MPANANGANA NY RAVA
1. ydifas
(
03/03/2011 08:20)
Faly mamangy antsika amin'ny Anaran'i Kristy amin'ny alalan'izao hafatra izao indray ny tenako.
Iarahatsika mahita amin'izao vanim-potoana izao fa simba ny rafitra tsara rehetra misy, simba ny soatoavina na ara-piaraha-monina izany na ara-pifandraisana. Ny zanaka tsy manaja ray aman-dreny, tsy to teny intsony ireo manam-pahefana, tsy mifampatoky intsony ny iray trano mainka fa ny mpiara-monina. Izany dia noho ny hevitra tsy mitovy na ara-pôlitika, na ara-pivavahana ... Tsy eto Madagasikara ihany izany fa maneran-tany.
Diso fanantenana sy very hevitra ny maro manoloana ny korontana, ny tsy fisiana, ny fidangan'ny vidim-piainana. Tanteraka ilay teny ao amin'ny 2 Timoty 3 hoe "...fa any am-parany any dia hisy andro mahory".
Mampahery antsika aho: Aza taitra ny amin'izany fa zavatra tsy maintsy ho avy izany ary efa miaina izany isika. Ahoana nefa ny fomba ialantsika izany fanahiana izany? Inona no vahaolana hampirindra indray ny fiainana araka ny tokony ho izy?
"Fa "iza no nahafantatra ny sain'ny Tompo mba hampianatra Azy?" (Isaia 40:13) . Fa izahay manana ny sain'i Kristy" (Hoy Paoly) 1Korintiana 2/16.
Manao ahoana izany sain'i Kristy izany? Valiny: saina tsy miovaova, saina tsy miherikerika etsy sy eroa (tsy miroa saina: Andriamanitra iray ihany no iankohofana), saina mahatanty ny fakam-panahy mivelatra eo anoloany, saina tsy manavakavaka, saina tsy miandany (tsy maka "partie" na "mouvance"...), saina tia mizara, saina tia ny olon-drehetra, saina manetry tena, saina manandratra sy mifikitra amin'Ilay Ray Tsitoha ary saina mankato ny sitrapon'Andriamanitra.
Ny azo amehezana izany rehetra izany dia saina tarihin'ny Fitiavana. Ianaro izany saina izany, angataho amin'i Kristy fa hohitantsika fa hisy toetra ratsy hihitsana tsy ho eo amintsika intsony. Hohitantsika fa hivaha sy hilamina ny fiaraha-monina misy sy mifandray amintsika.
Rehefa dinihina dia ny toe-tsaina sy toe-po ary toe-panahy mihitsy no simba. Mila arenina izany ary maniraka antsika indray Kristy anio ho fitaovana mahery vaika eo an-tanany. Hoy indrindra Izy: "Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany." Isaia 58/12.
Amin'ny fomba ahoana? hoy isika.
Efa nosoloin'ny olona tsangam-bato ny alitaran'i Jehovah koa izany no anirahany antsika :"Fa ravao ny alitarany, ary torotoroy ny tsangam-baton-tsampiny, ary jinjao ny AseÂrahany" Eksodosy 34/13.
Ny sarin'ny "tsangam-bato" dia ny avonavona, ny fanindraindrana ny tena (na olon-kafa, na zavatra iray, na firehana iray...), ny fifandirana tsy misy fifandeferana, ny fitsaràna ny hafa, ny fitiavan-tena, ny fiolonolonana (fitokatokanana, fitokotokoana...), ny fifandatsàna ary indrindra indrindra ny fanompoan-tsampy. Misy izany eto amintsika ary izany rehetra izany no tsy maintsy horavantsika.
Isika no efa natsoina tamin'ny Anaran'i Jehovah koa anjarantsika ny manangana ny alitarany: atsangano ny "alitaran'ny fiderana", ny "alitaran'ny fanatitra", "alitaran'ny fifanekena amin'Andriamanitra". Fantaro fa nisy antony avy amintsika no nahatonga izany rehetra izany: "raha ny oloko izay nantsoina tamin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny" 2Tantara 7/14. Nahoana no tsy olon-kafa fa isika? satria fantany fa izaho sy ianao no ahavita izany ary isika no henoiny vavaka (hoy Izy) satria efa mandeha araka ny sitrapony.
Mino koa aho fa tsy vitsy ny atao hoe zanak'Andriamanitra mamaky ity hafatra ity. Koa antsoiny isika satria avy amintsika no hahasitrana ny tanitsika: "Koa mifaneke heloka hianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana hianareo. Ny fiasan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra" Jakoba 5/16
Noho izany, raha tsy isika olon'Andriamanitra mihitsy no mirotsaka an-tsehatra hivavaka sy hitalaho Aminy dia "tsy hiadana sy tsy ho finaritra" mandrakizay ity Madagasikarantsika ity. Tsy natsoina hitazam-potsiny isika, tsy nantsoina hifanenjika "evanjelika" na "ara-pilazan-tsara" hoy ny fitenenana. Fotoana fanambàrana hery izao hiankohofana amin'Ilay Avo Indrindra. Isika no aoka ho fitaratra hianaran'ny olon-drehetra. Mino aho fa ho isan'izay miady ny ady tsaran'ny finoana isika ary mbola mamerina mitso-drano antsika aho mba ho fitahiana ho an'i Madagasikara sy ho an'izao tontolo izao anie isika zanak'Andriamanitra.
Fehiny: Mianara hanana ny toetran'i Kristy ary apetraho amin'ny toeram-boninahitra tokony hisy Azy Izy ary farany aoka hatambatra ny hery hahaizana hanetry tena sy hitalahoana amin'Andriamanitra ny hialan'ny faharatsiana tsy ho eto amintsika sy hanasitranany ny tanitsika.
Koa alao hery ry havako malala, ataovy ho isan'ny antom-bavaka tononintsika ny hahasitrana ny tanitsika mba ho fiadanana no hanjaka ao ary ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany.

novalian'i Maranatha ny 01/06/2011 07:25
2. vonynive
(
07/03/2011 08:49)
miarahaba antsika,
misaotra anao idyfas
fa voalohany aloha dia mila miala @ ratsy fanaontsika isika zanak'Andriamanitra dia ny fitiavan-tena izany (ka na mivavaka aza dia hoe tahio AHO, omeo AHO, IZAHO hatrany no angatahana..) natao ho an'ny hafa ny zanak'Atra !
Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an'ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy.12 Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay?13 Ary hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo.14 Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin'olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin'ny karamanareo.lio 3 : 11-15

3. niryna
(
08/03/2011 21:29)
ydifas:ka izay no fiandohana hoy ny Tompo
Tanteraka ilay teny ao amin'ny 2 Timoty 3 hoe "...fa any am-parany any dia hisy andro mahory".
izay indrindra
"Koa mifaneke heloka hianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana hianareo. Ny fiasan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra" Jakoba 5/16
4. Fox40
(
16/03/2011 10:06)
hoaminareo mandrakariva anie ny fiadanana avy @ Jesoa Kristy Tompotsika. Tano mafy izay hanananao mba tsy hisy hisalotra ny satroboninahitrao. Mivavaha ary miambena mandrakariva fa tsy fantatrareo ny andro.
ydifas sy vonynive mahereza ary mahefa be @ asan'ny Tompo fa tsy hofoana tsy akory ny fikelezanao aina ao @ Jesoa Kristy Tompotsika

5. Maranatha
(
01/06/2011 07:25)
Faly miarahaba antsika dia manonina ny Fiadanan'ny tompo ho aminareo, Te hiserasera mahakasika ny hoe "Mpanangana ny rava"
Teny nalaina ao amin'ny Isaia 58:12 manao hoe " Ary ny taranakao no hanagana ny efa rava ela, ary ny nahorina hatramin'ny fahagola no hamboarinao; ary ianao atao hoe mpanamboatra ny rava mpamelon-dalana honenana amin'ny tany"
Tena tsara ilay lohahevitra satria raha mamakafaka io teny nakana azy io fotsiny isika dia tsy maintsy miverina hatramin'ny fahagola izany hoe hatramin'ny nanamboarana izao tontolo izao.
izany hoe tsy maintsy mamaky sy mijery izay voasoratra ao amin'ny Gen toko 1,2 isika dia mijery izay rehetra efa noravan'ny olona dia mamerina izany indray amin'ny toerany izay nametrahan' Atra azy.
Eny ary tsara ho fantatra aloha hoe inona avokoa ireo lalàna napetrak'A\tra tamin'ny voalohany rehefa namorona izao tontolo izao Izy :
1- Mikasika ny Andro iray : ny andro iray raha mamaky ny Gen 1:5 isika dia manao hoe" Ary A\tra nanao ny mazava hoe andro ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva ary nisy maraina , andro voalohany izay" :Raha io teny io fotsiny no velarina dia ny hariva izany no anombohan'ny andro (hariva maty masoandro) miafara hariva alohan'ny hahafatesan'ny masoandro, fa tsy amin'ny 12 alina (na misasaka alina). Tsy maintsy hahintsy izany aloha izay raha hanangana ny efa rava ela.
2- Mikasika hoe firy ny mpamorona hoy ny Gen 1:26 Ary A\tra nanao hoe : Andeha isika hanao olona tahaka ny endri-tsika, araka ny tarehin-tsika;...." ilay Isika lazaina izany eto aloha dia milaza roa na telo na maromaro fa raha ny Matio 3 :15-16 dia milaza fa i Jesosy zanak'A\tra atao Batisa , ny Fanahin'A\tra nihidina nankeo amboniny, Ary A\tra any an-danitra nilaza hoe Ity ny zanako malalako izay sitrako. dia midika fa telo no Atra :Atra Ray, Jesosy zanany ,ary ny Fanahy masina.
3- Mikasika ny sakafo Gen 1:29 "Ary Atra nanao hoe: Indro efa nomeko anareo ny anana manitsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manitsam-boa dia ho fihinana ho anareo ireny " raha hanangana ny efa rava ela aloha izany dia ireo no fihinana (miala ny nofom-biby rehetra na ny madio na ny maloto, tsy mihinana izay tsy hankasitrahan'Atra Toaka, paraky ,sigara, ireo manaitaitra rehetra e)
4-Ny andro fitsaharana dia hoy Atra Gen 2:2-3 "Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Atra ny asa efa nataony ary dia nitsahatra t@ andro fahafito izy t@ asany rehetra izay efa nataony, Ary Atra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy ......" Raha izay dia ny andro fahafito izany no hitsaharana (fantatsika fa t@ andro voalohany t@ herinandro i Jesosy no nitsangana i ny andro alahady izany, noho izany ny andro fahafito izany dia ny Sabotsy sa tsy izany?)
5- Ny atao hoe olom-belona sy ny atao hoe olona maty Gen 2:7 " Ary vovon-tany no nanamboaran'Atra ny olona , ary nofofoiny fofonaina mahavelona ny vavorony dia tonga olom-belona izy"
Olombelona = Vovontany +fofonaina
Olona maty = olomelona -fofonaina = vovontany
Vovontany tsy mahafantatra na inona na inona, hoy ny Mpitoriteny 9:5-6 "Fa fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona....." hatreto aloha izany rehefa maty dia maty mandram-panangan'Atra azy indray, Raha misy tranga any hoe olona efa maty nefa miseho tamiko na ny toy izany dia iny ilay atao ho devoly hoy ny soratra masina "fa ny devoly mahay manova ny endriny tahaka ny anjelin'ny mazava" ka aza mety ho fitahina raha te hanangana ny efa rava ela.
6- Ny asa Gen 2:15 "Ary Atra nitondra andralehilahy ka namponina azy tao @ saha hiasa sy hitandrina azy" Tsy maintsy miasa ny olona, "Aoka izay tsy miasa tsy hihinana"
7-Ny ampahafolony Gen 2:16-17 " Ny hazo rehetra eo @ saha azonao ihinana ihany fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinana @ andro izay hihinanao azy dia ho faty tokoa ianao" Tandindona ny amin'ny ampahafolony io,izay hamafisin'ny Malakia 3:7-11 izay miteraka ozona raha hihinanana.
8-Ny fanambadiana Gen 2:18-24 izay tsy maintsy tokana ihany Lehilahy iray manambady vehivavy iray( tsy maahazo mampirafy), tsy azo atao ny manambady biby, tsy azo atao ny vehivavy manambady vehivavy, tsy azo atao ny lehilahy manambady lehilahy, Rehefa manambady dia mandao ny Ray aman-dreny dia mikambana @ vadiny (manana ny maha izy azy na ny hevitra na ny safidy sns...).
Mila mampiatra ireo izany raha te hanangana ny efa rava ela miampy ny Apok 14:12 "Mitandrina ny Didin'Atra (Eksodosy 20:3-17) sy ny finoana an'I Jesosy). Izay vao atao hoe mpanangana ny efa rava ela sy mpamelon-dalana honenana @ tany