Gasyihany aaaaaaaaa! Mba réaliste! Ny fitsarana gasy dia ambany vahoan'izay mpitondra eo satria tsy manana ny fahaleovan-tenany. Tamin'ny andron-dRadidy dia zay tian-dRadidy no natao. Tonga Ravalo dia zay tian-dRavalo no natao. Zao ndray Andry no eo dia zay tian'i Andry. Tsy afa-manoatra ny mpitsara satria ampihorohoroin'ny mpitondra ary mihorohoro mazava hoazy satria raha voaroaka amin'ny asa eo ny tena tsy hisy hanampy na hitsetra eo.
Taloha koa aho dia nanome tsiny be fahatany ny mpitsara sy ny fitsarana fa refa namaky ny
lahatsoratr'ity ranamana ity aho ary ( ireto ny hitako fa asa na misy hafa tsy fantatro, ampitapitao eo ihany raha misy sendra mahita hafa http://www.madagascar-tribune.com/_Anthony-Ramarolahihaingonirainy,3583_.html) refa avy nahita ny
famelabelarana nataony tao amin'ny INVITÉ DU ZOMA tamin'ny 23 oktobra 2010 dia nihiratra ny masoko hoe tsy ny mpitsara no tokony hosoketaina fa ny rafitra misy sy ny lalàna velona mithinsy no manome vahana ny mpitondra hanaboto ny mpitsara ka mahatonga ny hoe izay tian'drizareo mpitondra no atao.
Tsetsatsetsa tsy aritra, nandalo tao amin'ny MATV sy RTA sa RAVINALA sns koa hono io RAMAROLAHIHAINGONIRAINY ANTHONY io ka raha mba sendra misy manana ny lien idirana amin'ny vidéosn'ireo intervention ireo nareo dia mba ampitapitao eto. Tsy fomban'ny gasy ary tsy mahazatra ahy ny midoka olona fa tena refa nandinika lalina ny fomba fisainan'io Bandy io aho dia tena hitako fa mendrika ka tsy mahamenatra ny miteny hoe tsara ho fantatry ny rehetra.
http://tvplusmadagascar.blip.tv/file/4463371/#