Ahoana no fomba anomezana zaza zavatra tsy tiany??

1. arialy ( 16/03/2011 08:43)
manana olana kely aho amin'ny zanako, léry tsy tia zavatra malemilemy mihitsy, raha vao jereny fa ohatry ny malemy dia efa laviny, toy ny gateau (au chocolat...), tartes sns
ny biscuits iany no miditra.
mahatonga ahy miteny anio dia efa miresaka izy izao ary efa invité am'ny anniversaire , mahamenatra fa tonga dia laviny foana rehefa gateau, dia raha lazaina oe tsy maitsy mihinana dia mihoaka mihitsy léry.
raha ohatra oe amena légumes misy fromage ka raha tsy voafangaro tsara ka tsampany ao ambavany ilay tsirona fromage miavaka dia mihoaka koa izy ary tsy ihinana an'iny itsony.
tsy itako ny hevitra hanovana azy .
Ze manana trai-kefa ô !!!
novalian'i booboo ny 06/04/2011 13:27
2. Hinagasy ( 16/03/2011 09:18)
Tsy manana traikefa aho satria ny zanako kely ato koa dia be haingitraingitra, fa ny ataoko fotsiny dia tsy mitapaka mampanandrana azy zavatra vaovao, na dia tsy tiany aza dia tsy tereko mihitsy hihinana rhefa nety nanandrana ka tsy tiany. Fa teneniko fotsiny hoe aminny manaraka manandrana indray fa sao lasa tianao. Dia tsy tonga dia haverina iny plat iny fa ohatra afaka herinandro na roa herinandro indray vao hampanandramako azy. Rehefa manao ny sakafony any aho dia eo daholo ny zavatra rehetra hohaninay, fa izy fotsiny no misafidy hoe inona no ho haniny dia ilay tsy tiany tsy maintsy manandrana iray sotro.
Tsy manisy commentaires mihitsy raha tsy mahalany hanina izy (ny règle efa fantany hoe manandrana dia izay!), tsy misy bravo sy bedy izany raha mahalany na tsy mahalany hanina fa ny mahasarotiny anay dia hoe na tsy lany aza ny sakafo dia mijanona eo andatabatra miandry ny rehetra lany vao mahazo miala, io izany efa 4 taona any izy vao terena ilay mijanona miandry ny olona fa alohan'izay tsy vitany;
Ary tsy hovaina ny gouter fa hoe satria tsy nahinankanina dia atao be be kokoa, fa izay tokony ho izy andavanandro ihany; fa raha mbola noana dia miandry ny sakafo manaraka indray.
Nisy vokany satria ny zokiny teo aloha ohatra izay , telo taona tany daholo dia efa mihinana ny rehetra, na dia misy tsy tiany aza , hitako hoe tsy dia miavon-kanina firy e! Ilay zokiny 8 taona izao tsy tia voatabia mihitsy, voatabia manta amin'ny salade, dia efa avelako fa tsy tereko hoe hanandrana intsony, fa izy ve any aoriana any tsy hanandrana indray.
Asa raha nanampy anao!
3. Hinagasy ( 16/03/2011 09:22)
Fanampiny, ny ahy tsy fitahiko mihitsy hoe afangaro ny zavatra tiany sy tsy tiany. raha manao izany aza aho dia hazavaiko aminy fa misy an'ito (ilay zavatra tsy tiany) ito ao anatin'ilay sakafo, fa na dia izany aza manandrana kely izy, izay vao miteny hoe tsy tia na tia!
4. arialy ( 16/03/2011 19:02)
Hinagasy< misaotra fa andramako izay, ny zanako indray aloha vao 6mois dia efa nameko légumes, dia 12mois efa nihinana crudités, izy raha fruits-légumes tsy mifidy fa ny zavatra hafa tsy dia fihinana isan'andro tena guerre be, vary sy laoka, lasopy légumes, paty tsy misy fromage miditra, babybel koa tiany fa raha vo malemilemy tonga dia miverina miakatra, raha vo jereny dia ozy oe non non j'aime pas, dia efa tsy tafa izay.
Lazaina oe andramo aloha fa tsara io, neny mihinana, tsy manaiky mora.
misaotra an
5. Bazylou ( 16/03/2011 21:13)
Aza dia zarina ny tia sy tsy tia ny zaza re olona fa asaivo hohaniny daholo ze eo ambony vilia, . Indrindra fa ny zaza gasy aty an dafy aty. Manaraka ny ataon ny zaza vazaha maditra
6. Hinagasy ( 17/03/2011 01:14)
Bazylou< ka io zaza io ange mitovy amin'ny olondehibe ihany e! izaho ary izaho efa lehibe ity misy hanina tena tsy tiako, tsy tafiditro ambava mihitsy (vorovoronkena ohatra) dia ohatra izany koa ny zaza, manana goût ohatra ny olondheibe izy.
Mety hoe ny azy tonga dia non foana rehefa vaovao, fa izany no hampanandramana azy ilay hanina matetika fa rehefa tena hoe tsy tiany, hosesefana ary ve ilay zaza?

Miresaka hoe zana-bazaha maditra ianao,efa eto anatin'ny fanabeazana ihany isika ( ho vaokapoka eto aho milaza ito fa tsy maninona), fa ny ataontsika hoe maditra indraindray dia mba mampiseho ny caractère-ny ilay zaza. Ny antsika indraindray, diso ezahana hanaraka ny rafitra loatra ilay zaza ka manjary voafolaka ilay caractère izay tokony hanany entina lehibe.
Jereo ange fa indraindray rehefa milahatra eny amin'ny zanaky ny olona hafa firenena ny antsika fa ohatra ny menamenatra kely izany indraindray, tsy dia manana confiance en soi. Ilay zanabazahy nataontsika hoe naditra tamin'ny mbola kely, rehefa lehibe izy, jereo fa manana confiance be amin'ny tenany. Tsy hidirako ny resaka hafa sy soatovina hananantsika tsy hita ao aminy fa ilay olona manana fahatokisantena be no mahatonga ahy tonga saina hoe sao ary??????
Izaho tsy miteny hoe ratsy ny taiza gasy na tsara ny taiza vazaha, tsia! misy azo hisontomana lesona ny hita fa tsy voatery hanaraka ara-bakiteny izay culture n'olona any!

Ny hitako tsara, izay aloha ny hiezahako hitaizana ny zanako, tsy mamolaka azy aho hanana caractère hafa, na hanaraka izay baikoko fotsiny, fa ny zavatra tahaka ny respect ny manodidina azy fotsiny no tsy maintsy hentitra aminy, dia tahaka izany koa tokony hanana respect aminy koa aho, amin'ny lafiny rehetra na dia mbola kely aza izy!
7. soanja ( 17/03/2011 01:25)
arialy:

manana olana kely aho amin'ny zanako, léry tsy tia zavatra malemilemy mihitsy, raha vao jereny fa ohatry ny malemy dia efa laviny, toy ny gateau (au chocolat...), tartes sns
ny biscuits iany no miditra.
mahatonga ahy miteny anio dia efa miresaka izy izao ary efa invité am'ny anniversaire , mahamenatra fa tonga dia laviny foana rehefa gateau, dia raha lazaina oe tsy maitsy mihinana dia mihoaka mihitsy léry.
raha ohatra oe amena légumes misy fromage ka raha tsy voafangaro tsara ka tsampany ao ambavany ilay tsirona fromage miavaka dia mihoaka koa izy ary tsy ihinana an'iny itsony.
tsy itako ny hevitra hanovana azy .
Ze manana trai-kefa ô !!!


Misy zaza iray notaizako fony fahakeliny dia efa miditra any am oniversite izy izao dia ny mampihomehy dia izy tamin'ny mbola kely raha hifidifidy hanina. Izay alefa eo dia tsy tiako io, sns sns fa dia makarony sy fromazy foana no tiany na hoe Pizza. Dia amin'izao anefa hoy izy hoe Ndao isika sy Soanja hihinana sushi. Hihihi toran'ny homehy aho satria tsy ampoiziko ho zany zaza izany no hanandrana akory trondro manta. Ahoana hoy aho no nampiova anao tao, dia hoy izy hoe ny sipa tia mankany am sushi bar dia rehefa te hampiaraka dia mankany dia voatery e. Tsy manan-tsafidy dia izao za zao haniko daholo rehefa mety ho exotika rehetra. hihihi

Ny tiako hambara dia manam-potoana ny zava-drehetra. Raha misy zaza tsy tia an'iny sakafo iny dia aza terena izy hihinana azy. Aza ambakaina akory hoe hafangaro an'izao sy izao fa raha mbola tsy hahafaty azy ny tsy hihinana an'iny dia tsy manahy izany. Jereo amin'ireo sakafo tiany raha misy otrikaina tsara betsaka sy tsara indrindra dia iny no omena azy.

Raha resaka anniversaire zany dia tsy voatery hitovy amin'ny namany ny fety atao ho azy. Special ny zanakao ary aoka ho special. Tsara ho fantarin'ny namany aza fa izy dia tsy tia gateau ohatra satria izay no maha izy azy dia sakafo tiany no haroso ho an'ny namany eo. Dia iny no atao izay hahafahany manisy labozia sns sn.. Ny tsy fitovian'ny tsirairay dia hatsarana tokoa. Ary izay no mampiavaka azy amin'ny hafa.

Raha fanafody kosa no tsy tiany dia hafa fa raha sakafo dia aoka isika hanaja izany tsy fitiavany izany, toy ny hoe ny tenako tsy tia pizza dia aoka n'iza n'iza tsy hanery ahy hihinana pizza na zavatra misy fromazy.

Fa raha mahantra kosa ianareo ka tsy misy hohaniny eo afa tsy iny dia izay indray tena hafa no iatrehana azy. Raha noana ilay zaza dia hahalala hihinana izy. Saingy inoako fa tsy izay no tontolo ivoarany. Mila lalandava mifanaraka amin'ny tontolo ivoarany ny fanabeazana. Rehefa lehibe izy dia azo alefa any ambanivohitra Mada dia ahita amin'izay ny tena fiainana ohatra fa amin'izao izy dia aleo izy hijanona amin'ny maha zaza azy ary izay mifanaraka amin'ny system-ny dia izay no momba azy.

8. arialy ( 24/03/2011 22:19)
Soanja< tsy anniversaire-ny anie fa invité izy é, zay tsy manasa namana rehefa anniversaire fa en famille ihany
fa izy no invité dia mahakamo be oe tsy tia gateau au chocolat sns nefa asaina .
sady vitany mihitsy ny manosika ny vilia eo anoloany mandrapenjerany any ambany latabatra ... tenenina foana fa tsy mety é
lazaina oe refa tsy te hinana dia avelao eo fotsiny fa tsy ariana, dia tsy mila an'iny eo anoloany hono...kapohana fa e e e
9. soanja ( 25/03/2011 04:03)
arialy:

Soanja< tsy anniversaire-ny anie fa invité izy é, zay tsy manasa namana rehefa anniversaire fa en famille ihany
fa izy no invité dia mahakamo be oe tsy tia gateau au chocolat sns nefa asaina .
sady vitany mihitsy ny manosika ny vilia eo anoloany mandrapenjerany any ambany latabatra ... tenenina foana fa tsy mety é
lazaina oe refa tsy te hinana dia avelao eo fotsiny fa tsy ariana, dia tsy mila an'iny eo anoloany hono...kapohana fa e e e


Hay izay vao azoko ny olanareo ray aman-dreniny izany. Tsy hoe izy tsy tia ilay sakafo fa ny fihetsika ataony manoloana ny zavatra tsy tiany. Samihafa mantsy ireo.

Raha izay mantsy dia resaka fihetsika no olana eto hoe ahoana no tokony ataony mba handavany ny zavatra tsy tiany amin'ny teny fa tsy fihetsika tsy manaja.

Eto dia mila ampianarina azy raha ohatra ka efa mahay miteny izy hoe " Tsy tia chocolat za fa misaotra." na hoe " Aza omena chocolat/ gateau zah o fa za tsy tia. Misaotra. " dia aoka izay olona eo hihaino azy. Ny ray aman-dreniny mila milaza amin'izay mpizara sakafo eo hoe tsy mahazaka chocolat izy. Matoa izy mandoa dia tena tsy tiany mihitsy ilay sakafo. Fa ny fahafahany milaza izany mba tsy hanimba ny fety na feeling eo no mila ampianarina azy. Matetika aty aminay dia efa mivimbina sakafo izay tiany ny ray aman-dreny raha te hamonjy fety miaraka amin'ny hafa dia ilay zaza mihinana ilay sakafo tiany. Satria be ny allergy na zavatra tsy zaka amin'izao fotoana. Efa miomana an'io mialoha ny ray amn-drenin'ny ankizy ary mba tsy hisian'ny fikorontanana sns sns..

Raha toa moa ka tsy vonona hanaraka ny tenin-dray aman-dreny izy momba ny fihetsiny dia tsy voatery mamonjy fety ianareo raha ny fahitako azy. Tsy dia tsara mantsy ny mibedy zaza manoloana olona be dia be ary fadiana indrindra ny manapepo azy hoe io ve dia tsy tianao na tsy laninao sns sns... be manko no mpanao izany fa tsy hoe akory cas-nareo no resahiko.

Marihako fa zaza 3 taona miakatra dia afaka tsara hazavaina zavatra hoe afaka mamonjy fety isika raha izao ny zavamisy. Fa raha latsak'izany ny taonany dia mbola marefo ny sainy dia tsy afaka hahalala ny tokony atao izy.

Ny fihetsiky ny zaza iray dia tsy afaka miova eo no ho eo fa mila fotoana. Ka ny fomba hanafoanana fihetsika tsy dia zakan'ny fiaraha-monina dia ny manoro azy ny atao ary raha tsy manaraka izy dia tsy tokony entina amin'ilay toerana izy raha tsy efa vonona hanao ilay fihetsika eken'ny rehetra. Ny famerimberenana anefa fa raha izao no atao rehefa tonga any dia mety handrisika ny zaza tokoa satria any amin'ny fahafahana milaza ny tsy fitiavany zavatra iray.

Raha misy zavatra tsy tiany anefa dia hajao izay fa ho avy ny fotoana mety ho tia ihany izy indray andro any.
10. booboo ( 06/04/2011 13:27)
Ny zanako koa nisy fotoana rehefa tsy tiany ny sakafo ao anaty viliany na rehefa voky izy dia atosiny hianjera @ tany ny viliany. Dia ny nataonay namporisihana hiteny fotsiny hoe " voky zà " " tsy tiako io " dia izay, sady naverimberina matetika hoe tsy azera @ tany ny sakafo ô. Nila faharetana be, dia izao izy izay rehetra tsy tiany na rehefa mivahiny any @ olona aza dia miteny tsotra fotsiny izy hoe " aaa ssssy hihinana zà fa sôtss " na hoe " sssy tiako " na " voky be missssny " :-D. Ndray² sarotra ho an'ny kilonga koa ange rehefa tsy hananany ilay voambolana hanehony mazava ny tena ny tiany atao ...

Ilay terena koa aloha hitako tsy mety fa lasa tsy fahafinaretana intsony ilay misakafo no sady na isika olon-dehibe aza ange misy sakafo mba tsy telina mihitsy ...

Miotovy hevitra @ Soanja sy Hinagasy koa zà.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2809