1. itaramasoandro ( 21/03/2011 15:56)
noentin’ny riaka mankadiry sy mahery ary rava ka potika ny faritra avaratr’i zapôn. tany efa nopotehin’ny hery ataomika enina ambienimpolo taona lasa izay.
mihatrika ny loza niantefa ny mponina zapaone, mitraka, miray hina ary miara mifanampy manoloana ny very, mandevina ny maty, manamboatra ny anio sy manangana tsikelikely ny ampitso. an-kavitrihana, @ mpinoana fa soa fa mbola misy ny velonan’aina.
mino aho fa ao anatin’ny dimampolo taona manaraka izao dia ho tafarina indray ny mponina sy ny ekonomia zapaone. toy ny nitrakàny roapolo taona fotsiny tao aoriana ny ady lehibe faharoa izay namotika azy.
aiza ho aiza ny firaisankinantsika malagasy izay andalovan’ny rivomahery tsindraindray manoloana ny zapaone? aiza ho aiza ny fahatsilovantsaina ny mpitondrantsika isan’isany manoloana ireto mpiray tanindrazana mahantra miaina anivon’ny harena hinian’ireo jiolahy mpanao pôlitika potehina sy hatao varo-boba?
andao anie arahina ny fitsanganan’ny zapaone manoloana ny fikorosahan’ny malagasy – raha mbola mitohy ny anjambena ankehitriny - ato anatin’ny dimampolo taona manaraka é…
itaramasoandro 8-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2366