Andriamanitra saro-piaro inona no hevin'izany? mitovy ny olona saro-piaro ve?

21. niryna ( 27/02/2011 04:58)

reve:

Miarahaba e! Ity aloha misy fanontaniana tsara valiana
ho an'iza no nitenenan'Andriamanitra ireo teny (toko sy andininy) voalaza etsy ambony iretsy sao mba tokony faritana aloha ny DOMAINE DE DEFINITION fa raha ny kely takatro dia ho an'ny Zanak'ISRAEL no nitenenany izany hoe misy "PARAMETRE" tsy azo hodiantsihita ao ohatra: tantara, fotoana, zava-nisy ... sns dia amin'izay dia mety ho Fantatrao hoe ahoana izany Andriamanitra saropiaro izany !
mety ho marina ny teninao fa nomena an'ny zanak'israely io teny io kanefa ny mpaminany tsy masina an-taniny ary dia nomeny ny jentilisa ilay izy avy eo, sa tsy izay?
ho an'ny jiosy aloha vao ho an'ny jentilisa misy teny izany ao anaty baiboly eo
Izany hoe raha dinihiko dia efa nosoritan'Atra hatrany amboalohany mihitsy ny lalam-mpamonjena ary ny tantaran'ny zanak'israely no nanaovany izany( firenena nofidiaNy)
ahitsiho aho raha tsy izay
22. niryna ( 27/02/2011 06:33)
niryna:

Ny teny ao amin'ny Eksodosy 20 :3-6 dia manambara amintsika ny Didy folo fa tsy tokony hanana Andriamani-kafa isika fa Izy Irery ihany ary dia mbola mitohy ihany koa ao fa Andriamanitra saro-piaro Izy ary mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatrany amin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Azy. Kanefa kosa dia mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Azy ka mitandrina ny didiNy.

1. Mba misy afaka hanazava izany hoe Andriamanitra saro-piaro izany ve isika e.
Mety tsy mitovy angamba ny hevin'ny hoe olona saro-piaro sy ny hoe Andriamanitra saro-piaro e sa ?
2.Inona no hevitr'izany hoe mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka mifandimby...

misaotra mialoha
ny hevitro indray eto dia miteny amin'ny anaran'i kristy Tompo: Deot 7:9-17 Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindrampo amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin'ny taranaka arivo mandimby,

10 ary mamaly miharihary izay mandrafy Azy amin'ny fandringanana azy; tsy hitaredretra Izy ny amin'izay mandrafy Azy, fa hamaly azy miharihary.


11 Koa tandremo ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika, izay andidiako anao anio, ka araho izy.

12 Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo hianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin'i Jehovah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindrampo, izay nianianany tamin'ny razanao;

13 dia ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; ary Izy hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman-osinao any amin'ny tany izay nianianany tamin'ny razanao homena anao.

Inona izany no mety hitranga ? izay nasehony taratra tao amin'ny tantaran'ireo zanaka nofidiany?

14 Hotahina hianao mihoatra noho ny firenena rehetra; tsy hisy lahy na vavy tsy hiteraka, na hianareo na ny biby fiompinareo.

15 Ary harovan'i Jehovah tsy ho azon'aretina hianao, ka tsy hisy hameliny anao ny aretin-dratsin'i Egypta, izay fantatrao; fa hataony amin'izay rehetra mankahala anao kosa ireny.

16 Ary aoka holaninao ny firenena rehetra, izay hatolotr'i Jehovah Andriamanitrao anao, ka aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0922