HO AIZA?

1. ydifas ( 03/12/2010 08:23)
Tononina amintsika ny fiadanan'i Kristy omban'ny fahasoavany.
Inoako fa nahavita nandini-tena isika rehefa avy namakivaky ity taona ity sy ny lasa rehetra teo amin'ny fiainantsika.
Ho avy ny krismasy na ny noely. Somebiseby ary miezaka ny hampifalifaly ny tenany sy ny ankohonany ny tsirairay. Inona tokoa moa no hevitr'ity fety iray ity? Misy ny milaza fa fankalazana ny nahaterahan'ny Mpamonjy dia Jesosy izany. Misy ny miteny fa sain-dalin'i satana izy io. Ny tena hevitry ny krismasy amiko dia hoe: nanomboka teo amin'ny nahaterahan'i Jesosy ny fandravana ny asa matin'i satana. Nanomboka teo ny ady.

Mipetraka amintsika ny fanontaniana: Mihazakazaka ho aiza isika amin'izao hoe fety izao? Inona no mahaserina antsika? Hividy fanomezana ve? Hanao sakafo tsara kokoa noho ny andavan'andro ve?... Tsara avokoa izany ary tsy misy diso na iray aza kanefa efa mba nandinika ve isika hoe nahoana isika no mbola afaka manao izany rehetra izany? Eny fa na dia tsy afaka hanao izany aza isika noho ny olana misy eo amintsika (aretina, fahoriana, na tsy te hankalaza fotsiny tsotra izao...), efa nametra-panontaniana ve isika hoe fa maninona aho no mbola velona toa izao?
Valiny, satria noho ny famindrampon'Andriamanitra sy ny fahasoavany no mbola maha-toa izao antsika. Koa noho izany, rariny raha tolorana ny saotra Izy noho izay rehetra nataony tamintsika ka hilaza hoe:"Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra" Salamo 103/1 - 2
Ndeha isika hiazakazaka hisaotra an'Andriamanitra hankasitraka sy hankatelina noho ny soa rehetra natobany teo amintsika. Ny amintsika rehetra, hatramin'ny foronana bitika indrindra ao anatitsika dia hoentintsika hisaorana Azy.

Misaotra = mankasitraka = manaiky fa tombony ho an'ilay mandray ny zavatra natolotra azy.
Rehefa maninona isika no misaotra? Rehefa momena na mandray zavatra avy amin'olona.
Fahalalam-pomba faran'izay kely ny fisaorana. Sarotiny ery isika mampianatra ankizy ao an-trano hahay hisaotra. Mahamenatra antsika raha ny zanatsika no tsy mahalala misaotra, indrindra eny imason'olona. Ataovy eo amin'ny toeranao Andriamanitra hoe mety ho sarotiny rehefa tsy mahalala misaotra ny zanany. Zanany isika, tiany hisaotra mandrakariva.

Tokony hahay hisaotra amin'ny zavatra rehetra isika (1Tesaloniana 5:18). Mazàna rehefa misy manjo antsika dia adinontsika ny manatitra saotra ho an'Andriamanitra. Im-piry no efa nakàna na nanalàna ny teo am-pelatanantsika? Namoy hava-malala, very fananana, very asa... Eo indrindra no tokony vao mainka hanandratantsika vavaka fisaorana ho Azy. Fanomezam-boninahitra sy fanekena ny fitantanany no hevitr'izany. Aza heverina ho ratsy izany fa lazao fotsiny hoe kasik'Andriamanitra sy fitantanany io koa isaorana Izy.

Saino kely anie hoe takian'Andriamanitra amintsika avokoa ny soa rehetra noraisintsika taminy e? Lany ritra isika hoy ny teniny raha tsy namindrany fo.
Tsara amintsika ry havako ny mahay misaotra an'Andriamanitra noho ny rehetra nampandaloviny teo amintsika. Faly Andriamanitra mahita antsika mahay mankasitraka noho ny nataony sy ireo izay nomeny antsika.
Hifarana ity taona ity, ny fanomezana tsara indrindra atolotsika ho an'Andriamanitra dia ny fisaorana tsy manam-pahataperana hanambarana fa isika no toa izao dia noho Izy ihany: handohalika isika, hiankohoka isika, hanome voninahitra Azy isika fa tsara Izy sady mpanao ny tsara.

Tsy voatery ho vola fa ny fotsika, ny amintsika rehetra no ampiankohofana eo anatrehany. Koa alao hery, misaora Azy fa mendrika izany indrindra Izy, aoka isika tsy hanadino ny fitahiany rehetra.

Hafatra:
"Jaona namaly ka nanao hoe: tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany" Jaona 3/27
"Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany" Fitomaniana 3/22
novalian'i rijadolly ny 10/12/2010 15:11
2. sylvaine ( 05/12/2010 14:38)
Misaotra anao ,tena mahaliana tokoa
3. rijadolly ( 10/12/2010 15:11)
mankasitra hatrany e! Marina izany Ydifas a!
Anisany lalana iray tena mavesa-danja ahazoana valim-bavaka ny fisaorana aloha, izay vao mangataka.

TESALONIANA VOALOHANY 5 : 17 Mivavaha, ka aza mitsahatra.18 Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'ny Kristy Jesosy ho anareo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1651