovan-tsofina heno taloha aloha izany , t@ andron-dry maman' ny dadan-dry maman' ny maman-dry mamabeandra-dadabean' ny bebean-dry Nenibean-draMalagasy ... Bref ,izany hoe efa tany @ fahagola tany aloha be tany .
Rehefa avy mivory sy mihaino kabary hono ny fokonolona sy ny loholona , dia niforona ny toerana atao hoe "tatao " . Toerana nodiovina natao t@ làlana be mpanjoy isan-kariva isaky ny vita ny fihaonana , ary akaiky potibato maro na tapa-kazo .
Ny olona izay mandalo eo dia afaka mitsara ny kabary vita ka maneho ny hafany @ fanipazam-bato , arakaraky ny toerana misy ilay tatao .
Tatao anakiroa azo inoana fa tena niatombohan' izany , dia teo ambany avaratr' i Manjakamiadana ( CEG avaradrova ) , teo andohalo ( zaridaina an' andohalo ankehitriny )
Dia nihanaka eran' ny faritany izany tany aoriana .
Ny vato karangana sy ny tapa-kazo hono no tena fampiasa t@ izany , ary efa nahenoako ohabolana vitsivitsy ihany kou , fa tsisy tadidiko taty aoriana .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3578