Namana eto Liban mila toro hevitra sy fanampiana

1. Peti ( 24/03/2011 23:23)
Faly miarahaba antsika namana rehetra mpitafa eto amin'ny forum sera2, ny tenako manoratra dia miasa eto liban efa ho 1 taona sy tapany izao, na dia fantatro aza fa mafy sy tsy ho erany ny zavatra miandry ahy taty dia nikiry aho nandeha satria ity no hany lalana afaka manampy ahy hivoahako an'i gasikara tanana malala, zanak'olona sahirana te hivoatra sy hampivoatra ny fiainan'ny fianakaviako aho ka dia tsy maintsy miaritra ny zavatra taty, nahavita fianarana 2 taona teny @ oniversité momba ny resaka varotra aho saingy indrisy tsy maintsy nijanona noho ny tsy fahampian'ny vola teo an-tanana, dia niezaka nitady asa ary dia niasa an-taonany maro tamina orinasa lehibe tao antananarivo, te hitady lalana hiampitana hidirana eo france aho ka asa sao mba misy olona afaka hanoro hevitra ahy ny amin'ny zavatra tokony ataoko, tsy mampaninona ahy na dia tsy maintsy mbola hanao tahaka ny asa ataoko aty liban zao aza aloha aho avy eo aho miezaka mitady asa mety amin'ny zavatra haiko. Efa tena te hiala @ ty fanandevozana aty liban ty aho, kanefa koa tsy mbola te hiverina an-tanindrazana satria dia very maina ny fiaretana nataoko taty zay ela zay. Koa dia efa maneho fisaorana sahady anareo namana afaka manoro sy manampy. Mametraka ny veloma finaritra. Andriamanitry ny fiadanana homba antsika rehetra.
novalian'i samyah ny 24/05/2011 19:07
2. verozoky ( 28/03/2011 17:34)
bjr,mba te hifanerasera aminao aho raha sitrakao,fa mahaliana ana io resakao io,misaotra mialoha,verozoky no solonanarana entiko ato @ sera2
3. Peti ( 29/03/2011 05:13)
Salama verozoky,
Misaotra ny amin'ny famalianao ny hafatro,mahafaly ahy tokoa ny hifanerasera aminao kanefa tsara raha omenao laharan-telefaoninao aho hahafahako mandefa sms ny adiresy mailaka hahafahantsika mifanoratra,dia raha tsy mahadiso tompoko aiza ny toerana misy anao ? Dia maneho fisaorana sahady ary faly sahady afaka hifanoratra aminao. Ny fiadanan'Tompo homba anao. Mametraka ny veloma finaritra.Peti
4. verozoky ( 30/03/2011 17:47)
bsr,ny tena tsara Peti d miditra membre ao NAMANA enao d ao afaka miresaka tsara satri ao misy afaka ifandefasana message ah,d afaka mi chat koa ao,za @ alina no tena libre,manomboka @ 8 ora,mazotoa ary
5. Peti ( 30/03/2011 21:39)
Salama verozoky, aleo ary fa hiditra membre ao @ namana sera2 aho e, dia mametrak veloma finaritra.
6. verozoky ( 02/04/2011 17:38)
refa tafiditra ao enao d manorata aty amiko fa za rehefa alina vao afaka mamaly,bye bye
7. Peti ( 03/04/2011 10:50)
Slt verozoky, faly miarahaba anao, tsy haiko na ahoana no ahafahantsika mitafa fa miditra @ lay namana aho dia rehefa tafiditra aho dia mi-bloque foana. Ka asa zay atao mb hitafana. Veloma finaritra
8. verozoky ( 03/04/2011 16:15)
manorata ary @ ty adresse ty e,nivomalala@hotmail.com,za misokatra foana isanandro,ok?bye
9. methode ( 07/04/2011 13:46)
Salut daholo! Mety mihitsy ilay mifanampy min'ny tsara alohae! Izay ange no mampandroso ny karana sy sinoa eto dago e! Fa mba tena atovy sérieux kisa rehefa misy namana mitady fanampiana e! Izaho aloha efa anisan'ny nahazo tombontsoa tamin'ny fanampian'ny namana teto e. Zao no tsy afa-manoatra fa sarotra be ny connexion internet any amin'ny toerana misy ny tena.
10. Peti ( 07/04/2011 19:29)
Salama methode,tena marina mintsy ny lazainao oe rehefa misy namana mangataka fanampiana dia mba atao sérieux satria matoa lay namana mba mitaraina eto dia tsy manana sy tsy mahita hevitra, mety misy mantsy manana eritreritra oe fandaniana fotoana ny eto,fa indraindray koa anefa methode lay toe-tsaina koa mila amboarina satria mbola lay toe-tsaina oe, lasa ny hafa dia aleo sintonina hidina fa tsy mba oe aona ary no hanakarako eny ambony eny koa,hany ka mampalahelo be lay gasikara malalantsika fa tsy mety handroso noho ny mbola fanjakan'io toetsaina io. Misaotra anao namaly ny hafatra napetrako.
11. Peti ( 07/04/2011 19:31)
Salama methode,tena marina mintsy ny lazainao oe rehefa misy namana mangataka fanampiana dia mba atao sérieux satria matoa lay namana mba mitaraina eto dia tsy manana sy tsy mahita hevitra, mety misy mantsy manana eritreritra oe fandaniana fotoana ny eto,fa indraindray koa anefa methode lay toe-tsaina koa mila amboarina satria mbola lay toe-tsaina oe, lasa ny hafa dia aleo sintonina hidina fa tsy mba oe aona ary no hanakarako eny ambony eny koa,hany ka mampalahelo be lay gasikara malalantsika fa tsy mety handroso noho ny mbola fanjakan'io toetsaina io. Misaotra anao namaly ny hafatra napetrako.
12. Peti ( 07/04/2011 19:32)

methode:

Salut daholo! Mety mihitsy ilay mifanampy min'ny tsara alohae! Izay ange no mampandroso ny karana sy sinoa eto dago e! Fa mba tena atovy sérieux kisa rehefa misy namana mitady fanampiana e! Izaho aloha efa anisan'ny nahazo tombontsoa tamin'ny fanampian'ny namana teto e. Zao no tsy afa-manoatra fa sarotra be ny connexion internet any amin'ny toerana misy ny tena.
13. Rasoaly ( 19/05/2011 19:47)
Manahoana Peti,tsy mbola mahita vahaolana aho,fa ny tena vahaolana angamba hoy aho,dia ny fanankinana ny olanao sy ny fiainanao @ Andriamanitra,mangataha @ finoana dia hovaliany ianao,satria hoy i Jesoa manao hoe mangataha @ Anarako dia hovaliako ianareo,koa mangataha Aminy zay hetahetanao,raha toa ka efa nangataka nefa mbola tsy nivaly dia aza kivy fa vao maika mety tsaratsara kokoa noho zay nangatahanao no mety ho azonao,koa mahereza mivavaka fa mivavaka ho anao koa aho,aza kivy fa fantatr'Andriamanitra zay mahasoa anao ary tsy mamela anao ho irery izy.Dia mahaiza misaotra sy mankasitraka ny Tompo.
14. samyah ( 24/05/2011 19:02)
salut PEti !zo eto liban anisany ikarakaraka akaiky anareo rehetra aty !manorata amiko io ny adress afaka anoratanao amiko dia midira namana sera2 de alefasako amiko ny nume telefone ataovy zero 04 na 07 mora ahazoko anao faranizay haingana indrindra bisou mahereza @ asa ! ary tadidio ona lay teniko aminareo namana rehetra aty fa tsy anompo azy mandrakizay doria ao enao ~tsy maintsy miaritra fona tsy ela aory zany 12 mois sisa ataonao znay de tonga !alefaso amiko numerao nao !raha misy 07 de zay mora etsoko enao na alefaso fona na 04 na 01 aza !de teneno ahy anarana ahazona anao !biz samy ta/tra!
15. samyah ( 24/05/2011 19:07)
Petu !na midira ao @ chat karajia fa ao ona aho totolo ny andro tsy miala ao KEDRA no solonanarana entiko ao !ao angamba mora ahitanao ahy sy iresahanao mivanatana sy malaky amiko amahana ny olona misy eo aminao !bisou mahereza akia !ataovy ao anatiny saina fona we iasa no aleha aty fa tsy anao tousiste an !ray minitra de vita ny asa !aza alefa lavitra ny saina !bisou ndry !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2269