Dika teny malagasy

1. muhandas ( 08/12/2010 22:12)
Manao ahoana daholo ny namana rehetra,
Misy ve fandikana teny malagasy ny teny ampiasaina @ informatika.
Ohatra hoe serveur , environnement , test (angamba azo adika hoe andrana)framework ,
integration , developpement , exploitation, production champ lexical izy @ teny frantsay.
Leo mantsy aho rehefa maka ohatra @ mpiara-miasa , test foana no ampiasaina na prod rehefa maka exemple production . Tsy haiko raha mazava ny zavatra anontaniako fa anontanio raha mila halalinina kokoa.

Misaotra mialoha.
répondu par librepenseur le 22/06/2011 11:49
2. RAR.DAGO ( 10/12/2010 07:59)
inona no manakana hamoronana izany? Izany anie no maha teny velona (langue vivante) ny teny gasy e! Tsy voatery hoe "tsain" na "manetaka" foana no teny foronina fa mba azo atao teny misy ilana azy @ asa koa
3. muhandas ( 12/12/2010 16:29)
RAR.DAGO:

inona no manakana hamoronana izany? Izany anie no maha teny velona (langue vivante) ny teny gasy e! Tsy voatery hoe "tsain" na "manetaka" foana no teny foronina fa mba azo atao teny misy ilana azy @ asa koa


Hevitra mety izany ka.Raha nisy fotsiny dia nampiasaiko fa handeha hamorona marina aho dia mba zaraiko eto @ namana eto .
4. librepenseur ( 22/06/2011 11:49)
Tsy ho araka intsony ny famadihana izany rehetra izany raha resaka informatika no resahina, androany ianao manome anarana zavatra iray, rahampitso dia efa misy zava-baovao mitovitovy na mifandraika amin'ilay androany kanefa samihafa ny anarany... raha tsy hoe miasa andro aman'alina koa angaha ny akademia malagasy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0966