Mba tsy afako loatra....

1. soanja ( 28/02/2011 14:00)
Jereo kely anie ity asa sarimihetsika momban'i Madagasikara ity. Moa va tsy tena mahalasa fisainana mihitsy ny fampivoitra'ny tena zavamisy, ny kalitao, ny fahaiza- mandrobaka ny fokely malahelo ilay tanindrazana. Ny any aminay tokoa mantsy io!

http://www.youtube.com/watch?v=eaWEzsLVGiA

Misaotra tanteraka an'ilay Mpanakanto ary mirary fahombiazana hatrany eny fa na dia tsy tafavoaka ilay fifaninana voalohany.
novalian'i soanja ny 01/03/2011 22:12
2. bazylou ( 01/03/2011 19:14)
Soanja

Andao hanao organisation hanao promotion ny video vita malagasy ary.
Indrindra ny reportage toa ireny.
Za efa leo ny vita vazaha.
3. soanja ( 01/03/2011 22:12)
bazylou:

Soanja

Andao hanao organisation hanao promotion ny video vita malagasy ary.
Indrindra ny reportage toa ireny.
Za efa leo ny vita vazaha.


Okay ary. Za efa manana an'io programa io ka. Mbola betsaka be anefa ny zavatra tsy maintsy atao vao afaka manao an'io satria mila ampy tsara ny bagazy. Ianao ve efa nianatra na efa nanao karazana documentary na tahak'izay? Za manana hevitra be dia be mantsy fa ny fotoana sy ny fombe entiko hanantanterahana azy no tsy ampy satria voafetra be ny fahaizako raha resaka film.

Misy Malagasy iray akaiky ahy be izay efa manana production company dia Ilaiko Production no anarany ka efa namokatra film ry zareo ary saika hoe hatolotra ny Sundance film festival fa tsy tody satria mbola nisy zavatra tsy ampy dia mbola mila manohy fianarana film indray ilay olona. Aty aminay mantsy misy ireny sekoly manao film ireny ary fa tena mila fotoana be sy volabe ny fahafahana mahazo diploma.

Fa raha mazoto ianao ka manana fitaovana dia efa afaka miaraka amiko amin'ny diako manaraka dia juste mijery fotsiny hoe inona no tsara atao theme. Ahoana raikitra?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1001