ZAZA MIPIPY AMPANDRINA

1. NDINDY ( 05/03/2011 08:10)
INONA NO FANAFODY TENA MAHOMBY SY TSY LAFO LOATRA @ ZAZA MIPIPY AMPANDRIANA ?
novalian'i guant ny 05/05/2011 13:30
2. arialy ( 07/03/2011 11:20)
fa firy taona ilay zaza? raha efa lehibe tsy tokony hi pipi tsony dia toa misy olana ara psykolojia hoy ny dokotera, mety misy zavatra mapiasa ny lohany, mapitahotra azy sns ... jereo iany.
mahereza
3. Soanja ( 08/03/2011 20:49)
NDINDY:

INONA NO FANAFODY TENA MAHOMBY SY TSY LAFO LOATRA @ ZAZA MIPIPY AMPANDRIANA ?


Misy fomba vitsivitsy azo isorohana ny fipipizana ampandriana ho an'ireo zaza efa somary nahazo taona ka tsy hanao taty intsony. Ezahina izy tsy hisotro ronona na rano intsony adiny iray sy tapany alohan'ny hatoriany. Zany hoe mila misotra rano tsara izy mandritra ny sakafo. Tokony tsy hisy sakafo intsony alohan'ny adiny roa hatoriana ary tsy matory tara loatra no tsy aloha loatra. Ialana tanteraka ny ronona sns sy ny ranomamy isan-karazany. Alohan'y hatory dia asaina mandeha mipipy izy ary mila alaina noty ny fotoana mety hipipizany amin'ny alina dia rehefa fantatrao dia mila mifoha ianao ray aman-dreniny mamoha azy handeha hipipy. Na mikipy aza izy dia asaina mipipy ihany satria izay no fanafody manala azy. Manomboka fohazina foana izy na in-droa isanalina aza hipipy satria mety ngeza ny tataviany ka feno rano. Noho io fifohazana lava io dia mihazatra ny vatany ary farany izy ihany no ifoha hanao izany. Mila tsy lavitra ny misy azy ny pot ary tsy maizina loatra. Atao izay hananany pataloha mora aroraka zany midina sy miakatra tsy ilaina asa loatra hoe hanala fermeture.

Rehefa mipipy ampandriana izy dia tsy bedesina fa lazaina fotsiny hoe lena ianao dia mila mifoha misolo pataloha sy manolo lambam-pandriana. Izy no manao ny asa amin'izay izy mahalala fa asabe ilay izy dia mandamina ny atidohany noho izany izy.

Raha zaza kosa manana olana amin'ny fitomboany na mana-takaitra dia ianao ihany no mila mikarakara azy sy mamita ny rehetra.

Tsy misy fanafany ny fanalana fipipizana ampandriana fa ny fanazarana ilay zaza hifoha amin'ny alina matetika no fanafodiny. Zany hoe tsy atao mavesatra loatra ny sakafo haniny amin'ny hariva fa manjary torimaso tsy mahare izay ambonin'ny tany no ataony. Sakafo maivana nefa ara-pahasalamana.

Matetika ny zaza mipipy ampandriana lava nefa efa lehibe dia misy zavatra tsy ampy amin'ny resaka socio-emotion-ny noho izany dia ny tambitamby sy ny fanomezana fampaherezana azy no tena zava-dehibe tadiaviny.

4. ravonjison ( 15/03/2011 08:50)
Salut a ,

Efa voalaza tetsy ambony daholo ny vahaolana mety azo atao, fa mba fanasongadinana kely fotsiny no ataoko eto.
Manandanja toko ny taonany satria miankina amin"io ny mahamatotra ny taova ao anaty.
Rehefa feno roa taona eo ny zaza dia manomboka mahatsapa fa feno ny tataviany. Rehefa tsapany izany dia manomboka mianatra " mamoa sy manidy " io tatavia io izy. Rehefa feno telo taona izy ( amin"ny ankapobeny) dia tokony efa hoa hainy tsara ny mi " metriser " io tatavia io.
Raha zaza salama tsy manana olona ( voir : probleme socio-emotionnel ) izy dia tsy olana aminy ny mianatra azy io , ary mandeha voajanahary ( fivoarana io ). Azon"ny Ray aman-dReny ampiana fotsiny izy: ohatra : averimberina aminy ny teny hoe hi-pipi , asaina mi-pipi metetika izy, tehafana izy rehefa vita izany.sns... Saingy kosa tsy azo terena be , na hoe poretina izy mba ho hainy haingana ilay izy, satria tsy hisy vokany izany ary mety hisy akony eo aminy. Raha mbola tsy matotra ila y" nerf sy nofo" misahana ny tatavia dia tsy ho vitany izany.
Io dia mitovy amin" ny hoe : raha mbola tsy misy nify izy dia tsy azonao atao ny manome sakafo mafy azy. Ka na maika toa inona aza ianao dia tsy maintsy miandry ilay nify hipoitra vao afaka manome sakafo mafy !!!!

Raha toa ka mbola tsy ampy taina izy dia tsy maintsy miandry kely ianao.

Raha toa kosa efa ampy taona izay, ny atoandro izy mandeha mi-pipi ara-dalana, fa ny alina izy no mi-pipi ampandriana dia mety misy olana kely ao.
Ny zaza sasany ohatra rehefa variana mijery angano amin"ny telé, dia adinony tanetraka fa efa feno ny tataviany ary efa tokony handeha hi-pipi izy. Taitra tampoka anefa izy avy eo ary mihazakazaka mandeha any ankabone. Matetika anefa tsy tratrany intsony fa mi-pipi ankilaoty izy.
Ny tiako ho lazaina dia hoe rehefa variana loatra izy, lasa any amin"ny zavatra hafa ny lohany, na misy zavatra mampiasa ny sainy dia sarotra aminy ny " se concentrer" mianatra ny mamoa sy manidy ilay tatavia ( raha vao mianatra izany izy), na koa mihena ny " maitrise " n "ilay tatavia ( raha toa ka zavatra efa hainy ilay izy).

Mila mijery izany ianao hoe : efa ampy taona ve izy ?, Efa nisy fotoana tsy nampi-pipi alina azy ve ? Inona no mampiasa ny sainy ( voir : problem socio-emotinnel ) ? ( fotoana fohy na maharitra )
5. NDINDY ( 19/03/2011 09:20)
arialy:

fa firy taona ilay zaza? raha efa lehibe tsy tokony hi pipi tsony dia toa misy olana ara psykolojia hoy ny dokotera, mety misy zavatra mapiasa ny lohany, mapitahotra azy sns ... jereo iany.
mahereza
MISAOTRA ANAREO NAMALY. ZAZA LAHY 6 TAONA ILAY ZANAKO ARY KAMBOTY RENY IZY SATRIA VAO EFATRA TAONA IZY NO MATY NY RENINY. KA INONA NO MBA FANAFODY ARA- PSYKOLOJIKA AZONAREO ATORO AHY AMIN'IZANY ? MISAOTRA .
6. ravonjison ( 19/03/2011 14:12)

NDINDY:

arialy:

fa firy taona ilay zaza? raha efa lehibe tsy tokony hi pipi tsony dia toa misy olana ara psykolojia hoy ny dokotera, mety misy zavatra mapiasa ny lohany, mapitahotra azy sns ... jereo iany.
mahereza
MISAOTRA ANAREO NAMALY. ZAZA LAHY 6 TAONA ILAY ZANAKO ARY KAMBOTY RENY IZY SATRIA VAO EFATRA TAONA IZY NO MATY NY RENINY. KA INONA NO MBA FANAFODY ARA- PSYKOLOJIKA AZONAREO ATORO AHY AMIN'IZANY ? MISAOTRA .


Efa voalazan" i Soanja ny ankamaroan" ny vahaolana , ka ampiako fanazavana fohy sy tsotra mikasika io olana io , mba ahazoana mamaha ny olana en complexe:

I- Classification:

a- mi-pipi ampandriana hatramin"ny mbola kely( primaire) : matetika efa izay ny toe-batany
b- mi-pipi ampandriana noho ny antony maro samihafa ( secondaire ): eto dia ny olana ara-psykolojika no mahatonga ilay fipipizana amin"ny alina : fisarahana, fahafatesana, fahaterahan"ny iray tampo, manomboka mandeha mianatra sns. Matetika izany tsy nanana olana ilay zaza teo alofa fa rehefa niseho ireo " evenement" ireo , izay vao nanomboka namany ampandriana ilay zaza.

Donc ilay tranga b) angamba no misy anao , ka araka izay koa ny vahaolana.

II- Antony:

Rehefa miakatra ho 6 taona ny zaza dia efa ara-dalána ny " equilibre " eo amin"ny habehan"ny tatavia sy ny habehan"ny amany foronina : amin"ny alina dia ny antsasan"ny tatavia ihany no feno. Io equilibre io dia misy manaramaso ao anaty.
Noho ireo antony efa voalaza ety ambony ( a-toe-batana, b-ireo evenement isan-karazany), dia tara ny fivoaran"io fanarahamaso io na misy ihany saingy mihamalefaka. Noho izany dia betsaka loatra ny amany voaforona amin"ny alina, ary tsy mampandre ny atidoha ny zavamisy ny tatavia. Izany dia miafara amin"ny : tsy voa - controle ny tatavia.

N y zaza manana io olana io izany dia mametika misy zavatra mampiasa ny sainy , ary matory lalina loatra izy ny alina. Noho izany tsy mandeha ireo " mechanisme " ilaina amin"ny fipipizana.


III- Vahaolana:

Io dia olana azo vahana tsara, ny sasany dia sitrana hoa azy rehefa mandeha ny fotoana.
Tsara marihina fa ny famoazana matetika ny zaza amin"ny alina dia misakana ny fandriana sy ny pataloha tsy ho lena, fa kosa tsy mitondra vahaolna maharitra.

1-Regime:

a- Fisotroanan rano : ny atoandro manontolo dia misotro rano isaky ny 2ora, 100ml. Ny hariva kosa dia tsy mahazo misotro rano intsony, tsy mihinana lasopy, tsy mihinana sakafo masina loatra.

b-Fipipizana : mandeha mi-pipi isaky ny 2ora, milamina , tsy maika , tsy misy manakorotana. Ny alohan"ny matory dia mazava fa tsy maintsy mandeha mi-pipi.

c- Fanazarantena : exercice de relaxe tsotra mikasika ny " bassin" ( methode biofeedback, sns...)

d- sakafo : tsy mihinana sakafo mavesatra sy misy epice
tsy misotro kafe, boisson mandroatra, jus concentré

2- Ara-psykolojika:

- Entina miandalana miatrika ny zavamisy sy ny hoavy izy. Izany dia tanterahina min"ny alalan"ny : fenoana tsara ny programany isan"andro, indrindra ny weekend. Asiana asa ara-tsaina sy asa ara-batana, tsy manderaka fa kosa mba tsy ahafahany midonanampoana ( mipetraka fotsiny tsy manao n"inon"inona).

-Ezahinao mba hitovy amin"ireo namany izy amin"ny zavatra sasany : ohatra: misy mitsena ny namany indraindray rehefa mirava mianatra, dia mba tsenainao koa izy indraindray. Manao baoloina ny namany ny sabotsy, dia mba alefanao any koa izy....

- ny zaza 4 taona dia efa mahatadidiy tsara ny zavatra niseho teo amin"ny fiainany. Noho izany tsy ho adinony velively ny mikasika ny reniny taloha. Kanefa rehefa fenoinao sy omenao azy ny " besoin biologique " ilainy dia hilamina ny sainy : ny fikarakarana ireo programany ireo dia tsaratsara raha ianao mihitsy no manatanterakaka izany ( tsy fantatro raha reny na ray na mpitaiza ianao ????), ary ataovy hitan"ny masony izany fikarakarana izany ( tsy tsara izany raha zarazaraina amin"olona ilay fitaizana !).

Ohatra : Tianao halefa hilalao baoloina miaraka amin"ny namany izy ny sabotsy tolakandro. Ny alarobia dia efa resahinao izy hoe : manao baolina arý ny ankizilahy, dia resahinao ny mikasika izany izy, anontanianao raha mba te hilalao koa, inona no ilainy " maillot" , kiraro, sns...Dia mandeha mividy T- shirt tsotra ho entiny manao baolina izy ( tsy ny qualité-n" ilay T-shirt no manandanja fa ilay hoe niaraka nividy ilay izy ianareo). Dia ny sabotsy izy alefanao any . Rehefa miverina izy dia resahinao : iza no nandresy, mba nahafaty baolina ve izy ? Rahoviana ny match de retour ? sns...

Mila mipetra amin"ny latabatra ianao dia manoratra sy manomana izay tianao hatao aminy.


Izay aloha no azo atolotra fa dia mahereza.
7. guant ( 05/05/2011 13:30)
ary raha olondehibe efa 84 ans voan'ny alzheimer d aona no hanaovana azy!mba hahatazona pipy am alina sy tsy hifohafoha am alina!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1866