Ilay sambon-danitra

1. Soanja ( 08/03/2011 20:56)
Araka ny vaovao dia efa nahavita ny asa nampanaovina azy avy ireo mpanamory an'ilay sambon-danitra ary efa niainga niala teo amin'ilay Fiantsonana Eny Ambony Tsy takamaso ISS ry zareo ka hamonjy ny tany omaly. Tsy ho ela dia hotonga indray ry zareo , mety rahampitso angamba, ivavahana amin'Andriamanitra mba ts hisy sampona.

Lasa ny eritreritro hoe maika ery izay ry zareo hahatsapa indray ny sinton'ny tany ary handray ny adidy maha olombelona azy ireo raha nivahiny tany an-danitra tany.

Ity no dia farany ataon'ity sambondanitra ity dia hamonjy ny tranom-bakoka izy raha vao vita izany. Niasa mafy tokoa izy ho an'olombelona ary isaorana ireo zava-maro ampiasaintsika androany na amin'izao fotoana izao vokatry ny asany. Ho ela velona anie ny atidohan'olombelona!
novalian'i soanja ny 09/03/2011 23:47
2. mirananirina ( 09/03/2011 12:16)
Sambatra ery izy ireo mahita ny any andanitra any ry soanja.angamba any aoriana any izy ireo mety mahita an Atra any.dia izay te hahita azy mandoa frais lafo be miakatra any.enga anie.tena gravy mihitsy ny atidohan olombelona mikaroka etsy sy eroa ity fa tena misy mihitsy mahay raha.ny ahy ny tena isaorako dia ny medicine.fa ny hafa koa tena omena bravo mihitsy.zao isika afaka miresaka eto zao efa porofo goavana
3. soanja ( 09/03/2011 23:47)
Mirana> tena marina tokoa izany. Ny siansa dia tena isan'ny fahasoavana goavana nomen'Andriamanitra antsika ary mila haintsika mila mampiasa fahendrena ny fanantanterahana sy mampiasa azy.

Tonga soamatsara anie aky ry zareo dia faly be zah. Ny mahavariana ahy dia ny fifandraisan'ny olombelona maro miady mampiasa atidoha ka mampiakatra an'iny sambondanitra iny. Olona anie aky izany ao Houston Texas izany sy Colorado ary Cap Canaveral juste tsy manao inona afa tsy miasa amin'io projet iray io fotsiny.

Habadiko am resaka siansa ny resaka fa zah aky tena misaotra an'andriamanitra mihitsy fa nahita ny resaka medicine isika fa asa na fantan-dry moa fa taloha ny olna dia maty noho ny appendisita fotsiny. raha tsy nahita ny fandidiana ny siansa dia asa izay nanjo antsika.

Maro tokoa ny zavatra hain'olombelona ary irariana mba hampiasa fahendrena izy ireo eo ampikarohana izay mahasoa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1262