Tazo tokoa ve sa zavatra hafa

1. rouvamiora ( 08/02/2011 19:52)
Miarahaba antsika rehetra.
Ny amin'ny zanako no mba hakako hevitra aminareo eto, matetika mandeha ran'orona nea mbola vao 3 taona monja. Ka nilaza ny dokotera fa noho ny tazo hono no mahatonga an'izany. Ny zavatra tsikaritro aloha dia na alohan'ny tazo na aorian'ny tazo lay mandeha ran'orona.
Raha mba misy nanana cas mitovy2 amin'izany re nareo dia mba tantarao ahy ny nataonareo.
Misaotra betsaka mialoha.
novalian'i jesuisla ny 19/01/2012 17:36
2. Maholisoa ( 10/02/2011 16:30)
Manao ahoana,

Matetika mitranga amin'ny ankizy lahy kely ny mandeha ran'orona satria marefo ny lalandra ao anaty orony ao.
Matetika koa mantsy ny ankizy misikotr'orona mazana raha toa izy ka sendra misy kankana.
Dia izay no mampandeha orona azy. Tsy dia misy atahorana ka atovy fohy kely foana aloha no hohony, manao satroka rehefa mafana ny andro. Raha tena matahotra ento any amin'ny ORL asiany fanafody kely dia mijaonona.Ny zanako lahy 9 taona hatramin'izao mandeha any amin'ny ORL isaky ny 2 taona eo dia tsy maninona intsony.
Mahereza e.
Maholisoa

rouvamiora:

Miarahaba antsika rehetra.
Ny amin'ny zanako no mba hakako hevitra aminareo eto, matetika mandeha ran'orona nea mbola vao 3 taona monja. Ka nilaza ny dokotera fa noho ny tazo hono no mahatonga an'izany. Ny zavatra tsikaritro aloha dia na alohan'ny tazo na aorian'ny tazo lay mandeha ran'orona.
Raha mba misy nanana cas mitovy2 amin'izany re nareo dia mba tantarao ahy ny nataonareo.
Misaotra betsaka mialoha.
3. joceramiandra ( 27/05/2011 11:27)
Miarahaba anareo Roa Vavy,

Tena zavatra mpiseho io tranga miseho @ zanakareo io, tsy misy tokony ahataitra satria dia avy à tazo izay mitoetra ao aminy no mahatonga izany. Tokony hatao fazarana fotsiny ny manisy lamba lena eo @ andriny, in-telo isan'andro raha azo atao. Ny olana dia tsy mbola afaka ny hanala ilay tazo hatrany @ fotony ianao satria tsy mbola manana hery ho @izany ny zaza, miandry azy ho maazo taona kely izay vao afaka miditra @izay ka izay manao lamba lena isan'andro izay aloha dia efa mampihena hatrany @ 70%n'ny tahan'ny ràn'orona mande aminy. Fomba tsotra nefa mahomby ka dia mahereza e!
4. jesuisla ( 19/01/2012 17:36)
az kapohina @ loha sy ny lamosiny izy. Tanany sy ny tongony kapohina. Az tenenina mafy, fa sao mora nerveux izy. ataovy avo ny odany @ alina, ampanaovy fanatanjahatena,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2233