FEUILLE DE ROUTE IVOAHANA @ KRIZY? IZAO NO IZY

1. RUZ9 ( 05/02/2011 11:44)
Mihamitatra hatrany ny fahasahiranan’ny firenena Malagasy ankehitriny, samy manao an’izay heveriny ho mety avokoa ny tsirairay eo anatrehan’izany. Misy ny miezaka hamaha ny olana, misy miezaka hifikitra @ saza fotsiny noho ny tombontsoan’ny tenany manokana ary samy manao sorona ny ain’ny mpiray tanindrazany noho io tombontsoa io, manao sorona ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena.
Tsarovy nefa fa Tany Masina ity firenena ity, ary lalana tokana no hahafahany mandroso, dia ny fiverenana miaina an’ilay atao hoe «NY FANAHY NO OLONA»
Lalàm-pitondran-tena tokony harahin’ny tsirairay io.
Tsy olona mpanao herisetra, tompon’antoka @ fandorana sy fandrobana fananam-bahoaka araka izany no afaka hampandroso an’ity firenena ity, mandrave no talentany ka tsy ho hainy ny mifanohitra @ izany.
Tsy mpanao sorona olona noho ny tomontsoan’ny tenany manokana no hahay hitsinjo ny mpiara-belona aminy.
Tsy ela akory izay no nitrangan’ireo tantara ireo (26-01-2009 sy 07-02-2009). Ary mitohy mandrak’izao ny fandripahana harem-pirenena raha tsy hilaza afa-tsy ny raharaha bois de rose, novolena ny krizy kolokoloin’olom-bitsy dia ny vahoaka no mizaka ny vokany.
NY fanonganam-panjakana moa efa eny @ fitsarana ny raharaha fa ny fampihorohoroana t@ alatsinainy mainty kosa ; iangaviana an’ireo tompon’anadraikitra am-perinasa isam-paritra handray an-tanana ny fitoriana, eo ianareo ben’ny Tanana, ny antoko politika, ianareo Ampanjaka rehetra an’ny faritra maro maro any, raha misy fitsarana marina ihany eto.
Tsy misy voafidim-bahoaka ireo ka hanana zo tsy ho voatohintohina
Tsy fotoanan’ny fiandrasana intsony fa fandraisana andraikitra.
Ny fivarotana tanindrazana izay nanenjehana ny fitondrana teo aloha natao lalam-panorenana ankehitriny. Hanorenana inona?
Mpivarotra tanindrazana sy saribakolin’ny mpanjanaka no mamoritra vahoaka eto.
Tsy hahavaha olana izany, mametraka olana no hainy.
Tsy ny «feuille de route» novolavolaina vahiny sy olo-meloka no hamaha ny olantsika
HO LANY ANDRO ETO ary hitohy ny fijaliam-bahoaka ka raha handany andro hidinika etsy sy eroa, sy hiandry fifidianana eto, satrin’ny FAT tsy hisy fifidianana hijanonany ela eo.
Fantatra izao fa olona tsy mahatana ny teniny ve no ifampidinihana, tsy mitsinjo afa-tsy ny tombotsoany sy ny mpiara-komana aminy?
Ny tompon’antoka t@ fandrobana sy fanimabana fananam-bahoaka no mibodo fahefana sy mitomany hanendry tompon’andraikitra etsy sy eroa.
Angaha moa izy ity raharaham-pirenena, fiainam-pirenena sa fikambanan-jiolahy
TENY ATSIPY FOTSINY handinihantsika fa raha tiana ny hamaha tanteraka ny olam-pirenena ka tsy hiverenan’ny Krizy intsony, dia ity ny vahaolana andraisan’ny rehetra anjara.
Ny tenako aloha tsy nandalina ny lalàna nataon’olombelona izay azo tsolorana ny mpahay azy dia manova na tsy mapihatra azy, ny lalàna andaminan’ny mpahary ny fiainana, ny fisiana sy ny tontolo no nohalaliniko.
Ho hitanao ato ato ny momba ny Fanahy, ny Tody, ny fampianaran’ny Kristy
Tsy miasa @ ity lalàna ity ny tsolotra.
Mila miverina any an-doharano isika miaina tanteraka an’ity Fanahy no olona ity ka olona manam-panahy no apetraka hitondra fa tsy DJ manao remixe an’izao hadalana rehetra izao.
Rehefa ny lohany mantsy no matsatso, matsatso manaraka an’izany ny rafitra rehetra hatr@ vahoaka.
Tsarovy, «tsy mahantra olomanga isika fa mahantra olo-marina»
Efa nitondra antsika avokoa na mpampianatra, na bekintana, profesora, mpandraharaha, ilay DJ moa vao mainka loza.
Tsy fombafomba ivelany toy ny fitafy sy fomba fiteny no tao hoe fandalana ny maha Malagasy, ivelany fotsiny ireny fa fikarohana lalina kosa anefa no nahitana ny tena foto-pisainana sy fiainan’ny Malagasy an’ity FANAHY ity
INONA ARY NY ATAO HOE FANAHY?
ARAHO ATO NY FANAZAVANA http://cyrius.centerblog.net/

novalian'i RUZ9 ny 09/02/2011 08:53
2. AndriambyII ( 05/02/2011 23:29)
Ekena tokou ouzzz ny principe ouzzz Dadarabesorongola ouuzzz !!
3. bazylou ( 06/02/2011 21:24)
shhh, efa lany daty e,

vive tgv
4. swann ( 07/02/2011 10:35)

bazylou lany daty efa 63taona ....ko ko ko ko !...
5. sitrakasolo ( 08/02/2011 15:00)
Aminay alo dia hita fa tena hevitra mety kosa iny feuille de route vao2 iny satria hita taratra ao daholo ireo marimaritra iraisana ka tokony tsy isalasalana ny hanasoniavana azy io fa mijaly ny vahoaka ka aoka izay ny ady seza fa manakorontana saimbahoaka fotsiny, efa hita manangasanga ihany koa izao reconnaissence Internationale satria misy ny soutient avy any @ TROIKA
6. bejaona ( 08/02/2011 15:23)
za kalongany d tena tia an dada f saingy nandao ahy izy no lasa ka tsy niverina intsony. dia kamboty zary nandrovitra vodimpataloha teny Iavoloha ka hatreny Behoririka,da mbola tsa tonga iha, nefa kilonga tsamaitsy ampihinanina koa dia roso ny tegna ka tsy ipody koa miaraka @feuille de routy vaovao ty fa ela loatra. Izany eo ihany fa soa fa nisy olona manam-piniavana nifampiresaka sy nampandefitra ny ambom-po ka sahy nifampiraharaha noho ny tombon-tsoam-pirenena ahafahana mivoaka @izao crise izao toa an-dry RAHARINAIVO ohatra izay lazaina fa mpamadika nefa mpitady vahaolana.
7. RUZ9 ( 09/02/2011 08:53)
Na inona na inona feuille de route hosoniavina eto, tsy misy firenena handroso raha mpandromba fananam-bahoaka sy harem-pirenena no mibodo fahefana, ny tompon'antoka nikotrika ny alatsinainy mainty sy ny fanaovana sorona olona teny Ambohitsorohitra, tsy holazaina intsony ny resaka bois de rose sy ny hafa... hanendry tompon'andraikitra etsy eroa? dia karazana olona toy inona no hotendreny ao, tahaka an'ireo mpiara-komana aminy hatr@ izay? Tsy maintsy ho olona havanana sy mpandray anjara @ ireo hadalana voalaza eo ambony ireo sy ny hafa...

Raha sanatria ka hisy ny reconnaissance international, vao hampidi-doza ny firenena izany, hahazo vahana ny fanetriben'ny Firenena.

Raha olona mahay mitantana marina afaka nampandroso firenena na misy na tsy misy ny fankatoavana avy any ivelany, saingy zara aza misy an'izany ialana olana sy anafenana ny tsy fahombiazana.

Taratry ny tsy fahaiza-mitondra ny fialan-tsiny lava.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3517