sao diso ny kristianina????

1. fijo ( 28/12/2010 21:17)
raha jerena tsara ny fotokevitr'i ralavavolo,dia tsotra.
izy dia jiosy ,ary tsy nihevitra ny hiala tao anatin'io finona jiosy io.saingy niezaka kosa izy hanova ilay fomba finoana sy ny rafitra nisy tao.izany hoe i lery dia terak ajiosy ary mbola maty jiosy sy nijanona jiosy.ka sao dia diso ary ireo nanitakevitra ka namadika ilay fisainany ho lasa finoana kristianina?????
novalian'i Ilo ny 01/02/2011 11:42
2. rijadolly ( 29/12/2010 02:50)
Misy ts azoko kely Zoky Fijo, Inona amin' ilay Finoana Kristianina no manilika na mandrara(namadika) ny lalàna Jiosy?
3. LazaDaddy ( 29/12/2010 07:50)
fijo:

raha jerena tsara ny fotokevitr'i ralavavolo,dia tsotra.
izy dia jiosy ,ary tsy nihevitra ny hiala tao anatin'io finona jiosy io.saingy niezaka kosa izy hanova ilay fomba finoana sy ny rafitra nisy tao.izany hoe i lery dia terak ajiosy ary mbola maty jiosy sy nijanona jiosy.ka sao dia diso ary ireo nanitakevitra ka namadika ilay fisainany ho lasa finoana kristianina?????

Manahoana indray r'ise a :)
I Bob Marley ve no tian'ise resahina eto sa iza? Raha i Bob Marley mantsy dia tokony any amin'ny dinika "Artista sy hira" angamba ise no manoratra :).
Sa I Jesosy Kristy kosa no efa hitan'ise hoe "lava volo"? Sambatra ise efa nihaona taminy :)

Momba ny resaka Kristianina indray dia tany "Antioky" ry zareo no nantsoina voalohany hoe "Kristianina", izany hoe: "mpanara-dia an'i Kristy Jiosy" ary tany amin'ny Sinagoga no nampianarany sy nianarany tany am-boalohany. Ka tsy haiko loatra ny tian'ise ambara amin'ilay hoe "sao dia diso ny Kristianina"?

Misy Kristianina miteny angaha fa tsy Jiosy i Jesosy? Ny toy izany indrindra no ilana ny fianarana sy fandalinana ny Tenin'Andriamanitra ka dia isaorana be dia be ise nanao io fanamarihina io :)

4. fijo ( 29/12/2010 19:40)
mitovy ny fanontanianareo roalahy.

ny tiako lazaina dia izao.i lery tsy nitady na nikasa hanorina "finoana"hafa noho ny finoana jiosy.nefa taty aoriana dia lasa finoana mahaleo tena mihavaka"mba tsy hilazako hoe mankahala"ny finoany "jiosy "no zavatra nitranga

raha ny momba ilay volo indray ry laza,dia teneno ireo mpandainga mpamitabahoaka "mampisoe sary olona fotsy lavavolo ireo"fa mba nanaraka ny kisarisariny aho ahalalann'y mpokona azy
5. rijadolly ( 30/12/2010 14:47)
Ay ve zany e!
Ny Kristianina ve no niala sy nanaratsy ny Sinagoga sa Ny Jiosy( tsy Kristianina) no nanenjika ny Kristianina tsy ho ao amin' Synagoga sy natao tahaka ny Sekta?
6. fijo ( 02/01/2011 20:08)
dia dinio ao aloha,fa nanjary finoana hafa izao ilay fanatsarana "fotsiny"aika natao
7. rijadolly ( 06/01/2011 15:19)
Tsy azoko tsara ilay tian' Zoky Fijo tenenina...Raha azoko dia hoe fanatsarana fotsiny ve ilay nataon' Kristy? Raha izay ny tian' se tenenina dia diso satria fanantaterahana ny voalazan' Mpaminana no nataoNY fa tsy fanatsarana fotsiny ihany akory. Ka raha nino an' izany ireo voalaza fa tsy nino an' Jesoa dia tsy nisy ny fizarana sy fanenjehana an' ilay nanatanteraka ny voalazan' mpaminaniny.
8. ikaretsaka ( 09/01/2011 01:27)

rijadolly:

Ay ve zany e!
Ny Kristianina ve no niala sy nanaratsy ny Sinagoga sa Ny Jiosy( tsy Kristianina) no nanenjika ny Kristianina tsy ho ao amin' Synagoga sy natao tahaka ny Sekta?

Akory aby indray
Raha dinihina io dia samy nanao...
-misy ny kristianina no nilaza hoe "tsy voatery mankany (@ sinagoga)"
-misy ny jiosy no nilaza hoe "tsy mila mankany (@sinagoga)"
9. fijo ( 17/01/2011 20:31)
rijadoly,i lery tsy nanda ny finoan ajiosy mihitsy ka,fa nikasa ny hanoa fanovana tsara kokoa noho ny nisy tamin'ny fotoan'androny.kay taty aorian anivadika finoana kely hafa ilay izy
10. nameno ( 01/02/2011 03:20)

fijo:

rijadoly,i lery tsy nanda ny finoan ajiosy mihitsy ka,fa nikasa ny hanoa fanovana tsara kokoa noho ny nisy tamin'ny fotoan'androny.kay taty aorian anivadika finoana kely hafa ilay izy

lol aiza ao @ Baiboly aloha no milaza fa Finoana Jiosy no nentin'i Jesosy e!!
Aza dia mamingavinga ny anaran'ny zanak'Atra ry fijo fa sao dia mahazo kapoka avy Aminy ianao vao gaga
11. nameno ( 01/02/2011 03:20)

12. Ilo ( 01/02/2011 11:42)
Ny jiosy dia firenena nofidian'Atra, nomeny ny lalàna izay nasainy notandremana... Tsy nisy nahatandrina izany anefa ny Jiosy t@ zany.
Ka tonga i Kristy maty nisolo antsika mba hamaha antsika tsy ho eo ambany lalàna intsony fa ambany fahasoavana ka ny raNy teo @ hazofijaliana no nahazoan'izay mino Azy fanavotana.

Ny jiosy dia aloky ny kristianina izay olona nofidian'Atra. Atra koa dia mitantana ny kristianina toy ny nitantanany ny jiosy tany an'efitra sns, mikapoka izy rehefa miala @ làlana tena izy ny zanany. Mitahy Izy rehefa mitandrina ny didiny ny zanany. Ny tany Kanana tondra-dronono sy tantely dia aloky ny fiainana mandrakizay.

Ka tsy nisy hoe nanita-kevitra hivadika na hiala @ finoana Jiosy ny Kristianina fa i Kristy mihitsy aza no nampiseho ny fiainana vaovao miraka Aminy fony Izy teto an-tany, toy ny nampitsangany ny marary t@ andro Sabata, ny niarahany t@ mpianany ny andro voalohany @ herinandro fa tsy ny andro Sabata intsony... Betsaka ireo seho toy izany ao @ Baiboly izay mifanohitra @ ireo lalàna Jiosy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.162