Samy milaza ny fisian'ny olana misy eto M/kara na i andry rajoelina, na ny vahoaka sy ireo mpanao politika, nanomboka ny volana martsa 2009, fotoana mari-pototra io.

1. gasyihany ( 21/12/2010 08:13)
Ny mahagaga dia mody fanina ireto mpangalatra zom-bahoaka an-keriny ka naka fitondràna tamin-kerisetra, ka nanangana fanjakana sandoka, ohatran'ny hoe tongatonga ho azy izany krizy izany, ary dia ezahina tapena-maso amin'ny fomba maloto rehetra ny malagasy. Ny marina anefa dia tokony tsy ho hadinoina fa ireo mpitondra sandoka ireo no nanao izao toerana farany izay ratsy indrindra amin'ny vahoaka malagasy no naha tonga izao. Izany hoe ireo izany no aretina mikiky andro aman'alina ny fiainan'ny malagasy iray manontolo, ka raha tiana hivaha izany, dia tsotra, ireo aretina misandoka fanjakana ireo mihitsy no tsy maintsy atao izay haha fongotra azy, raha tsy izany dia tsy misy hafa tamin'ny fanandevozan'ny frantsay an'i malagasy nanomboka tamin'ny taona 1896 no hiafaran-tsika eto. Aoka tsorina avy hatrany fa i andry rajoelina dia mpanompo mahafatra-po ny frantsay, ary ny frantsay no mibaiko azy.
novalian'i rijadolly ny 21/12/2010 19:15
2. rijadolly ( 21/12/2010 19:15)
Ampitiavana tanteraka no ilazana fa reraka ny Malagasy tambesaran' Krizy sy ny vokany aoriana kely ao. Marina mihitsy ny an' Gasyihany fa nisy ny namboly ny Krizy, tsy tonga ho azy izy io. Mifanantona ianareo dia rava io Krizy io, jereo hatrany amin' fakany nahatonga azy, manana teny tsy nangatahina tamin' vahiny isika izay mampihavaka antsika.

FANDEFERANA, FIFAMELANA, FIHAVANANA, FIRAISANKINA, FITIAVANA. milaza ianareo mpitarika ireo raha tsy maniry an' ireo ho tanteraka eto amin' Tanindrazatsika na dia am- bava ihany aza. hasehoy anay madinika fa mbola manana fanantenana izahay fa aza fahanan-dalitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0645