rehefa tonga any ambanivohitra ianao

1. bazylou ( 12/02/2011 19:02)
dia mampianara ny olona eo an tanan ahahay hanoratra sy hamaky teny,
novalian'i soanja ny 17/02/2011 02:16
2. soanja ( 13/02/2011 01:16)
Afaka miara miasa isika ry bazylou raha mazoto ianao. Hanoratra any amin'ny mail-nao aho. Misaotra manentana.

Rehefa miasa any ambanivohitra any dia tsara miara-miasa amin'ny solon-tenam-panjakana any. Raha resaka fanabeazana sy fampianarana dia ny mpampianatra eo an-toerana sy ny chef ZAP no antonona dia ireo manome fanazavana ny fomba entina hiara-miantsoroka ny fanabeazana. Ireo afaka manome anao lakilasy entinao mampianatra raha ianao no mazoto hanao izany. Fa raha tsy izay dia hitondray boky sy kahie ary penina ny ankizy dia avy amin'iny no iatombohan'ny fifandraisana.

Mazotoa hatrany fa midadasika i Madagasikara.
3. bazylou ( 13/02/2011 19:01)

ok Soanja fa ny ahy anie ny sekoly eo an tanana ka efa an'ny ray be sy reny beko ny tany nanaovana azy e.
ETo ampanombohana aloha dia ny cahier sy stylo no hataoko betsaka.

Sady izaho hampianatra na olon dehibe aza an.

kozy e
4. soanja ( 14/02/2011 03:39)
Tsara foana na ny tananao aza no hatsarainao sy hasoavina saingy miangavy aho raha mbola manam-pitiavana ny hafa isika dia aza variana ny eo an-tanana ilay nahalehibe fotsiny fa tsinjovy koa ireo izay tsy mba manan-kavana tafita , ireo tsy manana ny nahita fianarana, ireo izay tsy mahay manoratra ny ankamaroany ao an-tanana sns sns.... misy ireo tanana ireo fa ny antsika ny fahitako azy dia efa be mpanao ary efa voakarakara. Asa anefa.....
5. bazylou ( 16/02/2011 18:46)
tena ezaka be io soanja a, ary tena manaraka ny ara be mihitsy, tsy ho vita mora koa an.

izay ilay hoe defi e

raikitra e
6. bazylou ( 16/02/2011 18:50)
izaho izao mial ambanivohitra 1. dia mba omeo e.
7. soanja ( 17/02/2011 02:16)
bazylou:

izaho izao mial ambanivohitra 1. dia mba omeo e.


Ok. Manoratra any aminao aho milaza ny andininy. Misaotra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.583