Foot gasy!

1. sylvain ( 27/03/2011 15:18)
d ahoana ihany ary ty foot tsika gasy ty fa d tsy mamokatra mihitsy, tsy mba lasa lavitra mihitsy na d eo @ sehatra afrikana ihany ary!
2. joceramiandra ( 27/05/2011 12:10)
Voalohany indrindra dia tiko ny mampahafantatra anao fa tsy ny Gasy mihintsy no tsy mahay Foot fa ny fitantanana azy no tsy misy hilana azy. Isan'ny nilomano tao anatin'ny sport ny tenako t@ fahatanorako ary betsaka ny hezaka nataoko mba aha-pro ahy t@ fotoan'androny, soa ishany fa tsy najanoko ny fianarako fa dia nampiarahako t@ sport hatrany ka vao hitako fa kely ny herijika mety ahatafavoaka ahy dia ny namita ny fianarako no nilofosako.
Raha tsy hiresaka afa tsy ny foot ball isika dia ireto no antony tsy ahatafavoaka antsika @io taranja io mandrakizay.
1- Efa manana olana kely isika ara-batana, en moyenne ny taille gasy dia 1.70m, ny mpilalao @izao fotoana izao efa misy hatrany @ 1.90m, eo @ jeu aérien zany dia isakin'ny corneur dia ho faty foana io baolina io.
2- Ny volam-panjakana aleony laniana @ fanonganana ara-politika sy hametrahana fitondrana ara-politika toa izay hanaovana fotidrafitrasa mifanaraka @ toetr'andro ka hanarahantsika ny technologie mifanentana @ filana ho an'ireo mpanao fanatanjahan-tena.
3- Heritrereto fa ho an'ny mpilalao mila ravin'ahitra any ivelany, dia zon'izy ireo ny milalao ho an'ny fireneny nefa tsy maintsy jereny koa ny ho aviny ao club misy azy. Raha milalao @ club iray atsy La Réunion ny mpilalao iray ka mandray 3000Euro par mois ohatra, rehefa antsoina ao @ Equipe Nationele izy dia 750 000fmg ny Indemnité omena azy. Raha sanatria izy ka maratra nohon'ny lalao ataony ao Ekipam-pirenena dia votsotra ny any @ club, satria à la charge de la Féderation izy @izay ka miala ny assurence @ toerana hilalaovany. Tsy hisafidy ny hitandrina ve izy hanao izay tsy handratra azy ao @ Ekipam-pirenena? Mety mbola ho maro ny taona hilalaovany ao @ club misy azy ka tsy ho potehiny @izay indemnité tsy misy dikany.
4- Ny masoko nahita sy niaina ny zava-niseho indray ity: Nisy lalao iraisam-pirenena niaonantsika t@ Côte d'Ivoire, ry zareo teo anivon'ny fitantanana ny Federation dia hitako nividy J&B 4 teo @ ilay Epicerie eo Mahamasina miaraka @ tsaky isan-karazany, Oahatrinona ny vola lany t@zany? Izay Tokony nanamiana ny motivation ho an'ny joueurs? Ny tiko ho lazaina ny @io dia be lavitra ny vola lany ho an'ny mpikarakara ny Tanora fa zara fa misy ny mankany aminy ho valin'ny hatsemboany nefa dia izay no zava-misy. Kivy ny boay kely ka na izy tsy manao izany @ fo, na izy dia miova taranja tanteraka ka dia izay sisa tavela eo sias no manao izay vitany. Tsy ho lasa lavitra mihintsy isika raha mbola ireo voatanisa ireo hatrany no miseho. Sombintsombiny ihany anefa ireo ka dia anjarantsika no mandinika. Koa dia mahereza e! Tohano hatrany na izany aza e!
3. kaiaja ( 27/05/2011 13:00)

[quote=joceramiandra]
ka raha tiana androso ange ny firenena dia ny foot balle no atao loha laharana indrindra ao aminy zay vo ny manaraka, fa ny antsika tena any @farany ny foot, ka aiza no androso mapme be é, sady le Amad mitsy ange no tena problem ny fotitsiké, aiza ranga ka izy foana hono no filoha eo.Ity koe vao lasa ange i Ntsoa dia niara maty taminy ny foot tsiké, de aleo mitomany tena
4. joceramiandra ( 29/05/2011 11:51)

Salama isika rehetra,

Tena marina ny teninao, voalohany aloha dia efa tsy mahagaga aty @ tany andalam-pandrosoana ny fifinkirana @toeana izay nametrahana azy na @ sehatra inonana io na @ sehatra aiza, faharoa dia tsy mbola laharam-pahamehana ho antsika ny fikarakarana ny tanora inrdidra ny fijerena ny ho aviny @ lafiny rehetra. Ny maha maika ny mpitondra dia ny famenoana ny paosiny ka any no hilany ny tanora @ fanohanany ny sezany. Izaho sahy milaza aminao fa ho avy ny JEU DES ILES ary eo vao tena ho hita fa efa tsy izy intsony ny antsika ny sport co. Raha najakantsika ny sport co rehetra h@izay ka isika foana no nahazo madaly volamena na foot io na basket, na volley dia tsy ho azontsika intsony izany noho ireo olana sedrain'ny mpilalao sy ny club. Efa tsy miasa loha @ fanatanjahan-tena intsony ny tanora @izao fotoana izao ary efa mivadika taranja mihintsy. Na ny club aza ange dia eto amintsika ihany no ahitana club maty sy mitsangana tsy @ antony eto Afrika e! Izany rehetra izany dia vokatrin'ny tsy fahamatorantsika eo @ fitantanana avokoa. Ireo mpanam-bola dia tsy hanary ny volany @ zavatra hitany fa hamono antoka azy. Raha haka ohatra isika dia jereo ny FC BFV, FC BTM, FC SOTEMA, JOS NOSY BE, aiza izy ireny izao? Izao indray mivoaka ny CNAPS SPORT, AJESAIA, JAPAN MOTORS, nefa dia rahoviana koa no hanjavoan? Tsy ho ela anefa no valiny satria mamoaka ireny club ireny fa tsy mampiditra, kely ny anjarany @ vola azony @ mutation, matchs officiels nefa be ny vola mivoaka aminy @ déplacements, amelioration des conditions des joeurs et les Staffs. Ny mpijery raha teo efa mihena mba tsy hilazako fa efa tsy misy intsony. Farafaharatsiny isika mahay mangala tahaka rehefa tsy mahay mamorona ary fomba fiteniko rehefa mitondra olona izany, ny antsika anefa sady tsy ilay voalohany no tsy ny faharoa hany ka dia tsy misy fivoarana mihintsy. Nihezaka aho ny tsy hanonona anarana nefa moa efa natsidikao t@ vailin-teninao ny anaran'olona anakiroa ka dia ho raisiko ilay efa tsy eo intsony. Tsy dia ekeko loatra ny hilazana fa nanaraka an'i Tompokolahy Ntsoa ny Foot ball malagasy, tsy misy oloblelona tsy azo soloina fa izay tendrena ka nanaiky dia tokony ahavita. Mifampiankina tsara @ teniko etsy ambony izany. (Mahay maka tahaka rehefa tsy mahay mamorona); izay ihany koa no atao hoe continuté. Tsy misy afa tsy ny fitilina hatrany @ fotony ny mpilalao, fanofanana avo lenta ny mpitantana, fanampiana fara-tampony ny club, famporisihina ny mpijery @ alalan'ny fanomezana vokatra tsara sy tena ao anatin'ny fanajana ny sport no vaha olana. Ka asa raha ho vitantsika izany satria asa sarotra, mila fandavan-tena sy tsy fiheritreretana afa tsy ny hameno paosy. Ho hitantsika eo, efa zava dehibe ny fahafahantsika miresaka malalaka eto ka dia enga anie ho tonga any @ireo tandrify azy ny resaka ataontsika.
Mandramp-pihaona
5. kababo ( 05/06/2011 21:31)
Za alo zany de somary masika kely eto mamaly oe, aleo mintsy alo ajanona tanteraka mandritra ny taona vitsivitsy io foot io. Antony:
- Tsy mamokatra, tsy lasa lavitra (eto Gasikara iany no fetrany)
- Zahay mpankafy tsy mety mahazo fy mintsy, diso fanantenana lava
- @zay ny mpidongy toerana miala ho azy teo
- Ampiasaina amin-javatra hafa ahazoam-bokatra ny vola, na anampiana taranja hafa zay mba mamokatra
- Karazana sazy ho anzay retra tompon'antoka @ tsy mampande ny sport co ntsika ko
- Handinihanzay ho avy handimby eo na mpilalao io na mpitantana: fitiavana sport ve sa hampanam-bola sy hivoahana any ivelany
- Aleo ny école de sport co (na foot io na volley na basket na hand na rugby) no atao matanjaka

Farany, azo atao ko ny mametraka fepetra sy fitsipika ho an'ny mpitantana na mpitondra fanatanjahan-tena ohatra oe raha tsy mahatafakatra ny Barea @ phase finale CAN zay tompon'andraikitra eo, tsisy "excuse" fa tonga de voatsoka

Misotra antsika mahatsiaro anzany retra zany
6. joceramiandra ( 06/06/2011 08:15)
Ho an'i KABABO

Miarahaba anao, tena marina tsy misy kianina ny voalazanao ary misaotra anao @ fahatsapanao sy ny fahaizanao namohitra ny olana sy izay tokony ho vaha olana. Ny mahagaga ahy fotsiny dia maninona no isika mpankafy no mahatsapa sy mihezaka mitady ny vahaolana fa tsy ry zareo mahazo tombotsoa mivantana sy ankolaka @io fitatanana ny sport Malagasy io. Raha ny hevitrao mantsy no ho raisina dia azo antoka avy hatrany fa dia handroso ny sport Malagasy satria misy obligation de resultat izay tsy maintsy omen'ny mpitantana tsirairay. Ho an'ny fitantanana iny fa ho an'ny mpilalao koa esty andaniny raha mbola hieritreritra izay ho haniny sy ny ho tafiany ary ny fiainan'ny fianakaviany ny mpilalao fa tsy mifantoka tanteraha @ taranja nanofanana azy (Ecole de foot) ohatra dia tsy mbola ho tafavoaka ihany isika satria dia zava misy ihany koa izay. Mila miara hita ireo paramettres ireo izay vao handroso ny sport co Malagasy. Dia mbola mamerina ny fisaorana ho antsika rehetra mpandray anjara @ity ady hevitra ity satria mety ho antoka faran'izay kely iray hampadeha ny sport Malagasy ity ataontsika ity ary misotra betsaka an'ilay nampiditra ny ady hevitra t@vaolohany.

Misaotra indrindra
7. kababo ( 06/06/2011 20:10)
Isika retra no isaorana mamakafaka ny ekipantsika eto.
Zao ndray de resy 4 sy 1 tany Guinée konakri nefa ekipa tokony ho lanintsika mazava reny. Isika mpankafy indray tokoa angamba no antenaina hitondra vaha olana @izy ity.
@ manaraka ary e, mihaona eto iany
mahereza daolo
8. sylvain ( 08/06/2011 14:24)
ity zany tena tokony ho tonga saina daholo é, tsy hoe ny mpitantana sy ny mpikarakara ihany no tena kianina hoe minam-bola na tsy mijery firy ny momba ny mpilalao fa ny tena rehetra mihitsy no tokony hadinin-tena hoe fa NAHOANA no tsy mande mihitsy ty foot ty d zao indray hatrany @ reo zay heritreretina ho mpandimby atsy ho atsy!


Mondial Pupilles : Tsy nisy tafita ny solontena malagasy


Mercredi 8 Juin 2011




Les jeunes Lyonnais, ici l'an dernier après leur succès en finale devant Rennes, viseront une quatrième victoire. Photo Christian Rose...


Samy nihintsana tany amin’ny dingan’ny fifanintsanana avokoa ireo solontenan’i Madagasikara roa, niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ho an’ny sokajy Pupilles, tany Plomelin.





Ny Lille OSC no voahosotra ho tompondaka tamin’ity andiany faha-26 ity, rehefa nandresy ny Stade Brestois tamin’ny alalan’ny « tir au but » 4 no ho 3, taorian’ny fe-potoana ara-dalàna, izay nisarahana samy tsy nitoko.

Tany amin’ny laharana faha-38 no nisy ny Etoile Filante, avy etsy Antohomadinika, tamin’ny filaharana ankapobeny. Tany amin’ny faha-42 kosa ny AS Rôrô, izay sambany nandray anjara.
Fanindroany amin’izao no nandraisan’izy ireo anjara tamin’ity fifaninananana any Plomelin ity.

Tamin’ny taon-dasa dia tany amin’ny laharana faha-65 no nisy azy ireo ary tsy nahita fandresena mihitsytamin’ireo lalao fito natrehany. Tamin’ity taona ity dia fandresena telo sy ady sahala roa ary faharesena telo no vokatra azon’ny ekipan’i Yves Rabemaromanga.

Isan’ny resin’izy ireo ny ekipan’ny Brezila (Liderança Sao Paulo) tamin’ izany. Fandresena telo sy faharesena dimy kosa no vokatra azon’ny AS Rôrô, tarihin’i Romuald Rakotondrabe, avy etsy Ampandrana.
9. joceramiandra ( 09/06/2011 04:58)
Miarahaba antsika,

Raha ny palmarès tsika @ lalao iraisam-pirenena dia tsy azo handrefesana ny ho avin'ny sport Malagasy mihintsy indrindra ireo lalao izay atao any ivelany satria ny fivoahana any ivelany ho an'ny tany andalam-pandrosoana dia zava-dehibe ho an'ny fianakaviana. Meteza isika eo @ toeran'ny mpitantana sy mpanomana fivoahana iarahana iray. Misy havana: zanadrahalahy, zaodahy, zanak'anabavy, sns afaka mandaka baolina na mahay na tsy mahay. Tsy ny voninahim-pirenena no jerena @izay fa ny laza fa nande any an-dafy ny fianakavianay. Tsy ny vokatra no tanjona fa ny fivoahana.
Izany rehetra izany dia mbola lesoka tsy maintsy arenina ary tsy vita mora ny manarina azy satria ho an'ireo masimandidy @ fitantanana dia tsy hanaiky ny hisalovanana ny andraikiny izy ireo. Na izany aza dia tsara rehefa fantatr'ireo mpitantana fa tsy jamba akory ny mpitia baolina kitra fa minia tsy miteny.
Ny mpijery rahateo tsy mba sarotiny (exigeants) tahaka ny mpijery rehetra fa dia mionona koa @izay vokatra azo ka na efa hita fa tsy manjary izao dia samy mimenomenona aty @ sisi touche fotsiny fa tsy mirotsaka @ fanamboarana mihintsy (Fangatahana fametram-pialana, fitondrana sora baventy filazana ny alahelo mandritra ny lalao iray,,,,,). Manana adidy koa isika ary tokony hifarimbona @izany adidy izany, farafaha-ratsiny hanaitaitra ireo milaza fa mpitantana ny fanatanjahan-tena.
Izay indray ary fa dia manantena hetsika goavana avy @tsika mpijery izany, asa rahoviana ary aiza fa dia ho hita eo ny ho tohiny.
Mandram-piaona e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3233