Fiainantsika izany !

1. majesty ( 26/02/2011 07:59)
Hanao topi-maso kely ny fiaraha-monina aho androany, ry Jean Marc mivady vao noraisina ho mpandray herinandro vitsivitsy izay, arahabaina nahazo fahasoavana hoy ny sasany, mahareta hatramin'ny farany hoy ny hafa, tonga tany an-trano dia raikitra ny revy fa fifaliana be tsy misy ohatr'ity ! mamo amin'izay izy mivady vao noraisina mpandray sy ireo nasaina ka teny ratsy no zary heno mivoaka ny vavan'izy ireo ... nahazo fahasoavana hono e! ry zareo tetsy atsimo kosa indray toy izay ihany fa natao batisa ny zanany ka moa ve tsy toy ireny nifampiresaka ireny ry zareo sy ry ra Jean Marc mianakavy fa dia mitovy ny fety natao, betsaka ny mamo sns, fa nahazo fahasoavana .....

Vaka ny saiko hoe izaho ve no tery saina (in box) sa ny olona no diso misokatra loatra (out box) !
novalian'i bor2lais ny 08/03/2011 11:17
2. niryna ( 27/02/2011 05:06)

majesty:

tena tsy fantatro indray aloha izay tao anatin'ny saindry zareo ,ny fantatro fotsiny dia ny fanaovana zavatra mihoatra ny fefy dia hanimba ny tena ary ny zavatra avoakan'ny vava no manambara ny ao am-po koa dia mivavaha ho azy ireo mba ny fanahy masina no hitsidika ny tokantranony avy ok
3. bor2lais ( 01/03/2011 08:24)
Majesty:

Vaka ny saiko hoe izaho ve no tery saina (in box) sa ny olona no diso misokatra loatra (out box) !

Ny fahitako azy dia toa fahadisoam-panantenana no mahazo anao : tsy araky ny fieritreretanao izay tokony ho izy no nitranga !

Ny zava-dehibe amiko dia ny fanekena nataon'ireo olona (tompom-pety) ireo tamiNY. Samy manana ny fomba fiasaNY amin'ny tsi11 avy Izy rehefa avy eo ! Ny fiasaNY amin'i Majesty tsy voatery hitovy amin'ny fiasaNY amin'i Jean Marc na amin'i bor2lais !

Fa ny inoana dia ny hoe : miasa Izy ! Matetika raha tiana hamoa tsara ny hazo iray dia tsy maintsy rantsanana hany ka lasa ratsy endrika ery ny fijery azy mazàna ...

Fomba fijeriko ihany anefa izay !
4. soanja ( 01/03/2011 22:28)
majesty:

Hanao topi-maso kely ny fiaraha-monina aho androany, ry Jean Marc mivady vao noraisina ho mpandray herinandro vitsivitsy izay, arahabaina nahazo fahasoavana hoy ny sasany, mahareta hatramin'ny farany hoy ny hafa, tonga tany an-trano dia raikitra ny revy fa fifaliana be tsy misy ohatr'ity ! mamo amin'izay izy mivady vao noraisina mpandray sy ireo nasaina ka teny ratsy no zary heno mivoaka ny vavan'izy ireo ... nahazo fahasoavana hono e! ry zareo tetsy atsimo kosa indray toy izay ihany fa natao batisa ny zanany ka moa ve tsy toy ireny nifampiresaka ireny ry zareo sy ry ra Jean Marc mianakavy fa dia mitovy ny fety natao, betsaka ny mamo sns, fa nahazo fahasoavana .....

Vaka ny saiko hoe izaho ve no tery saina (in box) sa ny olona no diso misokatra loatra (out box) !

Mety ho gaga i Majesty raha teneniko hoe betsaka ny Malagasy efa hitako sy nahafinaritra ahy fa ny nitonona ny tenana hoe Mpiandry no tena nandiso fanantenana ahy be dia be indrindra ary tena mampalahelo ny nataon'izy ireo.

Teo vao nahafantarako fa na ao anatintsika aza Andriamanitra dia mbola nofo dia nofo tokoa isika ary tsy ho afabela raha tsy mikipy tsy hifoha intsony ny maso.

Ny hafaliana dia mety ho fijaliana koa rehefa dinihina satria tsy fantatr'ilay olona ny fomba anehoana azy. Ny zavadehibe dia nahazo fahasoavana izy ireo ary isaorana Andriamanitra nanome izany!
5. rijadolly ( 03/03/2011 02:56)
Raha namaky ny hevitsika tsirairay aho dia nahamarika fa dia ilay hiran' Rambao "SIDA" iny mihitsy no mahazo ny mpino amin'ity lohahevitry Majesty ity.

Araka ny hevitrareo kosa aza ve dia tsy azo atao ny fanankianana mba ahasoa ny mpino? Mpino izreo satria nentina teo hanatrehan'Andriamanitra ilay raharaha.(azafady fa masiaka loatra ilay teny hoe fanankianana izay midika ho fanoroana, na Fitiavana ho an'izay mahay mandray azy)
6. majesty ( 03/03/2011 08:35)
bor2lais : fahadisoam-panantenana ve ny ahy ? asa re! fa zava-misy manodidina iny dia niniana ho lazaina mba hifampidinihana !
7. bor2lais ( 08/03/2011 11:17)
majesty:

bor2lais : fahadisoam-panantenana ve ny ahy ?

Fijeriko manokana hoy aho ka mety ho diso ihany koa !
Hay moa ilay izy izany :
majesty:

zava-misy manodidina iny dia niniana ho lazaina mba hifampadinihana !

Ny tiako lazaina dia mety ho diso ihany koa io lazain'i rijadolly io a !
rijadolly:

Araka ny hevitrareo kosa aza ve dia tsy azo atao ny fanankianana mba ahasoa ny mpino ?

Angaha kosa moa nisy niteny teto hoe tsy azo atao : samy mba nitondra ny zoro fijeriny avy ange ny tsi11 (izahay sy soanja) fa tsy ilay zoro "mahazatra" ihany akory e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0702