Celui qui est auteur de coup d’Etat ne peut pas se présenter aux élections// bois de rose
1. bazilou
(
08/01/2011 01:03)
Les révélations faites par le lieutenant-colonel Charles Andrianasoavina ont focalisé l’attention des observateurs. Certains ont toutefois préféré garder le silence. C’est le cas notamment du lieutenant-colonel Lylison (lire article par ailleurs en page 17). La Grande muette n’a pas également voulu se prononcer. Silence aussi du côté des tenants du pouvoir. Aucun communiqué n’a été sorti, du moins à l’heure où nous mettons sous presse. Par contre, les trois mouvances ont apporté leurs points de vue
http://www.midi-madagasikara.mg/
http://mydago.com/2011/01/mme-voahirana-anabavini-andry-rajoelina-no-mpanondrana-bois-de-rose/
http://www.midi-madagasikara.mg/
http://mydago.com/2011/01/mme-voahirana-anabavini-andry-rajoelina-no-mpanondrana-bois-de-rose/
répondu par diloo le 09/01/2011 17:43
3. cyril
(
09/01/2011 00:57)
Mariana ny anao zokibe bazilou , mipoitra foana ny marina , aleo hisy ampamoaka kely aloha fa tena maimbo loatra ...................
4. diloo
(
09/01/2011 17:43)
cyril:
Mariana ny anao zokibe bazilou , mipoitra foana ny marina , aleo hisy ampamoaka kely aloha fa tena maimbo loatra ...................
Sali cyril
Sali bazimarina
Nataoko bazimarina ny fanavahana ny pseudo-nao manoloana an'i bazylou.
Izany hoe ny iray toa an'i bazylou, mpanao dinika pokaty sy lo.
Izany ny antony nofidiny mazava ny pseudo-ny ary tsy nanafina izany efa hatrami'izay. Loham-beurk lo foana no mba spécialité-ny any ka maimbo lo foana ny dinika eto. Koa aleo mivangy fotsiny.
Araka izany:
Misy ny baz(i)(y)lou izay tsara avahana eto
ny iray izany: Bazilou=bazimarina=bazimahiratra=baziréaliste
Ny faharoa : Bazylou=lo=mampitsoaka=mandreraka=boaybeurk=bazin-dainga
Koa hoan'izay te andray anjara eto @'ny ps i bazilou bazimarina fa tsy ilay raikalahy bazin-dainga akory, dia aleo avaoka directe eto ny tantara ny kodeta piloté par lapinou:
la raison d'étre de la HAT par le Colonel Charles Andrianasoavina
Inty naverina nadika ity ilay taratasy nosoratan’i Kol Charles Andrianasoavina, manambara ireo tsiambaratelo momba ny fananonganam-panjakana, fanondranana Bois de Rose, fangalarana Vary, sns…
Moa ve fantatrareo ry Malagasy fa ?
1. Ny alin’ny Alahady 08 Martsa 2009 tao amin’ny CAPSAT dia naniraka ahy i Andry Rajoelina hisambotra sy hamono ireo Israelien mibaiko miaraka amin’ireo Sud-Africain fa omena (250.000.000 fmg) deuxcent cinquante millions de franc par téte aho raha mahahatratra an’ireo.
2. Ny 11 Martsa 2009 no nakako an’i Andry Rajoelina rehefa avy nitsoaka tany amin’ny Ambassade de France ka tao amin’ny Episcopat no fotoana.
3. Ny 14 Martsa 2009, niara-nidinika ny tenako sy i Andry Rajoelina niaraka tamin’i Andriamanjato Ny Hasina fa hotapahina ny jiro sy rano mankany Iavoloha, atsangana ihany koa ny barrage tsy hahafahan’ny fiara mivezivezy ho fanafihana ny Iavoloha .Tany Ambatobe ny fotoana nivoriana tamin’io
4. Tamin’ny 17 Martsa 2009 nametrahan-dRavalomanana démission ka nanolorany ny fahefana tamin’ny Directoire Militaire dia: nolaviko io fanolorana fahefana ny directoire militaire io ka norahonako ny directoire militaire ka nasaiko nafindra ankeriny tamin’i Andry Rajoelina ny fahefana.
5. Tamin’io fotoana io rehefa nentinay nankany amin’ny Capsat ny Pasitera Lala Rasendrahasina , ny Amiral Hyppolyte, ny Général de DSivision Rabarison Ranto, ary ny Général de division Razafindralambo Rivohanitra dia toy izao no zavatra niseho :
* a- nilaza tamin’ny membre de directoire militaire ny tenako hoe : tsy azonareo tanana ny fahefana fa tsy maintsy passer-nareo io fahefana io.
* b- Tonga dia soraty lesy Charles izay tianao omena ny fahefana na ny anaran’ialahy aza dia sorato raha izay no tianao.
* c- Niantso ahy i Komanda Lylson sy i Andry Rajoelina hoe efa eto amiko Ratsirahonana Norbert Lala hanao ny rédaction juridique fa andraso kely eo fa communiqe-ko aminareo eo rehefa avy eo.
* d-Tsy nahandry aho fa nanao rédaction ihany, ary na ny stylo nanoratako io taratasy io aza dia tamina mpanao gazety iray tamin’io.
* e- Vita ny redaction-ko ary nampandikako an’i Général Rabarisoa Ranto ny voasoratro.nefa tsy navelan’i Andry Rajoelina novakiana fa miandry izay nataon’i Ratsirahonana.
* f-Rehefa tonga Ratsirahonana, Lt-Col Fidimalala , Mme Annick Rajaona vao natao ny famakiana ny famindrana fahefana mankany amin’i Andry Rajoelina, tao amin’ny CEMES Soanierana
6.17 Martsa 2009 ihany, namory ny Officier maromaro izay nikomy tao amin’ny CAPSAT ny Amiraly Hyppolite, ka isan’izany ny Général Noel Rakotonandrasana, Ny Général Ndriarijaona André sy ny namany fa hoe : horaisintsika zalahy ny fahefana fa herintaona ihany no itondrantsika azy.
7. Ny fitsinjrana ny varin’Atoa Ravalomanana tao amin’ny Port Toamasina dia tsy iza no tompon’andraikitra fa i Andry izay tsy iza fa fianakavian’i Andry Rajoelina (miaraka amin’ny farine sy menaka)
8. Mme Voahirana, tsy iza fa anabavin’i Andry Rajoelina no mpanondrana ny bois de rose raha toa ka voasakantsakana ny fahazoan’ny hafa fahazoan-dalana hanao izany.
9. I Andry Rajoelina no naniraka ahy sy Lylson nilaza tamin’Atoa Monja Roindefo hoe mialà ianao taorian’ny Maputo rehefa tsy sahy ny mpanao politika namany.
10. Mba hahafahantsika manohy ny asa Charles dia tsy maintsy mirotsakaho fidiana ihany aho i Charles.
11. Isaky ny manao intervation Media aho dia sakanan’i Andry Rajoelina foana hoe : « aza miteny mihitsy ianao hoe coup d’Etat iny nataontsika iny »
Misoatra an'i Bazilou nampiditra ity lohateny ity
Bye
