filma

1. bazylou ( 29/01/2011 19:09)
Vola mitentina 1 milliard 400 millions FMG no azon’ny HCC noho ny Fanonganam-panjakana 2009 !


Tamin’ny 17 marsa 2009 dia nisy niantso tao amin’ny HCC fa hisy haka an-keriny ao amin’ny lapan’Ambohidahy ny Président Jean Michel RAJAONARIVONY sy ny membre ny HCC. Tokony ho teo amin’ny 04 ora sy sasany izany antso izany. Tamin’io fotoana io ihany koa no raikitra ny fifanjevona teny amin’ny Episcopat Antanimena izay nahitana ny fisamborana an’i Vice amiral Hyppolite RAHARISON, Général de division Ranto RABARISOA, Général de division Rivo RAZAFINDRALAMBO, ny Président ny FJKM Pasteur Lala RASENDRAHASINA narahana herisetra sy fandrahonana basy eran’ny tokontany sy ny trano.

Nisy miaramila manamboninahitra niantso an-telefaonina tao amin’ny lapa ka nanontany hoe :»aiza ny president nareo?» Efa lasa nody moa izy tamin’izay ka nilaza ilay miaramila hoe asaivo miverina izy fa misy olona maromaro mitondra 4X4 miandry azy eny an-dalàna haka azy an-keriny. Sendra mifanojo moa ny zavatra fa tamin’izay koa no nantsoin’i Norbert RATSIRAHONANA i Président Jean Michel RAJAONARIVONY fa nampanantsoin’i Andry RAJOELINA ho any an-tranony io ariva io ihany. Ka teo dia nitodi-doha niverina izy ary nihazo an’ny Ambatobe.

Alohan’ny tsy ahatongavana tany Ambatobe dia efa niandry azy i RATSIRAHONANA teo amin’ny sampanan-dalàna iray. Nifindra tao amin’ny fiaran’i Président ny HCC izy ary izay indray vao niroso ny dia ho any amin’ny tranon’i Andry RAJOELINA.

Maromaro ny olona tao ary anisan’izany Andry RAJOELINA, Colonel Noel RAKOTONANDRASANA, Christine RAZANAMAHASOA, André RESAMPA, Colonel André NDRIANARIJAONA, Alain RAMAROSON, RAONENANTSOAMAMPIANINA.

Ka izao no resaka izay natao tamin’io alina io: mangataka ny président ny HCC ry zareo mba hanampy azy ireo amin’ny lafiny rehetra setrin’izay dia nanome toky izy ireo fa tsy hanala an’ny président amin’ny toerany misy azy ary ho arovana hatramin’ny farany rehefa mandeha tsara ny fifanampiana. Mbola nanome toky ihany koa izy ireo fa tsy ho adino ny HCC fa tsy maintsy omena izay anjara valin’asa amin’izay niarahana nanatanteraka. Nony vita izay resaka izay dia nifanaiky ry zareo ka natao ny fanoratana ilay taratasy Ordonnance izay hamindrana ny fahefana avy amin’ireo miaramila izay voasambotra teny amin’ny Episcopat ho an’i Andry RAJOELINA, ka i RATSIRAHONANA no nandrafitra ilay taratasy famindram-pahefana satria ho entina eny amin’ny Toby CAPSAT, toerana nitondrana ireo Généraux sy Pasteur Lala RASENDRAHASINA tamin’io alina io ihany, ho vakiana ho ren-tàny sy ren-danitra.

Avy eo dia niantefa tany amin’ny HCC ny resaka:» tsy ho jerem-potsiny ianareo ao amin’ny HCC indrindra fa ianao Atoa Président, hoy indray izy ireo, ka mangataka fiaraha miasa sy fiara-mientana izahay mba hampahomby izao hetsika hanovana ny tantàra izao. Koa dia ampitao any amin’ny namana rehetra any izao hafatra izao ary matoky anao izahay Président fa tsy hivadika amin’izao resan-tsika izao»; somary hafahafa ihany aloha ny endriky ny president ny HCC raha hivoaka izy, ka nilaza izy tamin’ireo olona teo ireo fa:» tsy afaka hifanerasera aminareo ahy, hoy izy, fa i HC RAKOTONDRABAO miaraka amin’ireto olona atokisako ireto no hifandray aminareo matetika amin’izany fifanarahana izany».

Nony tonga tokoa ny fotoana manaraka dia nentin’ny HC RAKOTONDRABAO ny greffier en chef Capitaine RAZAFINDRAKOTO, nankeny amin’ny lapa Mahazoarivo nihaona tamin’ny MONJA Roindefo, haka ilay vola nifanarahana. Ny resaka izay nifanaovan’izy roa lahy aloha dia tsy nisy nanatrika ka tsy fantatra izay votoanton-dresaka. Fa niverina maina fotsiny tamin’io andro io fa mbola tsy azo ilay vola ary dia nanatona an’i André RESAMPA indray avy eo. Teo dia nisy fivezivezena matetika teny Ambotsirohitra sy Mahazoarivo mandritra ny andro maromaro. Taty aoriana izay vao azo ilay vola ka tao amin’ny biraon’i André RESAMPA no nakana an’izany. Ny HC RAKOTONDRABAO no naka an’io vola io izay mitentina 1 milliard 400 millions FMG na 280 millions Ariary ka natao tao anatin’ny fiara an’io Haut Conseiller io ihany, 4X4 PRADO 3113 TAD, ilay vola.

Rehefa azo io vola io dia nisy ny fizarana azy. Misy amin’ireo membre ny HCC no tsy mahalala akory ny fisian’io vola io, ary misy ny membre voatonona tsy ahazo mihitsy, ireo izay nahazo dia mety koa tsy mahafantatra ny totaliny ilay vola , fa tsy dia rototra loatra amin’ny fametraha an’i Andry RAJOELINA (afa-tsy Haut Conseiller iray) satria araka ny tenin’i HC RAKOTONDRABAO dia izy sy president irery ihany no tompon-kevitra amin’ny zavatra rehetra.

Izany no zava- marina niseho tamin’ireny 17 marsa 2009 ireny. Misy vavolombelona ireo rehetra ireo. ARY AMBARA FA TENA TOMPON-ANDRAIKITRA TANTERAKA TAMIN’INY FANONGANAM-PANJAKANA INY NY HAUTE COUR CONSTITUTIONNELLE.

novalian'i bazylou ny 03/02/2011 19:27
2. cyril ( 31/01/2011 14:32)
mafy bazily ,


mahery be bazily


tsy laitra bazily


mifona bazily
3. cyril ( 01/02/2011 12:25)
ekena bazily



ho ela velona bazily



aza manitsaka oul efa resy bazily
4. diloo ( 01/02/2011 21:54)
Iza tokoa moa no nanampo, fa ny samy atsantsa ihany no nifanaikitra, koa izao nihinana ny rambony izao ny filohany rehefa nanao ampamoaka ra-Sarla sy Randrianarijaona.
Efa nanomboka izao ny fitsaran'ny tantara, anjaran'ireo voafitaka no mijoro ho fanarenana ny firenentsika sy ireo vahoaka tsy manantsiny nampiasaina sy natao sorona natoan'ireo tompon'andraikitra tsy nitsinjo afa tsy izay namenona paosy sy nanimbana ny kolon-tsaina (RNM),ny voan-janahary toa ny bois de rose sy ny tanjona hamarotana ny fananam-panjakana (kraoma),niampy fampihorohorona, sns.
Izany eo ihany, fa ny tena mampalahelo dia ny tetika nanaovana ilay film t@'ny 07 febroary 2009, manao hoe:

"Il faut verser du sang humain à titre de sacrifice pour la réussite de la prise de pouvoir"
Cyrille Rasamizafy (un vidéo youtube témoigne de sa déclaration)

Ity ampidiriko eto ny jerikina nataon'i Solofo Mya, manoloana io tetika mamoafady io namonoana tsy fidiny ireo mpanohana voafitaka ny FAT sy ny filohany.

C’est une phrase de Cyrille Rasamizafy, qui fut le Président de l’Escopol pendant les évènements du 7 Février. Nous avons toujours su que notre Président n’avait rien à voir avec les tueries du 7 février, mais trouver des preuves qui incriminent la HAT semble trop inattendu. Comment peut-on sacrifier des vies pour un but politique ? C’est évident qu’il y a de l’argent en jeu et que tous ces membres de la HAT n’ont pas hésité à verser le sang de leurs compatriotes. Peut-étre qu’au fond, ils pensent qu’ils ne sont plus malgaches…

Le fait de vouloir sacrifier des vies pour quelque raison que ce soit, n’est ni justifiable ni compréhensible. Devant Dieu et devant la loi, et méme devant la façon de penser purement malgache cela constitue un crime impardonnable. Grâce à ce crime, ils ont peut étre réussi à faire partir notre Président mais qu’ont-ils récolté ? Aujourd’hui quand tout se découvre, ils sont humiliés et vont devoir subir la colère populaire. Vont-ils encore démentir et faire ressortir encore plus de manigances, ou bien corrompre encore des tas de gens comme ils ont l’habitude de faire ?
Solofo Mya. 23 janvier 2011

Aoka amin'izay hitsahatra ny fitondrana faty fa mijaly ny vahoaka. Be loatra ny basy mandroba sy mampahorohoro ny fandriampahalemana. Na ny tranon'ny FAT sasany aza izao, dia voaroban'ireo izay nomeny basy ankehintriny ihany, koa nanjary nihinana ny fatiny ankehintriny. Miaramila, na zandary, na polisy izy ny maraina, dahalo, mpangalatra, mpamono izy ny alina.
Tsy aleo ve averina amin'ny laoniny amin'izay ny andrim-panjakana,sa ahoana? Sa hijery film orera foana? Tsy aoka ve izay?
5. cyril ( 02/02/2011 09:17)
efa andrimpanjakana anie bainn io mijoro io fa innn ndray ary io e !?? ..

-fa tokony hoe aleo hajoro amzay ny andrimpanjakana tsy fopla de mety ! nenlah resaka mitomany sy konetaka io fona ry bainn a !.. sa dy lasa miavonavopaty !..ngah misy mitamby amlah eo !!... otran'ny vehivavy ve lets tambatambazana lava !.. avelao faty any ko elah !!.. atsona tsy mamaly andefasana message otran'ny jamba tsssshh!!!!
6. bazylou ( 03/02/2011 19:27)
looloololololoololl

Aiza ihany izy ity e??

beuurrrk
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.223